Isaky ny eny antampon’Amboatany aho dia maminany hoe aiza ary ilay fefilohan’Andriambolanambo, Mpanjaka teo Namehana. Nampitohy an’Ankazomasina, any atsimon’Antananarivo, ka hatreny Ambodifasina, manolotra ny farihin’Ivato, hono izany fefiloha izany. Nandalo andrefan’Isotry sy Antanimena ary Ivandry. Nanohy nianavaratra hatrany, andrefan’Alarobiakely sy Soavimasoandro ary Belanitra. Anjato taona taty aoriana, tamin’ny andron’Andrianampoinimerina (1785-1810), dia nampiany an’i Dinta, avy atsinanana ka miankandrefana hatreny Ambatolampy-Antehiroka. Rehefa nohamafisina ny fefiloha teo Ambodifasina dia nomeny anarana hoe Ampefilohamena. Mbola misy mahalala ve ny fefilohan’i Toalaza lasa ho fefilohan’Ankosy taty aoriana, izay very tadidy ny nampanamboatra azy ? Very tadidy, maty anarana, tsy hay Tantara, anefa ny fefiloha maro, nifandovana an-jato taona, no naha Betsimitatatra an’i Betsimitatatra. Ary raha tsy nisy Betsimitatatra, tsy ho Renivohitr’Imerina akory Antananarivo. Ny zavamaniry (ahitra, zozoro, herana, ampanga, hisatra) nanarona taloha ny hetrina, ka voatototry ny antsanga sy ny fasika ary ny fotaka an-taona maro no lo ka mivadika ho arina antsoina hoe fompotra. Havan’ny hetrina ihany koa ny honahona (Amoron’Ankona anelanelan’Ambohipeno sy AndranovoryAmbolokandrina) sy heniheny : samy tany voasaro-drano avokoa ireo ka najariana ho tanimbary, dia io Betsimitatatra ampototr’Antananarivo io. Eo amin’ny tokotany atsinanan’i Rovan’Antananarivo, rehefa alefa ny maso hitety ny faravodilanitra, dia misesy eo Ambohibe, Ambohitrombihavana, Ambohimalaza, Imerinkasinina, Ambohipeno, Ambohibato, Ambohitrandriananahary. Avy ato andrefana indray: Ambohidrapeto, Antsahadinta, Ambohitrimanjaka... Ankoatra izay, ny eritreritra sisa no mameno izay efa nodiavina. Antananarivo mantsy tazana avy eny Ambohidratrimo, fa mbola hita ve avy eny Babay, na mainka Lohavohitra...? Isaky ny tendrom-bohitra (bukit : teny indoneziana), ny Ntaolo nahatazan-davitra sady nahavita nanonona ny vohitra amin’ny anarany avy : maso mitety faravodilanitra, hatreny Ankaratra amin’ny atsimo-andrefana lavitra indrindra, Andringitra atsy avarabaratra. Teo ampovoany Ambohimanoa, mpanelanelana ve sa mampisaraka ? Avy eny Amboatany, raha tanteraka ilay «Ranobe mangeniheny», mitazana ilay «Itasy-Alaotra» (teny indoneziana milaza ranomasina avokoa ireo), otronin’i Namehana ato atsinanana ary faranan’Ambohidroa sy Ambatolampy eny Antehiroka. Ato andrefan’i Laniera, Ivato. Dia Fiakarana miandrandra an’Ambohitriniarivo. Ato avarany, Ampananina nomena an-dRasalimo sy Rabobalahy zanany tamin-dRadama. Misy vatobe izay an-tampon’ilay havoana ambony avaratr’Anjakahidro, ka ohatran’ny azo kasihin-tanana izany ny fiaramanidina efa mby hipetraka ao Ivato. Tendrombohitra, tampon-tanety, lohasaha, tanimbary, heniheny. Ny fonenana dia ny vohitra. Ny tampon-tanety sy ny lohasaha samy manana ny fambolena sahaza azy. Ny tanimbary efa tanimbary rahateo. Ny heniheny, petsapetsa mandava-taona. Izany filaharana mati-paika izany no simba raha vao nitonatonana nametraka lalamby Soanierana-SoaRANO ny Jeneraly Gallieni. Anosibe (nosy anie ka hodidinin-drano), Ampefiloha (fefilohan’ny ranon’Andriantany), Andavamamba (mamba izay biby an-drano), Antohomadinika (toho asesimamba, hoy ny taloha), AnkorondRANO : tsy tana intsony ny fanorenam-ponenana amin’ny faritra iva izay tsy maintsy dibodrano Fahavaratra ka maha sasa-poana ny fanamboarana ihomehezan’ny orana.