Telo sy efatra ihany...


Mampalahelo ny nahazo ireo ankizy 10, 6, 3, 2 taona ary dimy volana maty niaraka, sempotry ny saribao tao anaty torimaso. Zaza dimy samy mbola kely no zanak'izy mivady: 10, 6, 3, 2, 1 taona. Vohoka misesisesy, vohoka maromaro. Efa ela no fantatra fa mamizana ny Reny no sady mamparefo ny zaza. Fianakaviana tsotra, mba tsy ilazana fa sahirana, ity niharam-boina tany Sahanivotry ity. Tanàna ambanivohitra any Vakinankaratra, lalovan'ny lalana Antsirabe-ManandonaAmbositra. Ity Sahanivotry ity indrindra no nanorenan'ny orinasa Hydelec toha-drano mamokatra herinaratra, mba hialana indrindra amin'ny fampiasana saribao, fanapahana hazo, fandripahana ala. Anisan'ny tetikasa tamin'izany ny fambolena hazo an'hetsiny: enga anie ka tsy efa lasa navadiky ny olona saribao sahady izay hazo mba voatsatoka ka vanona, tahaka izay fahita matetika loatra amin'ny «site de reboisement» maro dia maro (ny an'ny MTP miaraka amin'ny Lions sy ny GTZ etsy ambadik'i Masindray sy Imerikanjaka no hitako farany, vao herinandro, potika, sanatria natao ankasomparana, tsy misy firaharahiana ny fahasahiranan'ny hafa). Fanontaniana: ny fahantrana ve no mahatonga ny olona hiteraka maro loatra, sa ny vesatry ny zaza maro loatra no mitarika ny fahantrana? Raiamandreny efa sahirana, ahoana moa no ahafahany manome sakafo tomombana sy fampianarana sahaza ny zanaka mitombo isan-taona? Ho an'ny firenena indray, olompirenena handatsa-bato tahaka ny inona raha tsy salama sady tsy ampy fanabeazana sy fampianarana? Moramoraina amin'ny kabary manodidina ny fandrindrampiterahana ity resaka fihazakazaky ny fitombon'ny mponina ity, anefa hiantoka ny ho avin'i Madagasikara atsy ho atsy. Ny firenena hafa sarotiny amin'ny fahasalaman'ny olony, mitandrina ny hahazoan'ny maro indrindra fitaizana sy fanabeazana ary fampianarana tsara indrindra. Ny Malagasy tamin'ny enimpolo taona lasa malaza, ary fantatra, fa mahay kokoa noho ny Malagasy noventesina fa «tompon'ny taona 2000». Ny Malagasy maro an'isa indrindra afaka folo na roapolo taona, mbola hiha-dondrona kokoa indray ka fanambakan'ny mpanao politika hatrany hampivarilavo tanteraka an'i Madagasikara sa tsia? Vokatry ny tsy fahampian'ny fitaizana sy fanabeazana ary fampianarana no mahatonga izao fiarahamonina efa tsy mifampitsinjo ary mbola hifandrafy izao. Tafiditra eto avokoa izao karazan'olona tsy fantam-pihaviana rehetra izao anefa isika tsy sarotiny miaraka. Misisika eto daholo izao fomba tsy hay rehetra izao, anefa isika tsy mitovy tsangambato ho arovana miaraka intsony. Ny vohitra niaro tena tanaty hadivory. Ny tanàna nifampiaro tanaty tamboho. Ny Malagasy afaka mifampiaro anivon'ny riaka. Saingy. Zaza am-polony tsy ara-pahasalamana no sady tsy ampy fitaizana-fanabeazana-fampianarana, alahelon'ny Raiamandreny fa vesatra sy loza mihantona ho an'ny Firenena. «Telo sy efatra ihany», hoy ny hiran-dry Iraimbilanja. Tanety lava misy hisainana tokoa angamba fa efa ho efapolo taona aloha izany hira izany.
Plus récente Plus ancienne