Antananarivo : tsy ho omby an’Imerina, tsy hahazaka an’i Madagasikara


Telo amby enimpolo taona lasa ny tondra-drano marsa 1959. Saika efa lasa ohabolana miharo angano ny hoe «tamin’ny 1959» raha tsy nisy iny safo-drano tamin’ny janoary 2022 iny. Septambra 2023 : mampatsiahy indray ny APIPA (foibe miaro an’Antananarivo-Renivohitra tsy ho fefika rano) fa tsy azo atao ny «remblais» : ohatran’ny tsy dia manirery loatra ianao rehefa misy APIPA mba mampatsiahy izay ventesin’ny tena, isan’andro, efa ho telopolo taona. Dimanjato tapitrisa toratelo (500.000.000 M3) ny habetsahan’ny rano nanarona ny lemak’Antananarivo tamin’ny 1959. Farihy dimy ohatran’i Tsiazompaniry izany no niforona teo ampototr’i Manjakamiadana. Ranobe mangeniheny. Vita-Nanahary ho tondrahan’Ikopa sy Imamba io lemaka io. Dimanjato taona naha tanimbary an’i Betsimitatatra, mbola tsy niova ny anaran-toerana izay efa sarin-toe-tany sahady : NOSI-patrana, NOSI-zato, NOSI-arivo, Am-FEFILOHA, Soa-RANO, Ankoron-dRANO, An-dRANO-bevava, Andava-MAMBA, An-TOHO-madinika, Ankadi-TOHO, ets. Ary hatramin’izay no navelan’ny Ntaolo ho an’ny fambolena ny faritra iva fa izy niteronterona teny amin’ny vohitra rehetra tsy tratran’ny rano. Soavina, lemak’i Sisaony, Fokontany An-KENIHENY amin’ny faritra indrindra hoe Ambodi-RANO : toerana tena misy izany, ary miteny ho azy ny anarana. Fomba tsy fanaon’ny taloha velively izany monina amin’ny heniheny ka hanana rano ankitrokely mandavataona izany. Tamin’ny 1 janoary 1909 no nigadona teo ampototr’i Soanierana ny lalamby niala avy any Brickaville. Dia notohizana Ampefiloha, Soarano, tonga hatrany Ankorondrano-Alarobia. Nanomboka tamin’izay ny fanitaran-kevitra tamin’ny lemaka andrefan’Antananarivo. Mitohy mandrak’ankehitriny izany «fanitaran-kevitra» izany : avaratra, atsinanana, atsimo, andrefan’Antananarivo-Renivohitra. Ny fanotofana etsy Ankorondrano-Alarobia dia efa hifampitohy amin’ny eny Andraharo. Avy eo Andraharo dia hanita-kevitra hamonjy ny «Village Voara» nisy ny Francophonie. Ka tsy afa-po amin’ny «remblais» raha tsy mipaka amin’ny route-digue. Ho totofana avokoa miala any Iavoloha ka hatrany Andranotapahina-Ambohidratrimo. Ho totofana manontolo Laniera. Ho totofana izay rehetra manolotra sy manodidina ny bypass sy izay lalam-baovao rehetra manapaka an-tanimbary. Ireo «lalam-baovao» ireo dia mainka misarika olona hiditra ilay Antananarivo-Renivohitra efa mizaka ny tsy eran’ny ainy. Raha vao vita ny fitokanana dia falifaly hoe vetivety dia tonga Antaninarenina avy any Iavoloha, na tafakatra haingana Mahamasina avy any Ambohimangakely, na tafiditra ara-potoana eny Ankatso anefa mipetraka any Ivato. Volana vitsy monja dia foana izay «tombony» izay satria mitombo isan’andro ny isan’ny fiarakodia ary indrindra ny isan’ny mponina mamonjy an’Antananarivo-Renivohitra : tsy tapaka «embouteillages» sahady ilay lalam-baovao nantenaina hitondra fahagagana. Ny tanimbary anefa nosimbaina, ny lakan-drano notapahina. Tsy Antananarivo-Renivohitra ihany no simba satria ny aretina nanimba an’Antananarivo dia efa mifindra amin’Avaradrano, Vakinisisaony, Ambodirano, Marovatana. Ny Faritra mitaraina ho tany efitra noho ny fivangogoan’ny zava-drehetra eto Antananarivo-Renivohitra. Antananarivo-Renivohitra ihany koa anefa sempotra noho io tsy fisian’ny fitsinjarana sy fanapariahana io. Mila fandinihina izay ho atao eto Antananarivo sy hanaovana an’Antananarivo. Ny vohitra foibe sy ny dongona manodidina azy efa hipoka. Tsy tanàna arivo intsony, fa efa tanàna alinalina. Tsy afaka mihoatra an’izao, ary tsy hahazaka ny mihoatra an’izao, raha tsy hoe iniana ho potehina hatramin’ny farany. Antananarivo : tsy ho omby an’Imerina Enin-Toko, ary tsy natao hampiantrano an’i Madagasikara manontolo.
Plus récente Plus ancienne