Fitaterana manokana - Hiverina hitokona ny mpamily fiarakaretsaka


Mbola tsy mifanaraka ihany ireo mpamily fiarakaretsaka sy ny pôlisy monisipaly. Rehefa nanao fanairana andrana tamin'ny talata lasa teo ny mpamily taksi eto an-drenivohitra dia hanamafy izany indray anio etsy Antsonjombe ihany. « Tsy hanaiky hatramin'ny farany ny fanaovana herim-pamoretana aminay izahay. Tsy maintsy hitolona fa tsy mety ny fanomezan'ny tompon'andraikitra eo anivon'ny kaominina Antananarivo fahefana ireo pôlisy monisipaly hanao fisavana sy fitiliana ny fiaranay. Ny pôlisy nasionaly no tokony hanao ny fisavana ary any amin'ireo ivon-toerana fitiliana fiara no tokony hanaovana ny fitsirihana ny fiaranay », hoy Rakotonivo Jean Martin, mpamily fiarakaretsaka. Nilaza kosa anefa ny tompon'andraikitra eo anivon'ny kaominina Antananarivo renivohitra omaly, fa nahazo alàlana avy amin'ny sampandraharaha momba ny lalàna ireo pôlisy monisipaly hanao ny asa fisavana sy fitiliana ny fiara sy ny taratasim-piara entin'ireo mpamily. « Taratasy fanasaziana sy fanambarana fahaverezan'ny taratasy no entin'ireo mpamily miasa mamily fiarakaretsaka. Inona no manakana azy ireo tsy haka dika mitovy ny fahazoan-dalana mitondra taksi sy ny patanty aty amin'ny kaominina Antananarivo renivohitra na ihany koa maka dika mitovy ny taratasy fianto­hana   », hoy Harison Jean Gabriel, lefitra voalohany eo anivon'ny kaominina Antananarivo renivohitra. F. R.
Plus récente Plus ancienne