Mamalan-kira indray VANF : Telo sy efatra ihany


Hiran-dry Iraimbilanja izany, efa telopolo taona lasa. Zaza enina, fito, valo, sivy, folo Be loatra Iray no roa Toa vitsy loatra Telo sy efatra izay no antonony Telo sy efatra ihany fa vitsy ny ambanin’izay Telo sy efatra fara fahamboniny fa be ny mihoatra an’izay Ohabolana adala efa hita izay maharatsy azy ny hoe «miteraha fito lahy sy fito vavy». Izao no vokany : vahoaka sesehena tsy zakan’ny isam-pandriana any amin’ny hôpitaly ; ankizy madinika tsy ampy sakafo manimpona ny EPP efa tsizarizary ; afaka bacc maro dia maro mody mpianatra mameno isa ny mpanao grevy mpitaky bourses eny amin’ny Oniversite ; olona an-hetsiny tsy mahita asa ; mpivarotra an’alin-kisa mibahana anaty arabe. Miteraha fitolahy sy fitovavy dia izao mifanitsa-kitro izao. Ny tanàna tsy nihitatra tamin’ny habeny enimpolo taona lasa, ny mponina nitombo roapolo avy heny. Trano, tatatra, arabe, ho an’olona dimy hetsy no isitrihan’ny olona roa tapitrisa... Ny tsena Alakamisy etsy Mahamasina, efa hatramin’izay no tsenan’ny tena Tantsaha : karazam-bary teratany efa tsy fahita (rojofotsy, kalila, roka, sns), anana samy hafa efa tsy fandre (anapatsa, anamafaitra, anatsinahy, dimbinantsy, telorirana, ngitakely, sns), voankazo marevaka maro loko, patsa sy trondro maina, ovy, voatabia, vomanga, saonjo, katsaka, tsaramaso, voanjobory. Difotry ny friperies anefa ny vokatry ny tany. Friperies sady maharatsy endrika izay topaza-maso, kiraro sy akanjo tonta fakoina any Andafy fatiantoka ho an’ny orinasa malagasy mpanao kiraro sy mpanjaitra lamba. Iza no zones franches mampitobaka ireo akanjo amin’ny taonina ireo ka hirohotan’ny olona isan’andro etsy Analakely-Tsaralalàna ? Iza no Ministera nanome alalana idiran’ireo friperies entin-tsambo ireo ? Iza no orinasa (gasy, karana, sinoa, vazaha) mpizara ireo enta-madinika sy manarama ireo mpivaro-mandeha? Saziana ny mpividy sy ny mpivarotra amoron-dalana. Arabe ho an’ny fiara sy ny moto, sisin-dalana ho an’ny mpandeha an-tongotra, tsena ho an’ny mpivarotra. Fa Ministera iza no tokony hanara-maso avy aiza daholo ireo miakatra Renivohitra isan’andro ireo. Ary Ministera iza no tokony hametra ny fiterahana isan’ankohonana. Ministera iza koa no tokony hitaiza ny Antenimiera mpandany lalàna fa miankina aman’aina ny fanalalahana ny fanalan-jaza manara-penitra fa tsy mifikitra anjambany amin’ny fitolahy sy fitovavy tamin’ny andron’i Dadaben’i Dadabe. Fitolahy sy fitovavy mameno trano ary manimba ny mari-trano gasy mampiavaka an’Antananarivo (sy Antsirabe, sy Ambositra, sy Fianarantsoa, sy Ambatondrazaka, sns) efa ho 150 taona izao : ny rindrina tovatovanana, ny tandro-trano lasa petakorona. Satria efa tsy ho fitolahy sy fitovavy hamboly sy hiompy amin’ny Antanambao naorina amin’ny Lalam-pirenena faha-4. Satria efa tsy ho fitolahy sy fitovavy hangady sy hanetsa ny tanimbary tototry ny «remblais». Satria efa ho fitolahy sy fitovavy handripaka ny alan’Ankarafantsika. Miteraha fitolahy sy fitovavy ho Quat’mi hanorim-ponenana an-dabam-pako. Miteraha fitolahy sy fitovavy hatory ambany tunnels Ambohidahy sy Ambanidia. Miteraha fitolahy sy fitovavy hiondrana hanandevo-tena any amin’ny Arabo sy ny Sinoa. Zaza fitolahy sy fitovavy, dia ireny zokiny zara valo taona mitrotro menavava enti-mangataka hampangorahana ny mpandeha : fa sady mampalahelo no maha-romotra. Fitolahy sy fitovavy : vahoaka be loatra tsy velon’ny raiamandreniny miteratera-poana ka mitsindroka miady sisan-kanina amin’ny alika mpirenireny. Fiovana teo-tsaina goavana : telo sy efatra ihany mba tsy hahalany tamingana fa mihabo iray ny hoa-piterahana (excédent démographique). Izany fitolahy sy fitovavy isaky ny reny miteraka izany, hahafaty an’Antananarivo, hahaosa an’i Madagasikara.
Plus récente Plus ancienne