Hay kanto - Kely dia efa nahay nanao sary i Faliharison


Vao kely dia tia nanao sary i Faliharison Nary. Araka ny nambarany dia tsy mba nisy tamin'ny fianakaviana no nanana io fahaiza-manao io fa izy irery ihany. Rehefa sary na hosodoko, sarin'olona mivantana, na kisarisary fanovana endrika dia hiompanan'ny talentan'i Faliharison Nary avokoa. Efa tany amin'ny fahazazany mihitsy no nanosika azy ny aingam-panahiny tao anaty. « Fony mbola tany an-tsekoly aho, tena mbola kilasy ambaratonga fototra, dia efa tia manao sary. Tamin' izany fotoana izany aho dia tsy mba tia miaraka amin'ny ankizy fa mitokatokana foana, rehefa fotoana fakan-drivotra dia manao sary foana aho. Notrandrahako hatrany ny fahaizako sy ny talenta nananako ka raha vao 12 taona monja dia efa nahatafavoka sarin'olona (portrait)», hoy ny fitantarany. Tsy mbola nanana eritreritra ny hivarotra ny talentany mihitsy ny lehilahy raha tsy tamin'ny taona 2006 na dia hitany aza fa tena efa nahavoa tsara ny kantony izy. Mbola nilofo tamin'ny fianarana momba ny fitantanan-draharaha ny tenany ka nahavita taona faharoa. Nilaozany anefa ny fianarany rehefa hitany fa ny hay sary no niompanan'ny aingam-panahiny bebe kokoa. « Nanana namana nahay sary aho dia nanomboka nikarokevitra ny hamarotana izany aho. Ny taona 2006 vao tapa-kevitra ka izao mivelona tanteraka amin'ny hay kanto izao », hoy i Faliharison Nary. Mikendry ny ho lasa lavitra Efa folo taona noho izany no nivarotany ny sangan'asany izay tena miroborobo fatratra ankehitriny etsy amin'ny zaridaina Antananarenina. Araka ny nambarany dia sady miala vola izy no manome fahafaham-po ny olona amin'ny sanganasany. Araka ny ambetitenin'i Faliharison dia te ho tafita lavitra amin'ny hay kanto ataony izy na dia efa mahavelona ny vady aman-janany aza ny asany. Tsy mampivady asa hafa amin'ity fanaovana sary ity ny lehilahy fa mahavita azy ireo ny vola miditra amin'io asa io. « Na dia sary telo sy efatra monja aza no lafo mandritra ny herinandro dia efa ampy izay. Samy manana ny mampiavaka azy ny mpanao sary tsirairay fa ny mpanjifa ihany no misafidy izay tiany », hoy hatrany ny fanazavany. Ao anatin'ny an-tsasak'adiny monja ity lehilahy ity dia efa mahavita manao sarin'olona iray. Raha sary efa nalain'ny mpaka sary kosa no hakany tahaka dia mandany eo amin'ny iray andro eo ho eo izy rehefa manao izany. Manomboka eo amin'ny efatra alina ariary eo ho eo ny sary ataony izay miankina tanteraka amin'ny kaomandy ataon'ny mpanjifa. Fanomezana Rasolomahery
Plus récente Plus ancienne