Rimbona indray ny Tarika MAHALEO : nanara-dia an’i Raoul sy Nônô indray koa Fafah. Tantara niaraha-mahalala, niaraha-niainana, niaraha-nikalo (na namalan-kira) ny fitadiavana «billet», filaharana «concert», horakoraka nahafarim-peo rehefa anaty «salle».
Ny sasany tamintsika, afaka nifanerasera akaiky kokoa tamin-dry zalahy. Samy nanana izay nahavantana azy. Samy nanana ny taranjany avy. Fa arak’ilay hira :
NY FIHAVANANAY
Ny fihavananay
Fihavanan-kalo
Ny hira no nampiray
Tsy nananam-pahavalo
Ny fihavananay
Fihavanam-po
Raha ory ny iray
Ny rehetra no mana-manjo
MAHALEO, fito lahy nahay nampirevy ny rehetra satria nitovy revy tamin’ny rehetra. Miandahy, miambavy, efa areti-mifindra mitety taranaka telo hatramin’ny 1972 : fito ka hatramin’ny fito amby fitopolo moa ? Tonony hay tsianjery, feony mamoha-fota-mandry avy hatrany. Izay alzheimer sisa no asa.
Ny fahatsiarovana samy hanana ny azy, ny alahelo samy hitondra izay tandrify azy. Ny ahy ireto no mba zaraiko. Tsy misy feo, tsy ilàna «Sôlfezy» : efa tonga antsaly an-tsaina, am-po. Anakampo.
Ny feo miavak’i Fafah, ny feo tokan’i Fafah, toa amin’ny «RAFAHAFAHANA» no tena mampisongadina ny haavo takany ka mampangiana toa mivavaka ny efitra manontolo :
Nefa, fitia tsy mety ritra,
Mikiry sy maditra
Natokako ho an’ialahy
Iandrasanao hitondra takaitra
Izay angamba ianao vao ho taitra
Sao dia mba tara loatra !
Aoka aho, mba ho tompon-tsafidy
Mba tsy avela hihidy
Ity vavako miteny
Ampy ho ahy izay
Nitondra mangidy
Tsy tiako ho tadidy
Ireny rehetra ireny
Raha eo ialahy,
Hiteny ireo nangiana
Fahafahana no iriana
Ho an’ny taniko
«ISEKELY» : Toa heno avy hatrany, ary efa ampoizina, amin’ny «enregistrement» ny tehaka sy sioka falifaly vao manome feo ny gitara :
Isekely ihany
No mba mamiko
Faniriako hatry ny elabe
Masoandroko, fifaliako
Ka tsy mety ho adinoko
Isekely no fitaratra
Hitarafana ny fiainana
Na ny masonao na ny tsikinao
Mba omeo sary ataoko ambany ondana
hiantsoana ny nofy
Nofinofintsika roa
«FAHALEMEN-DEHILAHY» : Lehilahy tia Vehivavy tia Lehilahy, tokoa. Revin-dehilahy mety manafintohina indrindra raha hoe, «Fahavalo, areti-mandalo, tsy anenenako». Avy mivazo «Isekely ihany» dia «mamangy tany sy havoana vaovao»... Mahaleo...
Ny fahalemeko
Fahalemen-dehilahy
Resy aho, ekeko
Resin’ny fakam-panahy
«ANKIZY TOA VERY DIA» : Izy efa-dahy tavela no tena «ankizy nilaozan’ny tiana». MAHALEO hatrany, hoy isika rehetra, saingy ho MAHALEO inona, MAHALEO ahoana, MAHALEO iza ?
Ankizy toa very dia
Sendra nilaozan’ny tiana
Ity foko mbola tia
Mitomany sy ory mangiana
Tsy misy saro-dresena
Toy ny fahatsiarovana
Ny tarehiko mando sy lena
No marik’izany Rahavana
Maloka tampoka teo
Ny lanitra manga fahiny
Rahona no indro eo
Nanakona iny fitiavako iny
Ny volana mihidy an-trano
Tsy nety nanazava intsony
Tsy ririnina tsy lohataona
Fa maizina ny lanitra ambony
Baliaka ve ny masoandro
Any aminao lavitra any
Tsy alina tsy antoandro
Fa ny aty maizim-pito ihany
«REHEFA MATY AHO» : Adinodino matetika fa tononkalon’i Jasmina Ratsimiseta (1890-1946) ity no nasian-dry MAHALEO feony.
Raha ho avy, Ralala, ny taona hodiako
Ao ambanin’ny tany tsindrian-drangolahy
Ka ny vato hisolo ny kidoro hatoriako
Voleo voninkazo eo an-dohan’ny fasako
Fotsy sy Mavo ary Manga sy Mena
Ny Fotsy ho marik’ilay fahadiovana
Ny endriny Mavo, ny fofony manitra
Ny Manga ho marik’ilay fihafiana
Ny Mena ho taratry ny afo tsy maty
«TIA DIA TIA»
Raha izay ditra foana
Tsy nisy tsy nanao
Rehefa tonga ny andro
hifaranan’izany
Akoho ela nitsaingohana
tsy maintsy drodroka ihany
Fitiavana, ho raketina ho boky
Tsisy resaka afa-tsy fifanomezan-toky
Ho feno sary, sarim-pahasambarana
Ny pejy farany misy hoe mbola tsy mifarana
Ka indray andro ihany
Fahafatesana ihany no hamarana izany
«Fahafatesana ihany, no hamarana izany». Eo indrindra isika izao. Akoho ela nitsindrohana, tsy maintsy drodroka ihany. Mandria am-piadanana.