Fahatsiarovana


«Boucherie du Zazamarolahy» : mbola tadidiko io soratra teo amin’ilay fivarotan-kena tetsy Besarety taloha io. Tsy lavitra azy teo, raha tsy teo an-tokonany mihitsy aza, nisy «borne kilométrique» : PK3. Lalam-pirenena tokoa moa Besarety... Rehefa nandeha an-tongotra hiantsena any Andravoahangy, avy any Ampandrana, «rue Jean Andriamady», dia nandalo ilay «Poste de police» tamin’ny ankavanan-dalana. Tsaroako toa nisy mpivarotra sinoa maromaro ny toerana tamin’izany. Teo alohaloha teo, mbola tratrako nisy irony fantsika lehibe varahina irony nitsatoka tamin’ny arabe mamaritra ny faritra azon’ny mpandeha an-tongotra miampita : varahina mangirana sy manify diavin’ny kodiarana isanandro. Ny bus mpandeha tamin’iny lalana iny, tsy tsaroako intsony raha «Super Goëlette» na tsia, fa ny lalana izorany anelanelan’ny primus sy terminus dia voatanisa teo amin’ny handrin’ny fiara izay voatsilon’ny jiro ka tazan-davitra. Nisy «arrêt bus» nanodidina teo fiandrasana azy handalo. Rehefa ao anaty bus, nisy ny nitsangana, nisy ny nipetraka. Ambony nifanandrify tamin’ny seza sasany, nisy soratra hoe «Toerana voatokana». Ny zokiolona sy ny bevohoka ary izay nitaiza kely, no nomen-dalana hipetraka taminy. Nahavatra nitsangana ny olona izay efa nahazo toerana vao miakatra ny fiara fotsiny ireo karazana mpandeha ireo. Toerana voatokana tsy mba fidongy fa nahamenatra ny fangarihan’ny olona sy ny tondro-molotra. Tamin’izany fotoana izany, mbola nitafy lamba ny vehivavy : ny renibeko roa tonta (ka satria avy amin’ny Ray sy ny Reny) sanatria mihitsy izay hivoaka ny trano ka hitena akanjo. Ry dadabe tsy maintsy nisatroka. Zavatra kely sady tsotra saingy nanajan-tena fatratra. Fanajan-tena, fanajana ny hafa, fahalalam-pomba. Zavatra madinika saingy nampirindra ny fiaraha-monina. Tsy hoe tamin’ny andron’i Gallieni anie izany, fa vao dimiambiefapolo taona lasa. Mbola velona ilay Dadatoa izay, teraka tao an-dapan’Andafiavaratra izy tamin’ny 1892 : nasiatsiaka tsy sahinay ankizy, indrindra izao nandramany nampianarina piano. Raha fantatro, tsy ho nandosirako izy fa mainka aza ho nampiresahako izay mba kely tsaroany mialoha ny nahatongavan-dry Gallieni teto, tamin’ny 1896. Hevero anie izany olona teraka fony mbola faha-Ranavalona III, nifanerasera tamin’Ingahibe Rainilaiarivony izay dadan’i dadabeny. Mety nitazan-davitra ireo fiara voalohany tafakatra teto Iarivo. Nanatri-maso ny fandravana ireo tranon’ny Zanakandriana sy ny Lehibe nanodidina an’Andohalo nametrahana ireo tranobe mijoalajoala ireo : isan’ireny ny «Lycée Gallieni» taty aoriana. Nitety ny Fanjanahantany manontolo, nandritra ny 64 taona : 1900, nandevina ny taolambalon’i Praiministra Rainilaiarivony tetsy amin’ny fasam-pianakaviana, Fasan-dRainiharo, etsy Isotry (fa Ambodin’Isotry ny ery ambany anaty rano) ; 1938 : nitsena ny taolambalon-dRanavalona III ary niara-nanemitra ny lalana Soarano hatreny Anatirova tahaka ireo vahoaka an-hetsiny teto Antananarivo, izay efa tsy Merina-Ambaniandro fotsiny ihany tahaka izay mbola endrik’Ankibon’Imerina ny taona 1897 nandaozan-dRazafindrahety mandrakizay an’i Manjakamiadana, Antananarivo, Ambohimanga, Imerina, Madagasikara. Azo heverina ho nifaly niaraka tamin’ny Malagasy maro, samy tsy nanampo, izay ho kizo halehan’ilay «Fahaleovantena». Nandalo ny Repoblika voalohany. Asa na henony hatreny Ambaniala-Itaosy ny korontan-drotaka tamin’ny 1972. Dia ireny Repoblika Faharoa ireny. Namela soratra izy, saingy Tantara taloha fahagola. Asa izay eritreriny, tsy maintsy nampitaha ny zava-bita «tamin’ny andron’ny Vazaha» sy ny fahalovana noho ny «fanjakan’ny madinika». Izao, taona 2020 : ambenana polisy ny olona mba tsy hiampita amin’izay tiany ; sakanana polisy ny fiara mba hanaja mpandeha an-tongotra miampita ; enjehina polisy ny mpivarobarotra mba tsy hidongy sisin-dalana ivelan’ny tsena tsy tiany hidirana. Tsy eo Mahavoky-Besarety intsony ilay «Poste de police» taloha. Isak’izay mandingana mijanona tampoka ireo taxibe efa taingimbe manemitra sy mibahana ny fifamoivoizana etsy Besarety. Tsy hitako etsy Besarety intsony ilay soratra «Boucherie du Zazamarolahy».
Plus récente Plus ancienne