«Kolonolona» sa Fokon’Olona ny Vazimba ?


Lava sy manahirana ary manalasala raha ny resaka Vazimba. Tantara sa angano ? Hoy ny Rangahy iray, tafaresaka tamin’i Mompera Callet (izay nonina teto Ankibon’Imerina tamin’ny 14 aogositra 1864 ha katramin’ny 30 mey 1883) : «Mba tokony ho marina tokoa, fa nisy Vazimba taty tamy ny taloha ; koa tsy mba angano daholo ny tantara rehetra nolaizainy ny olona aminy ny izany, arak’izay filazany ny sasany manao izany ho angano ihomehezana» (Tantara ny Andriana, takelaka 8). Manalasala : lazaina fa fohy tapak’olona ny Vazimba, anefa Rapeto dia Vazimba (TA, 15, 16, 17), ary Vazimba ranjanambe satria indroa mandingana hono izy dia tonga etsy Ambohidrapeto, tsy lavitra an’Analamanga-Antananarivo, anefa izy amin’io avy any Ambohimiangara-Itasy (TA, 17, naoty 1). Mbola io Rapeto io ihany no nahavita ny farihy mbola antsointsika hoe Itasy, fa «Tasianaka» hoy ny taloha, izay mazava be fa teny avy any Malayzia-Indônezia hoe «tasik». Ny vadin-dRapeto dia Rasoalao, ka tao Tasianaka no rano fisotron’ny ombiny izay mbola natao hoe «jamoka» (TA, 16, naoty 2 ; TA, 239). Jamoka tena haolo satria tsy misy trafo ary tsy mitera-dronono. «Vache sacrée» araka ny finoana Hindoa ve, ka izay no nisy filazana hoe tsy nihinana jamoka talohan’ny nahitan-dRalambo ny omby ? Sa mitovy sata amin’ny omby tao Fanongoavana, tany amin’ny taona 1330, ka nomena fahitra avara-tanàna, satria fanao sorona fa tsy foto-tsakafo ? Ny fikarohana arkeôlôjika mantsy dia milaza mazava fa roanjato taona talohan’Andriamanelo dia efa niasa vy teto Imerina ary taloha lavitran-dRalambo dia efa niompy omby ihany koa (David Rasamuel, «L’ancien Fanongoavana», 1984) : fanontaniana fotsiny hoe, ilay taona 1330 heverina fa nanjakan’Andrianamponga tao Fanongoavana ve mbola «Faha-Vazimba» sa efa «Faha-Merina»... Fanongoavana, lazain-dRaombana (nanoratra taona 1853-1856) hoe tanàna voalohany niorina teto Imerina (sa tamin’ny faha-Merina) ary nipoiran’Andrianam­ponga : fa Andrianahitrahitra nialoha azy, mbola Vazimba sa efa Merina-Malay (Rainitovo, «Tantaran’ny Malagasy manontolo»,1930) ary Andrianalinalina, ary Andrianizinizina, ary Andrianjavonjavona, ary Andrianerinerina, ary Andrianoranorana, ary Andriandravindravina ? Izany firafitra anarana misosona izany, moa tsy mbola fomba avy any Malayzia-Indônezia ihany indray ? Rapeto, hono mpamboly mihosy tanimbary (TA, 239) : fa moa tsy efa izany ny «riziculture irriguée», izay nahitana vavolombelony ihany koa tao Fanongoavana ? Ka efa nahay vary an-drano izany ny Vazimba fa tsy hoe homam-boamanga sy saonjo fotsiny. Rasoalao vadin-dRapeto, hono, mpiompy ary hoe izy no niompy kisoa voalohany (TA, 16, naoty 2). Toa manamarina hatrany ny filazan’ny arkeôlôgy izany : «Ces os de potamochère (identique au cochon sauvage d’Afrique orientale) n’ont jamais été retrouvés dans des sites autres que ceux qui contiennent des déchets d’animaux domestiques» (Robert D ewar, «Écologie et extinction des subfossiles de Madagascar», Taloha 10, Revue du Musée d’Art et d’Archéo­logie, 1886, p.27) ; «la consom­mation des suidés semble se concentrer sur les hautes terres, à Ambohimpanompo, à Analamanitra et Ambohimanana. Cette situation est loin de la réalité dans la mesure où le tableau ne comptabilise que les sites où l’on a découvert de restes de suidés. Or, le potamochère est un animal largement répandu à Madagascar. Il est donc vraisemblable qu’il a été consommé un peu partout dans l’île» (Rafolo Andrianaivoarivony, «L’alimentation carnée chez les anciens Malgaches», NCAA, n°5-6, 1987-1988, p.22). Raha misy vehivavy tsy mahazo zaza, hono, dia manoso-menaka ny vatom-bazimba sady miantso hoe : «Ianao, Andriamanitra tompon’ny Tany» (TA, 8). Andriananjavonjavona, hono, nanambady an’Andriambavirano, izay ravinkazo avy any an-danitra latsaka anaty fariry an-tampon’Angavo. Niteraka and-dRazanahary ry zareo izay milevina etsy an-tampon’Ambohi­jana­hary ambony atsimon’i Mahamasina ary «tonga Vazimba ao» (TA, 13). Ranoromasina, rehefa nisitrika ao Andranoro, «dia Vazimba ao izy» (TA, 240 sy 309). Ary amin’ny fanononana, dia Ampandrana, ambany andrefan’Ambohitraina, no antsoina aloha, «mbola Vazimba voalohany izany, mbola tsy nisy Fanjakana» (TA, 13) ary raha misy kianja avokoa ny tendrombohitra roambinifolo sy vatomasina eo andrefan’ny Tranomasina anatin’ny kianja, «Ampandrana tsy misy, iny amorondrano, efa Vazimba ny razana ao» (TA, 600). Ary ny eto Anatirova Antananarivo : ny vatomasina teo atsinanan’i Besakana sy ny Fitomiandalana... Ireto avy ny toerana sivy Vazimba eto Antananarivo, araka ny Tantara ny Andriana (TA) sy ny Firaketana : Ampanobe (ambany atsinanan’Ambohipotsy, manakaiky ny route circulaire) ; Andohamandry (anelanelan’Ambo­hi­potsy sy Ampanobe), Ankatso (faran’ny vohitra atsimo-atsinanan’ny Oniversite) ; Ambatomandondona (io vatobe misy trano tazana mivantana avy eny amin’ny Oniversite io) ; Ambohidempona (misy ny «Observatoire») ; Ampamaho (voalaza fa misy ny Fasan’Andriam­pirokana, mpanjakan’ny Antehiroka : ny Firaketana (I, 341; I, 552) sy ny Tantara ny Andriana (TA, 308, naoty 1) milaza fa ao Ambatobe, na Andafiavaratra ankehitriny, no misy io fasan’io) ; Ambohijanahary (eo ambony atsimon’i Mahamasina) ; Andraisoro ary Andravoahangy : firy amin’ireo no mbola azon’ny siansa hiasana hampitombo ny fahalalantsika ny Tantarantsika ? Efa ho 43 taona izao, fara fahakeliny, no velon-taraina ny arkeôlôgy mba hitandrovana ny toera-manan-tantara eto Antananarivo-Renivohitra : «En ce qui concerne les sites vazimba de Tananarive, leur exploitation présente un caractère d’urgence beaucoup plus grand que les autres pour la raison qu’ils sont beaucoup plus que les autres menacés de destruction du fait même des progrès rapides de l’urbanisation. Nous souhaitons donc que des mesures soient prises sans tarder, d’une part pour protéger ces sites par des dispositions réglementaires adéquates et, d’autre part, pour en faire l’étude complète, après quoi ils pourront être livrés aux bulldozers s’il y a lieu. Les éléments d’élucidation de l’histoire des proto-malgaches sont trop rares pour qu’on les laisse gaspiller par pure négligence» (Georges Lejamble, «Quelques directions de recherche pour une archéologie des Vazimba de l’Imerina», Taloha 7, Revue du Musée d’Art et d’Archéologie, 1976, p.93). Ankoatra ny hoe «fady» ny manao arkeôlôjia ny ati-fasana, mihatery ihany ny lalan-kombana, mihasimba ihany ireo vakoka, mihavery ihany ny fitadidy. Ny asa goavana toy itony hoe Fanarenana ny Rova itony dia tokony hararaotina hanomezana sehatra aloha ny mpikaroka vao miroso ny mpanao trano. Tsy ho feno mihitsy ny Tantarantsika raha tohizana izay niseho tetsy Imerimanjaka ka izay farihy tao avaratra mety ho nisy ny lakana mifanongoa alevina ambany lalamby na totofana ambany by-pass anefa tsy natao ny «archéologie préventive».
Plus récente Plus ancienne