«Midera ny ratsy, manambany tena ; mankahala ny tsara, be fialonana »


Hahafahana mamaritra tsara ireo mpikarama an’ady politika (MAP*) nahita antom-pisiana amin’izao ankatoky ny fifidianana izao io oha-pitenenana io. Amin’ny lafiny maro tokoa mantsy ankehitriny no hiseharan’izy ireny. Any amin’ny haino aman-jery rehetra any, eny amin’ny tambazotran-tserasera eny, anaty fikambanana maro samihafa, amin’ireny antokotoko sy vondrombondron’olona misora-tena ho vahoaka ireny, anaty fiangonana sy sekoly maniry ohatra ny anana any anelakelan-trano rehetra any… Omena, ary mahazo vahana tokoa ireny MAP ireny raha amin’ny sehatry ny haino aman-jery fotsiny no asian-teny, satria ny kibo noana tsy maintsy fahanana, ary diso fantatra loatra ny elanelan’ny vola kirakiraina eo amin’ny mpampita vaovao sy ny mpamorona tsaho. Raha noana tokoa mantsy ny kibo, mivezivezy ny fanahy ary izany no araraotin’ireto mifanahim-biby manatosaka vola etsy sy eroa hanaro-nana ny maloto sy handrendrehana ny mendrika. Tsy misy fahamenarana intsony fa dia foronina ity atsanga tsy aman’orana rehetra ity handotoana izay heverina ho fahavalo, etsy andaniny moa dia misy hatrany ny voatapi-maso jamban’ny vola ka mialokaloka amin’ny hoe « araky ny vaovao mari-pototra », rehefa iny hanaparitaka lainga sy fanaratsiana ranoray iny. Izy ireny ihany koa nefa no mahasahy ary mahavita miaro ho ren-tany ren-danitra fa, tsy azo (n)ialana ny fanonganam-panjakana ary azo averina raha toa izany ka ilaina, nahafahana niantoka ny fahaleovantena (ara-bola) an’i Madagasikara ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena nandritra ny tetezamita, fitiavan-tanindrazana no nanakorontanana ny firenena sy namotehana tanteraka ny toe-tsaina sy ny soatoavina malagasy… Mampanongo tena rehefa malagasy no manenjika malagasy toa azy, satria hita ho mamiratra sy mahomby ny zavatra ataony. Mahonena rehefa mpanao gazety heverina ho matihanina izao no manao ny ainy tsy ho zavatra hanenjehana ny fahavalo politikany, ka tsy misalasala manoso-potaka izay rehetra manodidina azy, havana, namana… fa indrindra vady andefimandry. Tsy mety afaka amin-dramalagasy rahateo ny hevi-draikitra hoe « entin’ny vadiny amin’ny sangany ny lehilahy » rehefa tsy mivatravatra sy mizahozaho indrindra moa rehefa tsy ratsy izay ravehivavy. « Izany ary no zava-misy, mahonena nefa indrisy » hoy i Raoül tao amin’ny tarika Mahaleo, kanefa inoako tsy ho hadisoana ny hisarika ny sain’ny manam-panahy, tsy faharesena ny manaiky ny marina ary tsy fahalemena ny manaiky ho diso… Ho maro mpitsipaka izany hevitra izany, ka izay indrindra no namaritako mialoha hoe ho an’ny manam-panahy. par Bozy Rakoto
Plus récente Plus ancienne