Fahaiza-miaina - Maro no nahazo fampiofanana eny anivon'ny orinasa


Nahazo fampiofanana nandritra ny roa andro ireo tanora solotenan'ny mpiasa miisa 30 avy amin'ny sehatra tsy miankina. Nifarana, omaly, io fampiofanana io izay natao tetsy amin'ny Bucas Antani­mena. « Maro ny olana sedrain' ny mpiasa eo anivon'ny orinasa ka izany indrindra no hanaovana ny hetsika fampiofanana ireo tanora mpikambana eo anivon'ny sendika. Ny fahaiza- miaina eo anivon'ny orinasa no tena niompanan'ny fampiofanana. Lesoka eny anivon'ny orinasa amin'ny ankapobeny ny tsy fahaizan'ny mpiasa miresaka amin'ny mpampiasa azy ka mahatonga azy ireo hanao antsi­rambina ny asany », hoy Harinoro Malalatiana Lovasoa Fetra, sekretera jeneraly lefitra eo anivon'ny firaisan'ny sendikan'ny mpiasan'ny Madagasikara na Fisema. Fampiofanana Nilaza ny tompon'andrai­kitra fa nifotorana nandritra ny fampiofanana ny fampahafantarana an'ireo tanora ny zon'ny mpiasa eo anivon'ny orinasa sy ny lalàna momban'ny asa tokony arahiny ary ny fampianarana momban' ny fifampiresahana amin'ny mpampiasa. Nampia­narina momban'ny fitantanana orinasa sy ny fitondrana olona ihany koa izy ireo nandritra ny roa andro satria izy ireo no ho mpandimby, hoy hatrany ny fanazavan'ny tompon'andraikitra eo anivon'ny Fisema. « Tsikaritra amin'ny fitarainana ataon'ireo mpiasa eo anivon'ny sehatra tsy miankina amin'izao fotoana izao ny fitomboan'ny fotoana hiasana sy ny asa hatao. Tsy mifanaraka amin'izay anefa ny karama omena azy ireo. Fanomezana Rasolomahery
Plus récente Plus ancienne