Ambatoasana - Fandravana trano tsy misy fampilazana mialoha


Tafo 150 no voalaza fa mbola harodana saingy telo no efa noravana omaly. Navoaka teo ivelan'ny trano ny entana. Endrika maloka, tamin' alahelo tanteraka no nahitana ireo mponina vitsivitsy noravana trano tany Ambatoasana kaominin' Ampefy, omaly maraina. Voalaza fa tsy nisy fampilazana mialoha voarain'izy ireo tamin'izany fandravana trano izany. Olona vitsivitsy niaraka tamina mpitandro ny filaminana no tonga vao maraina teo an-tanana. Trano telo no nahitana faharavana. Fantatra ihany koa fa ireo olona nandrava ireo no namoaka ny entana tao an-trano nialoha ny nandravana azy. Tany mirefy 49 Ha misy trano 150 no eo amin'ity faritra nokasaina horavana trano ity. Nifampanontany ny fokonolona amin'ny antony nahatonga ny fandravana tampoka. Mitaintaina amin'ny mety ho tohin'ny fandravana ihany koa ny mponin' Ambatoasana. « Gaga izahay nahita ireo olona ireo tonga vao maraina. Nitondra fitaovana toy ny angady izy ireo niaraka tamina vaditany ka avy hatrany dia nandrava ny trano. Taorian'izay no nilaza izy ireo fa afaka 15 andro dia hiverina hanohy ny fandravana ny trano hafa », hoy ny olona tompon'ny trano noravana. Olona eo an-tanana ihany ity voalaza fa nitondra tompon'andraikitra hanao ny fandravana ity. Samy tsy nisy nahalala mialoha izao fandravana trano izao ihany koa ny tompon'andraikitra eo anivon'ny kaominina sy ny fokontany. Tranga efa nisy « Ny alarobia hariva lasa teo, tokony ho tamin'ny 8 ora no tonga teto amiko ny vaditany nilaza fa hanao fandravana trano saingy tsy nisy taratasy nasehony ahy. Teny Antanimarina no nolazainy fa harodana, kanjo ny maraina izahay vao naheno indray fa eny Ambatoasana no misy ireo trano harodana », hoy kosa Randrianarilahy Fidy, Ben'ny tananan'Ampefy. Ny taona 1996 no efa nisy tranga toy izao tany Ambatoasana ary teo amin'io faritra voatondro io ihany koa. Olona tao amina trano 22 tafo no nafindra toerana, tamin'io fotoana io. Efa nilamina ny raharaha tamin'io tranga io saingy izao niverina izao indray. Voalaza fa hitondra fitarainana any amin'ny topon'andraikitra misahana izany ireo mponina voakasik'ity fandravana trano ity. Andrasana kosa ny mety ho tohin'ny fandravana amin'ny fotoana manaraka. Nantenaina Njanahary
Plus récente Plus ancienne