Fianarana - Tovolahy vonona hiatrika ny ho aviny


Tanora manana andraikitra maro  eo amin’ny fianany i Randriakotonjanahary Samuelson Nirina. Ao anatin’ny fahakelin’ny taonany tokoa izy dia sady mandranto fianarana no miasa. Vao iraika amby roapolo taona monja i Randriakotonjanahary Samuelson Nirina, dia efa mahafaritra ireo làlana hizorany hahatafita azy. Mianatra sady miasa izy, ary efa manomana ny mari-pahaizana « doctorat » amin'ny lalam-piofanana fitantanana ara-bola, ao amin'ny sekoly ambony malaza tsy miankina iray. Tiany ny manomana mialoha izay zavatra kasainy hatao sy manararaotra ny fotoana eo am-pelatanany. Izany indrindra no antony niasany na dia mbola ao anatin'ny fianarana aza ny tenany. Efatra mianadahy izy ireo no mpiray tampo, ary izy no voalohany amin' ireo zanaky ny ray aman-dreniny. Teo amin'ny fahafito ambini­folo taonany no nahazoany ny mari-pahaizana bakalorea, sokajy C tao amin' ny  sekolim-pinoana Saint Michel. Anisan' ny mpianatra maranin-tsaina i Nirina satria dia tafiditra eo amin' ny laharana telo voalohany foana izy tany an-dakilasy. Taorian'ny bakalorea dia sady nianatra teny Ankatso izy, na dia teo koa aza ny fianarany teny amin 'io sekoly ambony io. Ny ekonomia no norantoviny teny, saingy noho ny fahateren' ny fotoana dia tsy afaka nanohy izany intsony izy. Liam-pivoarana Tovolahy tia karokaroka i Nirina. Tanjony ny hanokatra orinasa ho azy manokana. Na dia mbola mianatra aza izy, dia efa nanokatra tsena amin'itony tambazotran-tserasera itony. « Andrana ihany io, handrefesako ny fahaizako sy ny fahafehezako ny fitantanana » hoy izy. Ankoatra izany dia mpitarika ny sampana maitso eo anivon'ny skoto izy. Toetra efa raiki-tampisaka ao anatiny ny fitarihana. Manana fomba fijery lavitra izy ary hita amin'ny firesany ny fahamatorany. Izany koa no anisan' ny antony naha-mpitarika azy teo anivon'ireo mpianatra tao amin'ny sekoly nianarany. Toetra iray izay heveriny ho ratsy eny aminy ny fitadiavana ny tonga lafatra. Hany ka tsy miandry olona izy rehefa misy asa iray, fa avy hatrany dia mandray an-tànana izany. Ny mifanerasera amin' olona manana nofinofy sy tanjona eo amin'ny fiainana no mahafinaritra azy. Ankilany izany kosa anefa dia tena halany ireo mpanambaka olona sy mpiha­tsara ivelatsihy. Ny lalao tenisy ambony latabatra sy ny volley kosa no tena manintona azy. « Tsara foana ny manao fijery lavitra amin'ny fiainana. Miezaha hatrany manohy ny fianarana raha mbola manana fahafahana ny ray aman-dreny », io no hafany ho an' ireo tanora toa azy. Helifetra Randriaminovololona
Plus récente Plus ancienne