Singa ho ohatra


Nodimandry «David», Randria­naivo David, garage tsy misy tsy nahalala tetsy BesaretyAmbodimanga. Mbola zaza aho no niaraka tamin’i raiko teny amin’ny Garage David. Roapolo taona taty aoriana, ny tena indray no zatra nivantana teny amin’i David raha vao hoe misy olana elektrika ny fiara na hanavao «équipement». Mino marimarina aho fa maro isika no nandimby anaran-dray mpitondra fiara teny amin’ny Garage David. Renivohitra mbola tanàna kely ihany Antananarivo. Mifankahalala daholo ihany isika eto. Garage tsangambato teto Antana­- narivo izany «garage» tetsy Ambodiniman­- gasoavina izany. Artelec no anarany arapanjakana, izy sy ilay Atelemec taloha teny Ankorondrano no nahavantana tamin’izany andro izany. Manararaotra mitondra etoana ny fiaraha-miory amin’ny fianakaviana. Resaka hafa tanteraka no hanohizana ny lahatsoratra. Nalevina androtr’io ihany Itompokolahy. Inoana marimarina fa ny fepetra ara-pahasalamana ankehitriny no nanesika ny fianakaviana handingana avy hatrany ny «famangiana» sy «fiaretantory» ary «fiandrasam-paty». Izay mihitsy no tokony ho izy. Tsy sahan’ny Fanjakana ny mandidy ny fiana­- kaviana mana-manjo hanafoana avy hatrany ny fiandrasam-paty, satria hoe tsy izany no fomban-drazana. Saingy aina ity, ary ny maty efa naman’ny maty, ka ny velona no tokony ho tsinjovina. Ahoana moa no handràrana fivoriana ka hanekena olona hivangongo hiandry faty? Mbola misy fanontaniana hafa aza, mety hanafintohina ny fomba amam-panao malagasy rehefa am-paty. Satria aretimifindra ny Covid-19, azo antoka ve fa tsy mifindra amin’ireo fianakaviana mikira­- kira «ny olona» mandritra ny famonosandamba? Satria areti-mifindra ny Covid-19, sao dia sanatria ka tahaka ny peste sy ny choléra ka tokony tsy ahiditra am-pasandrazana akory ireo lavony? Mbola fomba amin’ny fianakaviana maro ny «famadihana»: ahoana ny amin’izay tsimok’aretina natory an-taona maro tao am-pasana tao ka mifoha indray raha vao kitihina ny fasana? Ho saha handrara ny famadihana ve ny Fanjakana? Tsy ho didy jadona mantsy izany fa fitsinjovana ny fiaraha-monina. Tohi-vakana ny fahafatesana raha sendra valan’aretina. Raha sanatria misy maty mifanesisesy amin’ny fianakaviana iray, tsy ho azo sokafana isan’andro ny fasana noho ny antony ara-pahasalamana. Ho feno anirotra ary ve izany eo an-tokon­- tanim-pasana, izay mbola ho atao fama­- dihana ahiditra fasambe any aoriana? Fitsinjovana ny fiaraha-monina ny fiheverana handorana ny olona lavon’ny Covid-19. Ela ny ela ka mety hisy tokoa fomban-drazana hita izay maharatsy azy: ohatra, ny manafo lamba na ny famadihana. Fiovam-penitra tokony tsy hampifangaroana amin’ny finoana satria ny fahasalamana no hany tokony hibaiko ny saina.
Plus récente Plus ancienne