160 taona lasa, nahafaty an-dRadama II ary nandorana ny Charte Lambert


Ny 2 mey 2023 farany teo, dia nanatrika ny fotoam-panokafana ny fivorian’ny Antenimieram-pirenena ireo Masoivoho vahiny sasany. Tsiahivina hatrany fa mandritra ity fotoam-pivoriana ity no handinihina ny volavolan-dalàna fanavaozana ny fampiasam-mbola. Isan’andininy hametraha-panontaniana amin’izany volavolandalàna izany ny hoe omena zo ve, hividy tany ka ho tompony tanteraka, ny orinasa manana petra-bola vahiny maro an’isa na ambany fanaraha-mason’ny vahiny. Na ho varotra tolo-botsotra na ho fifanekem-panofàna hatramin’ny 99 taona moa dia heverin’ny fiarahamonim-pirenena fa «maneho ny finiavana hivarotra ny tany na dia tsy lazainy mivantana aza izany sy tsy tononina anarana». Tena «Soratra Vavolombelona» ara-bakiteny tokoa izay voaangon-dRtoa Razoharinoro-Randriamboavonjy (nitantana ny Sampan-draharahan’ny Arsiva, 1968-2001), ka dia zaraina ho fantatry ny taranaka ankehitriny. Indrindra mandritra izao fotoam-pivorian’ny Antenimiera roa tonta izao. Tamin’ny 21 jona 1866 ary, dia nanoratra tamin’ny Governora ny Mpanjakavavy Rasoherina (nanjaka 1863-1868) : «Tsy mahazo mivaro-tany amin’ny Vazaha isika, na amin’ny Anglisy na amin’ny Frantsay, na amin’ny firenena iza na amin’ny firenena iza andafin’ny ranomasina (...) Ary amin’ny Silamo sy ny Karana sy ny Arabo sy ny Talaotra eto aminareo mba manao ho vahoakako izy, ka raha mba hanaraka ny laloa sy ny lalàna amin’ny tany Madagasikara izy...koa hanao hadin-tany sy hazo lava sy fefiloha sy izay fanompoana fanaon’ny Malagasy ; ka indrindra koa raha misy diso amin’ny lalàna fomban’ny tany dia atao gadralava, misy koa tapahin-doha sy very vady aman-janaka sy mahalany fananana ; koa raha manaiky hanaraka ny laloa sy ny lalàn’i Madagasikara izao izy, dia mahazo mividy tany. Ary tsy hanaraka izao kosa izy dia ataovy arak’io amin’ny vazaha io ihany, fa tsy misy hafa raha olona avy any andafin’ny ranomasina». Mbola Zanakandriana handimby Fanjakana Rakotondradama, tamin’ny 28 jona 1855, raha nanao sonia ny «Charte Lambert». Isan’ny nahafaty an-dRadama II, tamin’ny 12 mey 1863, io fanomezana vahana be loatra io ny Vahiny. Novidian’ny Fanjakana malagasy 240.000 ariary (nisaina sy nolanjaina tao Toamasina, ka ny vola iray alina sy teloarivo sy dimanjato sy dimampolo sy efabenty nihoatra dia naverina hiakatra Antananarivo) ny hanafoanana ilay «Charte Lambert», nisy ny sora-tanan-dRadama II : nodorana tao Toamasina, tamin’ny 6 desambra 1865, teo imason’ny solontenam-panjakana niisa roa amby zato, mbamin’ny irak’Andriana sy ny solonetan’Imerina Enin-Toko, ary mbola natrehin’ny dimy mirahalahy Roambinifololahy. Tsetsatsetra tsy aritra : Ramanetaka, zanak’olo-mirahalahy tamin-dRadama I, dia nandositra tany Anjouan tamin’ny taona 1829, rehefa niakatra teo amin’ny Fiandrianana Ranavalona I (nanjaka 1828-1861). Tany Kômôro Ramanetaka sy Ravao, vadiny efa hatraty Imerina, no niteraka an’i Djoumbé Saoudy, izay ho lasa Soltano Fatima (1837-1878). Tamin’ny 1865 dia nomen’i Fatima fahefana ihany koa i Joseph Lambert hanao orinasa «hampandroso» ny indostria sy ny «sivilizasiôna».
Plus récente Plus ancienne