15 oktobra 1896 : ilay Fitsarana tsy an-drariny


Alakamisy 15 oktobra 1896, 8 ora maraina : notifirina tetsy Antaninarenina ny printsy Ratsimamanga, andriana, sy Rainandriamampandry, hova. Iray volana mialoha io, ny 16 septambra, ny Jeneraly Gallieni no nandray ny fahefana feno maha Governora Jeneraly azy. Taitra avokoa, na Gasy na Vazaha, noho ny fihetsika mahery tsy mahazatra nasehony avy hatrany hamonoana ny afon’ny Menalamba. Ny 1 marsa 1897 dia nalefany sesitany Ranavalona III, ny 17 aprily dia nofoanany ny fiandrianan’ny Tompomenakely. Ny 14 marsa talohan’io dia nofongariny tany Ambohimanga ny razan’Andrianampoinimerina sy Ranavalona I ary Ranavalona II mba tsy ahafahan’ny Menalamba intsony maka tany eo amin’ny fasan’Andriana hisotroany vokaka. Rainandriamampandry-Rabezandrina (1836-1896) dia Hova, Tsimiamboholahy, Andriamanazary, Zanakarivo. Fa tahaka izany no fitanisana ny fiaviana fahiny. Ny raibeny Ramahery dia Governora tany Mananjary. Mahazendana ihany, rehefa heverina, fa tamin’ny 1843, taona heverintsika hoe tsy mandry ny tany, tsy misy lalana migodana, dia tonga nivahiny namangy an-draibeny tany Mananjary izy telo mianadahy (Rabezandrina sy ny rahalahiny Rabearana ary ny anabaviny Razafimalala), nentin’ i renibeny. Tamin-dRaharolahy, isan’ny «Roambininfololahy», Rabezandrina sy Rabearana no nandranto fianarana voalohany. Vao nentina indray tany amin-dRahaniraka, isan’ireo sivy mirahalahy nalefa nianatra tany Angletera (1821-1829). Rehefa vita izany dia nentina nifanerasera tamin’ny Praiministra Rainiharo. Maromaro ry zareo no indray tarika (Ravoninahitriniarivo, Rainandriamampandry, Ramaniraka, Razanakombana, Rainitsimbazafy) satria tahaka izany no fitaizana ireo zanaky ny Lehibe hizatra ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Tsiahivina fa fanjakan-dRanavalona Reniny (1828-1861) izany vanim-potoana izany, ary tapitra niala tamin’ny taona 1836 ny misionera britanika avy amin’ny LMS (London Missionary Society). Ny taona 1863, dia nanoratra ilay «English and Malagasy Vocabulary, with sentences in both languages and an introductory lesson in Geography», izy mirahalahy mpiray tam-po, Rabezandrina sy Rabearana, niara-nisalahy tamin-dRalaitafika. Tany Londres no natonta izany diksionary izany. Ankoatra ilay «Tantarany Madagascar», izay tsy ho vitany mihitsy mandra-pahafatiny, dia namela ho tsangambato ilay «Tantara sy Fomban-drazana», nahitana indrindra ilay «Hafatry ny ombiasy anankiray tamin’ny zanany», i Rainandriamampandry. Taona 1896 io. Zanak’i Rainandriamampandry i Dokotera Rajaonah, izay nanoratra ireo andian-dahatsoratra hoe «Japana sy Japanesa» tao amin’ny Mpanolo-tsaina ny volana oktobra 1889 (nofohazin’i Pastora Ravelojaona ireo lahatsoratra ireo, dimy amby roapolo taona aty aoriana, tamin’ny andron’ny Vy Vato Sakelika). Ny taona 1871, Rajaonah no niala nandeha hianatra tany Edimbourg (Skotlanda) ary raha tafaverina izy ny volana jolay 1882 dia nifanena tamin-drainy izay hidina haka ny toerana maha Governora an’i Toamasina. Ny zanak’i Rainandriamampandry iray hafa, Ramaherilanja, dia nandranto fianarana ihany koa tany ivelany, Norvezy. Izy no nanampy an-drainy tamin’ny teny anglisy nifampiraharahana tamin’ny Vazaha, rehefa Governora tao Toamasina (1882-1895) Rainandriamampandry. Nahatohitra ny Frantsay hatrany ny miaramila teo ambany fifehezan-dRainandriamampandry : nalaza izany Farafaty-Manjakandrianombana izany. Mbola am-perin’ady tamin’ny Frantsay tany Toamasina izy, hatramin’ny 5 oktobra, raha efa nitsahatra ny 30 septambra 1895 ny raharaha taty Antananarivo. Nantenain’i Jeneraly Duchesne ho tendrana Praiministra hanolo an-dRainilaiarivony i Rainandriamampandry, saingy toa nanao fanahy iniana nitaraiky an-dalana hamonjy an’Antananarivo. Nanaiky ho Ministry ny Ati-Tany tao amin’ilay Governemanta «protectorat» sadasada izy. Izy Ministra no voampanga ho mpiray tsikombakomba tamin’ny Menalamba ka nosamborina ny alahady 11 oktobra 1896. Fitsarana sarintsariny raha ny fitantaran’i Jean Carol (Gabriel Lafaille no tena anarany, ary izy no Talen’ny fanaovam-printy). Ny alatsinainy 12 oktobra vao maraina, hono, dia nisy miaramila nanatitra tao aminy ny fanambarana (amin’ny teny gasy sy teny frantsay) ho asisika an-gazety hivoaka ny zoma manaraka io. Efa vita «fandaharana» ny alahady alina (na alatsinainy maraina) avokoa ny zavatra nitranga sy mbola hitranga : ny fisamborana alahady hariva, ny fanamelohana ho faty anefa vao hivory androtr’io ny «Conseil de guerre», ny fampiakarana ho ataon-dRatsimamanga sy Rainandriamampandry (talata 13), ny fandavana izany sy ny fanamafisana ny fanamelohana (alarobia 14), ary ny fizotran’ny famonoana ho faty ny alakamisy 15 oktobra 1896. Malagasy avokoa ireo mpiasa telopolo tao amin’ny Trano printy. Hain-dry zareo hatrany am-boalohany ny lainga efa tsara lahatra. Voatantarany tamin’ny havany. «Notre justice a été jugée», hoy Jean Carol. Voatsara (sady voatsiratsira) ilay Fitsarana tsy an-drariny.
Plus récente Plus ancienne