Mitombo an-dalana


Isa, roa, telo, folo, zato, arivo. Dimy arivo aloha hatreto atsy amin’ny Facebook. «Mitombo an-dalana toy ny dia an’Ny Andriana», hoy ny ohabolana. Raha niainga tetsy Mahamasina Ranavalona I ho any Tsinjoarivo, na Rasoherina hamonjy an’Andovoranto, na Ranavalona II hivahiny any Fianarantsoa, mety ho arivo no namehy entana hanara-dia azy. Teny an-dalana, tamin’izay toerana nolalovana, nisy olona nentanimpanahy ka nanatevin-daharana. Lava tokoa ny lahatsoratra Chronique sy Mamalan-kira raha ny havitsian-teny amin’ny «tweet» malaza ankehitriny. Saingy, ny «malaza» ve «mahalaza» ? Tsy fohy loatra ka salaka mihantona, no tanjona. Ny lava loatra ka hamatotena, fadiana ihany koa anefa. Sambasamba, androany, nampivadiana ny L’Express de Madagascar efa nimasoana 26 taona, sy ny Facebook tsy ampy folo taona nanaovana. Taona maromaro izao no mandalo fahasahiranana ara-ekonomika ny gazety antsoratra maneran-tany, hatramin’ny nahaterahan’ny serasera vaovao amin’ny Internet sy ny tambazotra sosialy isan-karazany. Nanampy trotraka ny valanaretina Covid hatramin’ny taona 2020. Marisa ny toekarena. Marefo ny fahefa-mividy. Ahena ny isan’ny atonta satria mihavitsy ny lafo. Miahotra ny dokambarotra. Lehibe tamin’ny famakiana boky sy gazety ny tena, ho faty hiondana boky sy gazety : lambo soso-nify sy akanjon-goaika ka samy nentimpaharazana. Fa, na eto na aroa, mankasitraka anareo mpamaky. Tsy misy antony hanoratana, indrindra hanaovana ho asa aman-draharaha ny fanoratana, raha tsy isika no manao toy ny akoholahy sy ny masoandro, ka mifamotoana samy lavitra.
Plus récente Plus ancienne