Accueil » Onjam-piainana » Antsiranana – « Foroches » roa tratran’ny polisy
Onjam-piainana

Antsiranana – « Foroches » roa tratran’ny polisy

Tovolahy roa, 19 sy 16 taona, voalaza fa namono nahafaty tovolahy iray tany Antsiranana tamin’ny
herinandro lasa teo, no nasehon’ny mpitandro ny filaminana ny mpanao gazety tao Antsiranana tamin’ity herinandro ity. Vaovao nampitain’olona no nambaran’ny tompon’andraikitra fa nanamora ny fanatratrarana sy ny fisamborana azy roalahy ireto.
Nambaran’ireo tompon’ andraikitra teo anivon’ny polisim-pirenena fa mpifindrafindra toerana ireto
zatovo ireto ary tsy manana fonenana raikitra. « Misy mpampiatrano foana anefa izy ireo ka mahagaga anay ihany », hoy hatrany ireo tompon’andraikitra.
Raha ny fanampim-panazavana nentin’ny  kaomisera ao Antsiranana  Rabeman­dimby Anatole dia « mbola  misy  zatovo efa-dahy  naman’ireo voasambotra mbola karohina  amin’izao fotoana izao ». Voalaza
nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety fa efa mpanao io asa ratsy io hatramin’ny  ela ary mampihorohoro  ny  mponina amin’ny kartie misy  azy mihitsy.
Ankoatra ilay vono olona iahiahiana azy roalahy dia voalaza ihany koa fa izy ireo ihany no ahiahiana ho nanendaka mpiofana ao amin’ny ivon-toeram-pianarana asa ao amin’ny Secren. « Ny ampitson’ny namonoany ilay tovolahy 16 taona no nanaovany izany asa ratsy izany », raha ny tatitra
voaray. Mbola izy ireo, miaraka amina mpiray tsikombakomba ihany koa no ahiahiana ho namono olona tao amin’ny fokontany Pyroteknoia tamin’ny volana marsa lasa teo.
Raheriniaina

Commenter

Ce formulaire recueille votre nom et adresse e-mail afin que nous puissions valider votre commentaire. Veuillez consulter notre politique de confidentalité afin de prendre connaissance sur la façon dont nous protégeons vos informations.
Je consens à ce que L'Express de Madagascar collecte mon nom et email..

Cliquez pour commenter