Accueil » Chronique » Antananarivo Madio, Tadidio !
Chronique

Antananarivo Madio, Tadidio !

Tsotra ny tanjon’ny Fitsipi-piaraha-monina nofaritan’ny Tanàn’Antananarivo: Fahadiovan’ny toeram-ponenana sy ny toeram-bahoaka ary ny kianja; Fahadiovan’ny tsena; Filaminana amin’ny lalam-bahoaka; Ady amin’ny tabataba sy korontana.

Iza no tokony ho tafintohina amin’izany tanjona izany raha tsy hoe mahafinaritra azy ny toeram-ponenana miendrika fisoko, ny kianja lasa fanariam-pako, ny lalam-bahoaka voabahana sy voahelingelina, ny tabataba tsisy farany etsy sy eroa, ny korontana manimba maso sy manetry toe-tsaina.

Teraka sy lehibe teto Antananarivo aho, efa ho dimampolo taona izao. Zanaka, zafikely, zafiafy, zafindohalik’ireo Raiamandreny mponin’Antananarivo efa hatramin’ny fitsipika fokonolona voalohany indrindra teto Antanana­- rivo, ny taona 1884: izany hoe 136 taona lasa (vakio Bulletin de l’Académie Malgache, 1908, vol.III, p.66). Didim-pitondrana tamin’ny 16 jolay 1960, enimpolo taona lasa, ilay fitsipika ampatsiahivin’ny Ben’ny Tanàna taona 2020. Ka hiandry 60 taona hafa manaraka, sa ho avela amin’ny 136 taona ho avy, vao hanova «fomba fjery, fitondran-tena ary foto-pisainana»?

Maninona isika no manembona sy mitse­- tsetra rehefa mahita sarin’Antananarivo tamin’ny enimpolo, valopolo, zato taona lasa? Satria nilamina ny Tsena, nadio ny Tanàna, tsara tarehy ny Trano Gasy. Izany rehetra izany no potika tao anatin’ny enimpolo taona nanaovana baranahiny.

Hanova fjery, fitondran-tena ary fisainana: efa taona 2020 isika fa zava-misy andavanandro izay tanisain’ny ANDININY faha-19: «Voarara tanteraka ny manipy rano maloto avy eny ambaravarankely na ny manary izany amin’ny lalambahoaka. Voarara ihany koa ny manipy anaty lakandrano, renirano, farihy na ny mametraka amin’ny sisiny, ireo fako, potipotijavatra isan-karazany, indrindra ny diky sy ny rano misy menaka».

Zava-misy hafa no voatondro molotra amin’ny ANDININY 31: «Ny famaniana na ny fanipazana diky ivelan’ireo fotodrafitrasa natokana ho amin’izany, ny mandrehoka, ny mandrora amin’ny toerana rehetra, ny famelana ny biby hangeringery eny amin’ny lalana (…) Ny fanipazana fonosana na inona karazany amin’ny lalana, kianja na toerambahoaka».

Mbola zava-misy ny mahazo tsiny amin’ny ANDININY 36: «Ny varotra hanimasaka sy sakafo fihinana dia tokony anaty vatafitaratra mihidy tsara izay tsy tafiditry ny bibikely na ny vovoka. Tsy maintsy ampiasana fonon-tanana, na raha tsy misy dia fitaovana voatokana handraisana, ireo sakafo amidy»; sy ANDININY 43: «Ny varotra rehetra dia tsy maintsy ambony akalana miala fitopolo santimetatra (70 sm) amin’ny tany». Sakafo, indrindra indrindra, ka ladina an-tany mifangaro amin’ny amany sy ny tay: raha mba ny fanabeazana hiala amin’izany moa no ifandrimbonana amin’ny Facebook…

Fepetra ankapobe ahafahan’ny isantokantrano mifanolo-bodi-rindrina tsy misy rahoraho no narafitra ho fitsipi-piaraha-monina. Ny alika tokoa tsy maintsy mivovo. Tsy ny vovon’ny amboa anefa no olana fa ny kinaonaona: alika tsy mitsahatra mitabataba sy mitomany, na marary, na mijaly. Inona MARINA no voalazan’ ny ANDININY faha-79: «Ireo tompony sy mpiompy biby, indrindra ny alika, dia tsy maintsy mandray ny fepetra manokana rehetra mba hisorohana ny fanelingelenana ny mano­didina, amin’ny fampiasana ny fomba rehetra hanerena ireo biby tsy hikorontana MIVERIM­BERINA sy MAFY». Ka avela hinaonaona tontolo andro ny alika sa ampanantsoina ny tompony?

Hoy indray ny ANDININY faha-9: «Tsy maintsy lokoana sy diovina ny trano, INDRAY MANDEHA AO ANATIN’NY DIMY TAONA farafahakeliny», indrindra ho an’ireo talaky maso, manolotra toerana endriky ny tanàna. Filambanona ve izany? Firy amin’ireo nanaratsy, nitsikera, nanakiana, no mba namaky manontolo izay voasoratra fa tsy nihanina nihinana amambolony ny tatibolan’ny sasany tamin’ny Facebook?

Toe-tsaina dimampolo taona no arenina. Efa hatrany am-boalohany no fantatra fa tsy ho vita iray andro izany. Efa hatrany amboalohany no nekena fa tsy hefan’olon-tokana. Tsy ny sazy sy ny lamandy no lehibe indrindra fa ireo fepetra ankapobe sy ny fitsipika antitran­- terina.

Ho an’Antananarivo : ianareo Raiamandreny isan-tokantrano, ianareo Mpampianatra isan-tsekoly, ianareo Lehibe isam-pinoana, ianareo To-teny isan-tsehatra, ianareo Tiakanto, zarao ny fitsipika hialana amin’ny loto, korontana, tabataba, fanelingelenana. Ohatra: ANDININY 85: «Ny tabataba amin’ny alina dia voarara; toy izany ihany koa ny tabataba amin’ny atoandro tsy misy antony voamarina ho ara-drariny. Voasokajy ho tabataba amin’ ny atoandro ireo kipantson’ny mpitondra fiarakodia tsy misy antony ara-drariny, ny hiaky ny mpanampin’ ny mpamily hiantsoana mpandeha»; ANDININY 86: «Ny lanonana rehetra na andro na alina na misy fahazoandalana aza, toy ny famadihana sy ny fora zaza, dia tsy maintsy mitandro ny fahasalamana sy ny fitoniantsaim-bahoaka».

Tsotra ny tanjona: «Lamina, pirina, rindra, ho an’Antananarivo!» (Mamalan-kira, 30 aogositra 2016). Na inona na inona ataonao, aza manelin­- gelina. Na an-trano, fa indrindra an-dalambe, na an-kafaliana, na an-karatsiana, na dokambarotra na propagandy, na fora, na famadihana, na vavaka, aza manelingelina !

Tsy voatanisa manontolo ao anatin’ny Fehezam-pitsipika eto Antananarivo-Renivohitra ny fanafintohinana rehetra, saingy ny tsara finiavana mahatsapa, ny olon-kendry mahalala, ny olom-banona vonona.

«Antananarivo tian-ko honenana, ka ny satan’Antananarivo, tsy ho arahina!» Izay tsy vonona hanaraka ireo, tsofina rano hiala eto Antananarivo-Renivohitra, ka aleo hanorimponenana any an-kafa raha misy fiaraha-monina, na aiza na aiza, afaka miorina ambony loto, anaty fako, sembatsembanan’ny fanelingelenana manafintohina, alokalofan’ny korontan-dava sy tabataba mankarenin-tsofina.

Tsy aritro averina eto ity «Mamalan-kira» tamin’ny 6 novambra 2019 ity, HAODY RY ANALAMANGAKO…

Antananarivo milamina, Antananarivo madio, Antananarivo mahate-honina. Dia ilay Antananarivo hitako anaty boky, mahatonga ahy mividy «carte postale», mahazaka maniraka ahy hikarakara «expo» mampiranty ireny sary ireny.

Hitantara(na) amin’ny zafy, zanaka, taranaka, ny hakanton’izany Analamanga fahizay izany. Satria marina, ary mampalahelo loatra, fa ireo zaza teraka tao anatin’izay efapolo taona lasa izay, tsy mahalala afa-tsy izao Antananarivo maloto, be tabataba, mikorontana, mifanitsakitro ary mitohan’ny «embouteillages» izao.

Izahay, taloha, nirahina nanary fako. Voahaja ny ora voafaritra hanariana fako, voahaja ihany koa ny fotoana fandraofana ny fako fa tsy misy fako mialon’andro lo sady mamofona herinandro ngarangidina. Ny daba-pako tamin’izany misarona sady mikatona fa tsy itony «fako afadrakotra» andihizan’ny lalimanga ankehitriny itony.

Izahay, taloha, niantsena teo Anjomà na tany Andravoahangy : ny voatabia, ny ovy, ny karaoty, ny anana samy hafa, ny voankazo rehetra, samy voatoko milamina eny ambony latabatra fa tsy misy ladina an-tany mifangaro amin’ny vovoka sy ny fotaka.

Izahay koa, taloha, nandeha «bus»: notaizana miandry sy miala eny amin’ny «arrêt» fa tsy isak’izao tokonam-baravarana rehetra izao mampijanona fiara mpitatitra manelingelina ny mpandeha hafa rehetra; nampianarina mitsangana raha vao misy olon-dehibe (na mitafy lamba na misatroka izy tamin’izany) na vehivavy bevohoka miakatra; naleo mihitsy aza tsy nipetraka tamin’ny seza miloloha ilay soratra hoe «toerana voatokana». Zavatra tsotra dia tsotra toy izany, fihetsi-panajana sy fahalalam-pomba tsara taiza.

Commenter

Ce formulaire recueille votre nom et adresse e-mail afin que nous puissions valider votre commentaire. Veuillez consulter notre politique de confidentalité afin de prendre connaissance sur la façon dont nous protégeons vos informations.
Je consens à ce que L'Express de Madagascar collecte mon nom et email..

Cliquez pour commenter

Voir aussi