Mamalan-kira indray VANF - Farihy-Dobo-Kamory tsy ritra Fararano


«Ialana tsiny ny fanelingelenana aterak’izany...noho ny asa fanarena ny tambazotra fitaterana rano...sabotsy manomboka amin’ny 11 ora maraina ka hatramin’ny 1 ora tolakandro...». Vitan’izany mantsy. Fa ilay «fanelingelenenana», tsy vita ny asabotsy ora vitsy, fa asabotsy manontolo ; dia nitohy alahady ; dia mbola tsy tapitra ihany alatsinainy. Izaho tsy mba ho mpandoro trano mandrakizay. Izaho menatra raha manakan-dalana hibahana ny arabe fampiasan’ny hafa raha tapaka telo andro ny rano ao an-trano. Saingy. Mety ho azoko ihany ny haromotan’ny olona tany Antalaha na ny hasosoran’ny mponina tetsy Andraisoro. Raha ny tambazotra efa tranainy, iaraha-mahalala, satria adinon’ny mpitondra Fanjakana nifandimby sy ny mpitantana nifanesy tao amin’ny JIRAMA. Fa raha ny tsy fahaizana ny asa, andraikitry ny mpiasan’ny JIRAMA irery kosa : asa tokony ho vita ora roa nanjary nitarazoka telo andro ! Izay indray : lazaina fa efa niverina ny rano, kanjo ivi-tsaka, mbola nilana niverenana indroa, intelo, teny an-toerana. Ho atao inona loatra re ity JIRAMA ity ? Adinon’ireo manohitra ny fivarotana azy amin’ny mpanambola tsy miankina, indrindra izay manana ny fahaizana feno sy fitaovana manaraka ny toetr’andro, fa vao tamin’ny 1976 anie io vao orinasam-panjakana. Aleo hisokatra ny adi-hevitra. Fararano moa izao ny andro, ho ritra tsikelikely indray ny loharano sy farihy. Dia hiverina indray ny fanambarana ombieny ombieny : «Ialana tsiny ny fanelingelenana ateraky ny étiage». Vao teo anefa isika no nahazo tombontsoa tamin’ny ranonorana matevina, nahatondra-drano aza. Rano nojerem-potsiny anefa, rano very fahatany any an-dranomasina. Satria tsy mba nisy mpitondra Fanjakana nihevitra «Alaotra» (laut = ranomasina amin’ny teny indoneziana) na «Itasihanaka» (tasik = farihy amin’ny teny indoneziana) vaovao ambony atsinanan’Antananarivo na ambany andrefan’Analamanga na etsy Laniera. Taloha, vao valopolo taona lasa fotsiny, mbola azo nolakanina, nandehana lakana, miala teo Ambodin’Isotry ka hatrany Isahafa-Avaradrano. Tantara zary angano sisa izany satria ny teo aza, nifaninanana nototofana : nasiana «bypass», namaritana «rocade», novolena «lotissements», natao «67 hectares»... Ny «dobon’i Callixte Savaron» tetsy Imerimanjaka, izany, ny Laniera izany, i Betsimitatatra izany. Efa tamin’ny 2007 aho no nanonofy. Farihy vaovao ary ambony atsinanan’Antananarivo, amin’iny faritra Vakini-Varahina iny : Masindray-Alasora-Imerimanjaka. Dia farihy tobin-drano hafa koa aty ambany andrefan’Antananarivo : indrisy, io Betsimitatatra totofana isan’andro io...Farihy be hilalaovana lakam-piara, hisangiana trondro-laoka, fitehirizan-dranonorona...Mety ho loharanon’angovo ihany koa na dia malefaka aza ny fidinan’ny lemaka manodidina an’Antananarivo, atsinanana miankandrefana, raha tanteraka eto ilay teknolojia hoe «STEP». Hevero vetivety anie izany farihy-dobo-kamory midadasika izany, hanangonana ranonorana. Vakini-Varahina, Vakini-Sisaony, Vakini-Mamba, Vakin’Ikopa. Rano hanaranam-po. Mantasoa faharoa. Mandroseza fanampiny. Tsiazompaniry sosona. Iny faritra heverina hananganana ny «Antanambao-Tsaramasoandro» iny koa, ohatra, manolotra an’Ikopa sy Sisaony, tobin-drano tsy hita velively ! Dia mbola ho totofana na dia efa hita aza fa asan’ny kamo ity «remblais» ity : ny rano alevina, ny tendrombohitra maha Imerina an’Imerina andrimbinana. Jereo fotsiny ny lavaka goavambe etsy ampototr’Ambohidava... Tsy zakan’ny Ministera tokana izany nofy izany, fa tsy maintsy hifandrimbonana : Angovo, Rano, Tontolo iainana, Fanajariana ny Tany, Fikarohana siantifika. Ministeran’ny Revy tsy ritran’ny Fararano.
Plus récente Plus ancienne