Asa - Mikaroka fomba hikojana vatana i Bodo


Fanatsarana ny endrika amam-bika amin'ny alalan'ny vokatra voajanahary. Vao kely mihitsy Ramavoarifetra Bodo dia efa tia karokaroka sy tia namoron-javatra. Izay mikiry ihany no tafita. Tia manan­drakandrana sy mamorona zavatra efa fony kely Ramavoarifetra Bodo, ary fikolokoloana ny endrika amam-bika no tena niompanan'ny safidiny voalohany. « Mbola kely tany amin'ny faha 10 taonako tany aho dia efa tia karokaroka sy namorona. Nahavita nanao feta fanadiovana nify natoraly aho tamin'izany na dia tsy nisy nampianatra aza. Nafangaroko ny vovona arina fandrehitra sy sira nasiana karbonetra kely ary natambatra tamin'ny ravina amygdala izany. Taty aoriana rehefa nianatra tany amin'ny ambaratonga ambony aho vao fantatro ny asan'ireo zavatra natambatro ireo fa miaro amin'ny mikraoba sy manafotsy ny nify », hoy hatrany i Bodo. Tsy nitsahatra nikaroka hatrany izy ary rehefa nandroso tamin'ny fahatanorany dia nisafidy ny sampam-pianarana momban'ny simia organika teny amin'ny oniversiten' Antananarivo izy. Vitany tamin'ny faha 27 taonany ny fianarany ka nanomboka niasa tamin'ny orinasa maro izy taorian'izay. Tsy nihanona tamin'ny fahaizany fotsiny i Bodo fa nanohy ny fikarohana hatrany rehefa nahavita fianarana. Voajanahary Vokatra voajanahary mikojakoja ny endrika amam-bika maro no nataony toy ny savony, ranomanitra, kojakoja fanao amin'ny volo, labozia, sy ny maro hafa izay samy vita amin'ny ravin-kazo sy hodin-kazo ary ny zava-maniry misy eto Madagasikara avokoa. Tsy nanakana azy tsy hamokatra mihitsy ny fahamaroan'ny vokatra fikojakojana endrika amam-bika avy any ivelany. « Efa mahita ny hasoan'ny vokatra voajanahary ny Malagasy ka efa mirona sy manjifa izany ny ankamaroany. Aleon'ny olona kokoa mampiasa vokatra natoraly hana­tsarana ny endriny », hoy hatrany ny fanazavan'i Bodo. Ny fahaizany manokana miaraka amin’ny fiofanana nataony teny Ankatso, no namokarany. Ankehitriny na dia efa renim-pianakaviana aza i Bodo dia tsy mitsahatra manatsara ny asany hatrany ary efa manana orinasa famokarana vokatra fikojakojana endrika amam-bika mitondra ny anarana hoe « Natur'L » izy efa ho telo taona izay. Efa mampiofana ny tanora sy ny vehivavy any amin'ny faritra atsimon'i Madagasikara sy ny ilany atsinanan'ny Nosy izy hampitany ny fahaiza-manaony amin'ny Malagasy mpiray tanindrazana aminy izy. Fanomezana Rasolomahery
Plus récente Plus ancienne