Ny fifidianana no maha demokrasia ny demokrasia any amin’ny firenen-kafa. Eto amintsika kosa, filan-kisa ny fifidianana. Philibert Tsiranana anie ka vao avy nahazo vato 99% (henamaso kely fotsiny no tsy nahasahiany niravaka avy hatrany ny zato isan-jato), enim-bolana monja nialoha ny 13 mey 1972. 2023 : efa amam-bolana maro no samy nanatsidika ny fepetra tsy hisian’ny ahiahy tsy ihavanana, satria diso fantatra loatra ny fomba fanao hatrizay. Na Rakoto aza no mandresy isaky ny birao fifidianana, dia misy «expertise» efa ifandovàna «mikarakara» sy «manamboatra» ny soratra araka izay baiko sy toro-marika. Arakaraky ny maha-lavi-dalana ny toerana, arakarakiny ny mahamaro ny tanana ifindrafindran’ny «procès-verbal», no manamora ny fanovàna ho Randria no mpandresy. Efa hatramin’ny fifidianana 2013 sy 2018, no nitakiana ho fantatra avy hatrany ny tarehin-tsoratry ny fanisam-bato nifanatrehana. «Informatisation» goavana, izay niniana tsy natomboka akory. Efatrambinifolo taona (1958-1972), siviambinifolo taona (1972-1991), iraikambinifolo taona (1991-2002), fito taona (2002-2009), sivy taona (2009-2018), dimy taona (2018-2023): matoa i Madagasikara iverenan’ny olana politika matetika tahaka izao dia tsy voavaha manontolo ny disadisa mitambatambatra teo aloha. Ary tsy fifidianana tian-kano tsy tian-kano no hamaha izany olana fototra izany. Marimaritra iraisana, sady tsy mahafaly ny andaniny no tsy maharavo ny ankilany, no lasa tanjona anefa tokony ho famindra fotsiny ihany. Fanamoramoràna, amin’ny anaran’ny «sitrany ahay», mba tsy hisara-bazana. Izay tsy maha afa-po dia lambolamboina amin’ny hoe «fihavanana». Dia ireny «raikitra» amin’ny fandraisan’ny mpanohitra anjara amin’ny Governemanta ireny ny «adi-varotra». Variana ho Ministra, hany ka adino ilay olana fototra Fivangongoam-pahefana, na ampelatanan’olon-tokana, na ampihimamban’olom-bitsy, na avandravandran’ny hantsana mihalalina isanandro maha hafa loatra ny Renivohitra miohatra amin’ny Faritany/Faritra. Inona anefa no fanamboarana ara-drafitra nimasoana taorian’ny 1972, taorian’ny 1991, taorian’ny 2002, taorian’ny 2009, taorian’ny 2018 ? Tsy nisy mihitsy, ka ahoana moa no tsy hisy olana indray isika 2023 ? Manelingelina io fombantsika io ny soratra mijadona tahaka ny Lalam-panorenana. Ao mantsy, sori-dalana efa maty paika isan’andininy. Tsy misy hoe «ifanamboarana», «iadiana varotra», «ifampiraharahana». Noho ny Kolontsaintsika mbola tsy voatefin’ny lasitry ny demokrasia, efa nosedrain’ny Tandrefana zato taona mialoha ny nitoriany teny izany tamintsika, dia sahirana isika : raha eo amin’ny fitondrana, somary mora kokoa ny mialokaloka ambany «ara-dalàna» ; raha tsy eo amin’ny fitondrana kosa, mahatsapa fa fanampenana daomy ny «ara-dalàna». Ny Britanika, tsy mba manana Lalampanorenana. Diso ny fiantsoana «Zaikabe», «Fihaonambe», «Forum sy Conférence nationale», raha mbola Lalampanorenana no hany dinihina. Ndao fantarina aloha, inona marina no andrandraintsika ho an’i Madagasikara sy ny Malagasy. Tanindrazana, Fiandrianam-pirenena, Fahavitan-tena ara-tsakafo, Fiaraha-monina mandala ny rariny sy ny hitsiny, Vohinahitra isan-tokonambaravarana, ny Maha-olona, Fandriam-pahalemana, Tontolo lovain-jafy... Inona no toetra sy fo ary fanahy, hahatongavana amin’izany ? Iza no handrafitra ireo ho Sata, teny ierana mahavery ivelan’ny fiaraha-monina ary tsy hidirana fasan-drazana. Ny Japoney, raha nitokana-monina nanakaton-trano nialoha ny «Meiji» (1868), dia nanana safidy mazava ara-piaraha-monina. Isika, nandritra ny taonjato faha-19 (zato taona naharitra valopolo taona, 1817-1897), raha nandà hatrany ny hahazoan’ny Vahiny hividy tany eto amintsika, dia nametraka safidim-pirenena mazava. Fitaizana nifandovàna nahavitana namaritra fiaraha-monina «maka toerana» : nifantina tamin’ny fomban’ny hafa, naka bahana handevonana ho tonga nofo izay fomba vahiny nekena, namaritra imasony (ary imasontsika) ny Isika sy Antsika. Izay famindra izay, safidy mametra tanjona sy vina, no ilay «fiovàna». Tsy tsangan’olona, fa fitiavan-tanindrazana mitovy fambara. Mazava kosa anefa fa sakana ny tsy fahaiza-miaina ary zary fahavalom-pirenena ireo «ratsy fanahy» sy «tsy mahalala fomba», tsy maintsy ailika ndrao fandoto iray tandroka hanimba ny fandio iray siny. Izay mpamosavy, ariana ivelan’ny fiaraha-monina ary ozonina tsy hiditra fasan-drazana, fa dikadikaina anirotra.