Teny zato


Raha ny tantara mahazatra, sady heno matetika, indrindra amin’ny olona tsy mahay Tantara, dia «tamin’ny andron’Andrianampoinimerina» avokoa ny zavatra rehetra. Andrianampoinimerina, ilay Mpanjaka fanta-daza indrindra tamin’ny Tantaran’Imerina, eny, fa na amin’ny Tantaran’i Madagasikara aza, dia heverina ho nahavory an’Avaradranon’Imerina sahabo taona 1785. Heverina ihany koa fa ny taona 1792 (fito taona) no nahavitany naka an’Antananarivo, izay teo am-pelantanan’Andrianam­- boatsimarofy (nilefa Antsahadinta). Ny vakin’ny sorabe, navelan’ireo Antemoro-Anakara natsoin’i Nampoina hanolo-tsaina azy, kosa no ahafan­- tarana fa taona 1802 no nanambarany ilay teny fantadaza hoe: «Ny ranomasina (sa ny riaka) no valampariako (fa tsy hoe farihiko)». Ny vakin’ny fitantaran’ireo Vazaha nitoetra tao Toamasina, izay efa nifanerasera ela tamin’Avaradrano (andriana sy hova), no ahafantarana marina fa taona 1810 no niamboho (tetsy Ambohipo) Andrianampoinimerina. Andriamanjaka nahavita be tokoa raha Andrianampoi­- nimerina. Nahavory ny «Imerina Enin-Toko» nihoatra ny «Imerina Efa-Toko» tanterakin’Andriamasinavalona, dadaben’i dadabeny. Nahavita tena nahavita, hany ka tsy latsaka am-bavan’ny mpitantara. Nahavita loatra, ka zary hahavery tadidy ny roanjato taona (fotsiny) nanasaraka azy tamin’Andrianjaka sy ny zato taona (latsaka) nialohavan’Andriamasinavalona azy. Ny teny, mandalo. Ny soratra, mitoetra. Tsy nanana soratra sy abidia niraketana ny asan-dry Andriandra­- vindravina sy Andrianerinerina ary Andrianoranorana (fomba indoneziana ny mamerina indroa ny teny: entimilaza hoe maro isa na an-taona maro). Saingy, tsy azo heverina kosa fa namatam-poana ry Andriamanelo nilaza ho nandimby ny Vazimba, taonjato faha-15. Misy boky tokony ho soratana, manome vahana ny arkeôlôjia, mbola hany taranja ahafantarana tsara indrindra ny an-kibon’ny tany. Mbola misy boky avela ho lova hampindranfindrafetana ny lovatsonfina isankarazana, isan-toko, isam-poko. Mbola misy tahiry, isam-pianakaviana, tsara raha lovain’i maro fa tsy levon’ny hambom-po diso toerana. Ny hambom-po, ho vita ihany, fa ny vakoka aleo ho lo toy izay ankavana. Ny Ntaolo talohan-dRalambo, Mpanjaka lazaina ho «nahitana ny omby», ve nanaja sy fady ny omby tahaka ireo Hindu avaratra-atsinanan’i Madagasikara? Fanontaniana mahaliana. Roanjato taona («fotsiny» na «mantsy») aty aorian’ny nahalavo ny «FitondranaMpanjaka-Ifandovana», vitsy sisa mahay Tantara: «angano, angano; arira, arira».
Plus récente Plus ancienne