Antananarivo anie Renivohitra


Raha ny sitrapon’ny olona sasany dia avelao amin’izao. Avelao haloto. Avelao ho maimbo. Avelao hikorontana. Avelao samy hanao izay danin’ny kibony. Avelao ho gaboraraka. Avelao ny mpivarotra hamelatra tsena ambony tetezana, eraky ny sisin-dalana, manoloana ny vavahadin’olona, ambany lavarangan’olona, anaty abribus, afovoan’ny arabe na hibahana hôpitaly (Befelatanana, ohatra) sy ny BMH aza. Mba niverina nandeha an-tongotra tao Analakely aho, rehefa tsy nandia tao nandritra ny dimy taona noho ny loto sy korontana ary fifanitsahan-kitro, dia nalahelo nahita fa nikatona tanteraka ny fivarotana Huo Kang. Tranombarotra firifiry, ara-dalàna ary manaja fandaminana, no maty voatampin’ireo mpivarobarotra ireo izay mbola sahy milaza aminao hoe «Mba akisaho kely ny fiara fa manakona tsena». Fa ny tranombarotra notakonany, tsy mba hitany. Satria angamba tsy manana vady aman-janaka ho velomina ireny tompon-tranombarotra ireny. Satria angamba tsy manana ankizy alefa mianatra ireny tompon-tranombarotra ireny. Satria angamba tokoa tsy «madinika» ireny tompon-tranombarotra ireny. Ny Arivolahin’Avaradrano, raha nanaraka an’Andrianampoinimerina niakatra teto Antananarivo, dia namela hafatra ho an’ny taranaka mba haha Renivohitra an’Antananarivo. Renivohitra fa tsy ambanivohitra tahaka ilay manodidina ny fasan-drazana any an-tanàna. Tanteraka tsikelikely tao anatin’ny roanjato taona izany ka nahasintona tonga teto ny vazantany efatra sy ny lafivalo. Izay miakatra Antananarivo, manantena izay Renivohitra-tsy-ambanivohitra izay. Tsy misy olona hiakatra eto ka te-hibata aty ny vovoka sy falafa, ny fahitra sy fisoko, efa nilaozana. Izay hasina Renivohitra izay no simba. Navela hanangana izay saim-pantany ny olona ka voazimba Analamanga mitondra ny Rova sy Manjakamiadana, hany ka ahiana tsy ho voarakitra vakoka UNESCO intsony. Navela nanaram-po ireo tompontrano nanova endrika ny Trano Gasy nanome endrika manokana an’Antananarivo tsy itovizany amin’i Port-Louis, Londres, Paris, Washington, Berlin (fa ireo no tanàna andafin’ny riaka nandalovan’ny iraka Malagasy tamin’ny taonjato faha-19), na Singapour sy Shanghai, ankehitriny. Navela hiakatra Renivohitra ny ambanivohitra sy ambanivolo rehetra tsy narahim-panabeazana sy fitaizana amin’ny fomba-Renivohitra. Tsy misy na aiza na aiza eto ambonin’ny Tany izany fitovian-tsaranga tanteraka izany. Saingy. Raha mbola fiarahana monina no tanjona, tsy azo avela ihany koa hisy hantsana be loatra amin’ny fari-piainana. Tsy dia hamotsotra ny gadra tao Bastille loatra no nampirongatra ny vahoaka tao Paris tamin’ny 14 jolay 1789, fa alahelo ny fiainam-bahoaka tsizarizary miaro fialonana ny «vie de château» tao Versailles. Isan’ny fanefitra, mbola tsara indrindra hita hatramin’izao aloha, dia ny fanabeazana. Ny mari-pahaizana tsy vidiam-bola no antoka tsara indrindra ho an’ny osa sy ny malahelo mba hahita mangirana. Tsy ny fahantrana vao mifoha no mampamoifo ny olona fa ny fahantrana enti-matory. Raha misy fanantenana fa mety ho hafa noho ny tamin’ny mangiran-dratsy ny hariva somambisamby, tsy hisy very fanahy mbola velona. Noho ny antony maro anefa, tsy fahaizana mitantana miampy fitiavantena sy fitiavankely, dia natao ambanin-javatra io fanabeazana tsy sandaina vola io. Raha misy sombim-panantenana fa hiara-hiakatra amin’ny fiverenan-kasin’Antananarivo ny fiainan’ny maro an’isa, ho isan’ny hanampy sy hanohana ny fametrahana lamina sy fandrindrana pirina ny tsirairay. Ny isam-batan’olona mantsy dia manantena, tia manantena, fa ho isan’ireo maro an’isa hahazo tombontsoa. Na tsy ho an’ny rehetra aza, tsara kokoa no mino lalandava fa ny hafa hatrany no ho ankilabao. Fepetra maha-olombelona.
Plus récente Plus ancienne