Talohan’ny 13 mey 1972


Nomarihina, hono, ny fahatsiarovana ny 13 mey 1972. Hono, fa izaho moa, mbola vao roa taona tamin’ny 1972, tsy nandingana teny tamin’ny 1991, nankalavitra io tamin’ny 2002, ary niamboho tanteraka tamin’ny 2009. Hono : fa angaha moa tsy vato fehizoron’ny fikoroson’i Madagasikara mankany amin’izao hantsa-mandifotra izao anefa izany 13 mey 1972 izany ! Marina fa voaroaka ny Vazaha (tao amin’ny kolejy Saint-Michel, ohatra, voatanan’ny Jesoita mihitsy ny fandaozan’ireo mpianatra vahiny tsikelikely ; ny gazety tamin’ireny andro ireny ihany koa nahitana fianakaviana vazaha hanainga tampoka dia nivarotra fananana), saingy inona no vokatra azo avy eo ? Raha lasa ny mamba frantsay, tsy misosoka avokoa izao ny voay rehetra avy any andafin’ny riaka ?! Hatramin’ny mpamatsy fivavahana silamo misaron-tava aza miriaria eto ! Nalevina aiza avokoa ireo orinasa nihodina tsara talohan’ny 1972-1975 ? Ary moa, noho ny fahantrana tsy nitsaha-nitombo izay dimy amby efapolo taona lasa izay, tsy mainka ampelatanan’ny Vahiny, be lavitra noho ny tamin’ny 1972, ny harempirenena malagasy ? Ny fomba vaovao nandoro ny Lapan’ny Tanàna tamin’ny 13 mey 1972 dia zary lasa « fombandrazan’ny 13 mey » ka nipoiran’ny toe-tsaina lomorina nandoro ny Lapan’Andafiavaratra (1976), nandoro ny Rova (1995), nandoro ny Radiom-pirenena (2009), sy ny tranon’olon-tsotra maro. Izany zava-nisy rehetra izany, loza mihantona ho an’ny taranaka rehetra hifandimby noho ny toe-tsaina nozimbaina mihitsy : moa ve mba raiki-tadidy natao fahatsiarovana ihany koa, ilay indray alahady iry ? Raha voatery tena mitadidy aho dia angamba zavatra telo no ndeha ho singaniko hoe akon’izany 13 mey 1972 izany. Zavatra nahafinaritra : teraka ny tarika Mahaleo. Hira anjatony nandrotsirotsy anay, antsika, efa ho taranaka telo mifandimby. Zavatra mampisalasala : ny fidirana tamin’ny sosialisma ka nikiky tsikelikely ny toe-karena. Tao koa ny fanagasiana tsy zakan’ny lohan’ny nihevitra azy ka naha-fanina ny «génération sacrifiée». Zavatra mampatahotra : «Fanjakan’ny madinika» hono e, izany hoe baranahina, bontolo, tsihibelambana...Savoritaka ambony ambany izany e ! Omaly, andro talata 15 mey 2018, dia nomarihina tsotsotra ny faha-135 taona nifandraharahan’i Madagasikara sy Alemaina. Tamin’ny taon-dasa ihany koa no nanamarihina ny 23 oktobra 1817, roanjato taona nifandraisan’i Madagasikara sy Britaina (tokony antsointsika amin’ny anarana fiantson’izy tompony azy ny firenena tsirairay fa tsy miampitampita amin’ny teny gasigasiana avy amin’ny voambolana frantsay na anglisy). Tamin’izany, ny androa-tokon’izao tontolo izao efa voazanaka : isika isan’ny hany vitsy nanana Fiandrianampanjakana ka nifarerasera tamin’ny firenena tandrefana lehibe indrindra. Ireny vaninandro ireny no nampiavaka ity firenena ity, taloha lavitry ny 13 mey 1972. Misy fanabeazana lalina tokony atao amin’ny vahoaka malagasy mba ho « daty malaza » marina tahaka ireny no marihina fa tsy 13 mey 1972 nidiran’andro. par Nasolo-Valiavo Andriamihaja
Plus récente Plus ancienne