Volan’ny Paositra (fa tsy CNAPS)


Misasaka ny volana jolay, migadona indray ny fangalan’ ny Be-antitra ny volan’ny «pension». Efa niaraha-nahita an-taona maro ny fijalian’ireo raimandreny jihitry ny hatsiaka na danin’ny masoandro, an’ora maro tetsy amin’ny Trésor Antanina­renina, izay vao nahitana vaha-olana mba mitsinjo ny fahasahiranan’izireo arataona. Isan’izany vaha-olana izany ny fanapariahana ny maso-ivoho. Tao amin’ny «Perception» tao Ambohi­dratrimo tao, 18 kilometatra fotsiny miala eto Antananarivo izany, nisy ity Rangahy efa fitopolo taona: monina any Imeriman­- droso izy, tanana andrefan’Ambohimanga sy Ambatoharanana; noho ny fihibohana ara-pahasalamana, dia tsy misy taxibrousse ka dia roso izy nivoy bisikileta hatrany Ambohidratrimo. Ohatran’ny azo an-tsaina ny tanàna kely manodidina, amin’iny faritra iny: Imerimandroso, Alatsinainy, Ankosy, Anjomakely, Fiakarana, Croc Farm, «Bout de piste»... Vovoka firy kilometatra marina moa izany, ary alàna adin’ny firy mandroso sy miverina... Ny tena fitopolo taona, mitondra vola, mandeha irery... Fony Andrianampoinimerina (Mpanjaka niamboho 1810), Imerimandroso dia sisintany andrefana indrindra tamin’Avara­drano. Taty aoriana moa izany, dia natao ho sisintany atsinanana indrindra amin’ny Marovatana, izay Ambohidratrimo no efa Renivohitra na fony mbola faha-Mpanjaka, na nandalo ny Fanjanahantany, na mby tamin’ny Fivondronana sy Firaisana ary Fokontany, samy teny gasy madio, vao tonga amin’izao fandaminana ho Distrika sy Kaominina izao. Isan’ireo «Communes rurales» efatra amby roapolo (24) ao anatin’ny «District Ambohidratrimo» izany izao Imeriman­- droso. Hatramin’ny 22 mey 2020 teo, dia misy fifanarahana eo amin’ny Paositra Malagasy sy ny IMRA (Institut Malgache de Recherches Appliquées) ho fanaparia­- hana ny CVO manerana ny Nosy: Talen’ny Paositra no jejo miteny fa ny an’ny Paositra no tambazotra lehibe indrindra mahenika an’i Madagasikara. Tany amin’ny 45 taona lasa dia natao fanamby ny hoe «Sekoly Fanabeazana Fototra iray isaky ny Fokontany». Adino teny an-dalana, ary tsy tao an-dohan’ireo fitondrana rehetra nifandimby moa, ny fanatevenana izany: «CSB iray isaky ny Fokontany», «PTT iray isaky ny Fokon­- tany»... Raha ny tarehi-marika nomen’ny Ministera (economie.gov.mg), raha eto amin’ny Faritra Analamanga fotsiny, dia mba ampaha-efatry ny «Communes» no ahitana biraon’ny Paositra Malagasy, ka ny Distrika Ambohidratrimo dia manana masoivoho PAOMA valo amby roapolo (28). Afaka fotoana fohy, mba iriko ho an’ilay Rangahy efa fitopolo taona monina eny Imerimandroson’Ambohimanga, afaka hisintona ny volany amin’ny «Paositra Money», izay efa ahafahan’ny olona rahateo mandray ny vola «Tosika Fameno» Iray hetsy ariary, hatramin’ny 25 aprily 2020. Matezà aina ianao, r’Ikaky, hitokana izany.
Plus récente Plus ancienne