Faniriana fatratra ny ho tale jeneralin'ny APMF


Mizotra amin'ny an-tsakany sy andavany sy andraikitra sahanin'ny APMF eo amin'ny fampanarahan-dalàna sy fanarahamaso ny asa fitarerana an-dranomasina na dia tsapa aza fa sarotra sy goavana ny fanamby miandry ny mpitondra ankehitriny sy ny mpiasa iray manontolo manomboka eto amin'ny foibe eo Antananarivo ka hatrany amin'ny ratsa-mangaika farany izay lavitra. Efa iarahantsika mahalala fa nosy i Madagasikara ka voahodidina ranomasina. Marobe noho izany ireo toerana mahazatra ireo mpandraharaha amin'ity sehatra ity ihantonan'ny sambo na lehibe io na kely ka hamoahana sy hampidirana entana na olona. Marihina etoana anefa fa voararan'ny lalàna tanteraka ny fampidinana entana sy ny fanondranana etana raha tsy eo amin'ny toarana misy seranan-tsambo ihany. Andraikitra lehibe mbola miandry ny APMF araka izany ny fisirihana izay toerana rehetra mahazatra ireo mpadraharana hamoahana sy hampidinana entana ka hanokafana birao. Maro dia maro ny ezaka ataon'ny sampandraharaha tsirairay avy izay mifantoka indrindra amin'ny politikam-pitantanana ankapobeny izay efa nahazo ny fankatoavana avy tamin'ny filankevim-pitantanana. Anisan'ny orinasam-panjakana mahavelon-tena ny APMF ka tsy manana trosa amin'ny fanjakana foibe na koa ireo banky isan-karazany eto an-toerana. Efa ho valo ambin'ny folo taona no nisokafany ary efa tale jeneraly maromaro no nifandimby nitantana azy. Alaim-panahy ankehitriny ny mpiasa sasan-tsasany ka maniry ny ho tendrana ho tale-jeneraly ary manao ny fomba rehetra hanerena ny mpitondra fanjakana ankehitriny mba hanendry azy ireo eo amin'ny toeran'ny tale jeneraly. Hadinonireo mpiasa ireo fa tsy manana petra-bola na iriambilanja ariary mampihodina ny orinasal akory izy ireo fa mpiasa tsotsa ihany ka tsy manana zo mihoatra noho ny an'ny mpiasa hafa rehetra. Ary hadinony ihany koa fa misy hitsivolana mikasika ny fanendreny izay ho tale jeneralin'ny APMF. Anisan'ny paikady entin'ireo izay mikasa ny ho tendrana ho tale jeneraly ny fanosoram-potaka sy fanaratsiana ny tale jeneraly ankehitriny. Marihina etoana anefa fa mila fahalalana sy fahaizana-manao ary traikefa manokana ny fitantanana ny orinasam-panjakana lehibe toy itony satria efa mihoatra ny efajato ny isan'ny mpiasa rehetra ary sehatr'asa izay saro-pady tokoa izy noho ny ain'olona mivezivezy eny ambony ranomasina. Hadinon'izy ireo ihany koa fa azo hamarinina daholo izay lainga sy fanosoram-potaka ny tale jeneraly ankehitriny. Ao anatin'ny paikadin'izy ireo ihany koa aza ny fivoizana ny fihaviana ka haveriny angamba fa tokony mifandimby mitantana eto amin'ny APMF ny foko tsirairay avy. Hatreto aloha dia tsapanay mpiasa fa manana ny fahalalana sy ny fahaiza-manao ilaina amin'ny fitantanana ny APMF ny tale jeneraly ankehitriny. Hadinon'izy ireo ihany koa fa ny fanjakana irery ihany no tompon-teny farany amin'ny fanovana na tsia izahy ho tale jeneralin'ny APMF. Na toy inona anefa ny lainga sy fanalam-baraka atao amin'ny tale jeneraly ankehitriny dia azo hamarinina daholo izany ary heloka eo anatrehan'ny lalàna ny fanalam-baraka ny mpiara-belona ka azo torina eny amin'ny fitsarana. Mbola hadinon'ireo maniry fatratra ny ho mpitondra ihany koa fa tsy mamy hoditra akory eo amin'ny mpiara miasa izy ireo. Misy mihintsy aza mpiasa maromaro efa miomana fa raha toa ka manao fadisoana ny mpitondra fanjakana ka manendry ireo olona ho eo amin'ny toeran'ny tale jeneraly dia hisy fitokonana goavana maneranana ny nosy. Ny hafatra farany dia tokony samy manaja ny asa tandrify azy ny mpiasa rehetra ary tokony hanaja ny mpitondra.
Plus récente Plus ancienne