Mamalan-kira indray VANF : Daty nialoha ny 14 oktobra


Nandalo niserana tsy nisy nahatsikaritra ny 14 oktobra. Iraika ambienimpolo taona lasa izay, no nambara ny Repoblika teto Madagasikara. 21 marsa 1946, tany Paris (Frantsa), dia napetraky ny Solombavambahoaka Joseph Ravoahangy-Andrianavalona sy Joseph Raseta ny volavolan-dalàna hoe : «Foana ny lalàmpanjanahantany tamin’ny 6 aogositra 1896». Nitovy, satria nalain-tahaka tamin’ny fomba nanambaran’i Ho Chi-Minh ny Repoblika vietnamiana (2 septambra 1945), ary niniana nampitovizina tamin’ny Fifanarahan’ny Frantsay sy ny Vietnamiana vita sonia ny 6 martsa 1946. Dimampolo taona talohan’izany 1946 izany, no lasa zanatany frantsay i Madagasikara. Fomba fiteny tamin’ny taonjato faha-19 ny hoe «Vazaha mody miady». Saingy, teo anelanelan’ny 5 may 1942, nigadonan’ny Britanika tao Diégo-Suarez sy ny nidirany teto Antananarivo (23 septambra 1942), dia hitan’ny Malagasy imaso fa marefo ny andian-tafika frantsay teto. Ny 27 novambra 1953, namoaka fanambarana ny Eveka malagasy mankatoa ny fiverenan’ny Fahaleovantena. Nilavo lefona ny 7 may 1954 ny miaramila frantsay rehetra tao Diên Biên Phu (Vietnam). Herintaona taty aoriana, ny 16 novambra 1955, niala tao Antsirabe, nanaovana sesi-tany azy, ny Mpanjaka marôkana mialoha ny fanambarana ny Fahaleovantena, andron’ny 2 martsa 1956. Teo anelanelan’ireo daty ireo, ny 25 aprily 1955, no nifarana ny fivoriana tany Bandung (Indônezia), nanehoana ampahibemaso ny fandavana ny fanjanahantany amin’ny endriny vaovao. Raha tafatsangana ny 22 febroary 1946 ny MDRM (Mouvement Démocratique de la Rénovation Malgache), avy hatrany dia namporisihan’ny fitondrana frantsay ny fahaterahan’ny PADESM (Parti des Déshérités de Madagascar) : 1 jolay 1946. Io taona 1946 io ihany koa no namaritana ny Faritany amin’ny endriny ankehitriny, ankoatra an’Antsiranana, izay samy nanana Antenimieram-paritany. Telo andro alohan’ny fivorian-dehiben’ireo Antenimieram-paritany ireo, no nipoaka ny «Raharaha» (sa «Tabataba») 29 martsa 1947. Ny Solombavambahoaka MDRM dia mbola voafidy daholo indray, «premier tour dia vita», ny 10 novambra 1946. Tamin’ny fifidianana 1947 aza, dia lasan’ny MDRM zato isan-jato ny toerana Antananarivo sy Toamasina, ary ny maro an’isa tany Fianarantsoa sy Toliary. Volana janoary 1947, mbola toerana 64 amin’ny 92 dia an’ny MDRM. Nararaotin’ny fitondrana frantsay ny 29 martsa 1947 hamotehana tanteraka ny MDRM : nosamborina ny 12 aprily Joseph Ravoahangy Andrianavalona sy Jacques Rabemananjara ary ny 6 jiona 1947, dia nalana ny sata sy fiarovana maha solombavambahoaka an’i Joseph Raseta. Haingana dia haingana, fa ny 10 may 1947 dia efa noravan’ny Fanjakana ny MDRM. Rehefa nopotehana ny antoko lanieram-bahoaka indrindra teto Madagasikara, tsy azo ambara ho demokratika intsony izay rehetra tontosa nanaraka : «loi-cadre» (23 jiona 1956), fananganana ny Faritany faha-enina Diégo-Suarez (10 novambra 1956), fifidianana amin’ny Antemieram-paritany enina (aprily 1957), Philibert Tsiranana natao Filoha lefitry ny Governemanta mbola notantanan’ny Frantsay (may 1957) ; référendum nankatoa ny Lalam-panorenana (28 septambra 1958) ; fanambarana ny Repoblika malagasy (14 oktobra 1958).
Plus récente Plus ancienne