Hiantsoako Polisy


Matetika loatra mihitsy izay (izahay) manaradalàna no mahatsapa fa voalikan’ny mpandika lalàna. Sehatra maro amin’ny andavandro no iainana izany. Fa ny fifamoivoizana, izay lasa endrika tsapain-tanan’ny fiarahana monina, no ivandravandran’izany indrindra. Eto Antananarivo, ankoatra ny nanadinoina ny anaran’ny arabe (aiza ny Lalàna Rainandriamampandry? Aiza ny kianja Andrianjaka?), dia very tadidy ihany koa ny «panneaux de signalisation». Izy ireny anefa no mandrindra voalohany indrindra ny fifamoivoizana satria tsy hary hametrahana pôlisy isaky ny sakelidalana rehetra. Ny «Priorité» sy ny «Cédez le passage» moa vitan’ ny mifandefindefitra eny. Ny «Stop» tsy manakana tsy handroso moramora. Fa ny «stationnement interdit» tsy voahaja no iantombohan’ny fanafintohinana. Atao inona moa arabe migodàna, natao ilaharan’ny fiara roa amin’ny andaniny avy, raha ny antsasany lasa parking tahaka ny etsy An-dRaharo manoloana ny Ocean Trade, na etsy Analakely tsy lavitra ny Gare Soarano, na eny amin’ny Boulevard de l’Europe? Inona no anatin’ny lohan’ireny olona mijanona soa aman-tsara anaty arabe ireny? Fitaizana tsy nisy hatrany an-tokantranon-draiamandreny, tsy fahalalampomba: sazy avy hatrany sa mbola hialana nenina amin’ny fitaizana toa rano very fotsiny hanasana ganagana? Ny fanafintohinana fara-tampony anefa dia ny mifanena amin’ny olona mangalatra miditra «sens interdit». Ankaditoho miakatra Soanierana, tsy azo atao; Soanierana midina Ankadimbahoaka, tsy azo atao: impiry impiry anefa ianao manara-dalàna no mifanena amin’ny mpanao «sens interdit» amin’ireo toerana manodidina ny toby miaramila Capsat ireo. Dia jerem-potsiny anefa izany tsy fanajana lalàna imaso imaso izany. «Forces de l’Ordre» moa ny Tafika? Tsy «Ordre» angaha ny fanajana ny «Code de la Route»? Satria, raha ny baranahiny manoloana indrindra ny vavahadin’ny Capsat aloha, tsy rariny amin’ny eritreritra sy sarin’izany hoe Tafika sy Miaramila izany: «La discipline faisant la force principale des armées», etsetra etsetra... Korontana tsy korontana isan’andro, manoloana ny vavahadin’ny Capsat: tsena anaty arabe, varotra hanimasaka isa-mandingana, fiara manao «sens interdit»... Aleo hiantsoana Polisy.
Plus récente Plus ancienne