Manana andraikitra lehibe ny Depiote sy Senatera satria antoky ny atao hoe «Demokrasia», raha mbola tiana hifandanja tsy mifampitsabaka ny Mpanatanteraka sy ny Mpanao Lalàna.
Ara-Tantara, tany Angletera no teraka tsikelikely (1640-1760) ny antsoina hoe «Demokrasia antenimiera». Ny antony nieran’ny Andriamanjaka, ary isan’ny fahefana fototra nifindra avy taminy ho amin’ny Antenimiera, dia ny fitakiana sy famoriana hetra. Izany no razamben’ny «Lalàna mifehy ny fitantanam-bola».
Tsy fikatsahana tombontsoa manokana satria indrindra ady tamin’ny haitraitran’olon-tokana : hamaky ady atsy sy aroa, hitaona raim-pianakaviana sy lahimatoam-pianakaviana hiantafika, hitaky vola an-tery amin’ny Tantsaha sy ny Mpivarotra hiantohana ny fitaovana sy ny sakafo ary izay hoenti-manana isan-karazany.
Raha misy tolo-dalàna na volavolan-dalàna, tsapa fa tsy mifanaraka amin’ny zava-misy, anjaran’ny Antenimiera no mitsipaka fa tsy manao tsangan-tanana an-jambany fotsiny tahaka ny nanafoanana ny fanamelohana ho faty anefa. Mibaribary isan’andro anefa fa misy jiolahy tsy mendrika ny ho velona intsony mihitsy raha ny habibiany. Iaraha-mahalala hatramin’ireny 2015 ireny fa «soso-kevitra» avy amin’ny Vahiny mpamatsy vola an’i Madagasikara izany hevitra taingina izany : endriky ny fahaverezan’ny fiandrianam-pirenena.
Misy ihany kosa volavolan-dalàna hanatsarana ny fiaraha-monina : tsy ilàna miera amin-dranona na maka tahaka fahatany an-dranona, fa anjaran’ny Antenimiera no mandray andraikitra. Ohatra, ny fanalalahana ny fanalana zaza satria safidy ny te hitondra vohoka na tsia anefa dia voatery manala zaza antsokosoko ary amin’ny fomba tsy lavorary ny vehivavy maro. Ohatra ihany koa ny fanovàna ny lalan’ny Fanambadiana sy ny Fisaraham-panambadiana : olon-dehibe roa no nivady tsy niera tamin’iza na iza, olon-dehibe roa ihany koa no tokony hifanaraka amin’izay tiany hisarahana tsy misy romoromo fa tsy voatery hifampitarika eny amin’ny Tribonaly.
Raha misy volavolan-dalàna tsapa fa ho fivarotan-Tanindrazana na famadihan-Tanindrazana, adidy sy andraikitry ny Antenimiera no mandini-tena, mihaino ny feon’ny fieritreretany tsy ho sandaina vola ho ozon-taranaka.
Ohatra, ny andininy faha 95 ao amin’ny Lalàm-panorenana : «Ny Lalàna no mametra ny fitsipika mikasika : ny zom-pirenena (3°) ; ny fepetra amin’ny fisitrahan’ny vahiny ny tany (22°)». Efa hatramin’ny Faha-Mpanjaka no niankinanan’ny ain-dehibe ireo fanontaniana ireo. Mbola fanta-daza mandrak’ankehitriny, na dia vitsy tena namaky aza, ilay hoe «Charte Lambert» izay saika naha tantely afa-drakotra ny Tanindrazana. Na dia nataon-dRanavalona I (nanjaka 1828-1861) ho andriamasinavalona aza i Jean Laborde, isan’ny nahavaky ny ady tamin’ny Vazaha ny fandavan’ny Malagasy hatramin’ny farany, hanome zo ny Vahiny hividy ka ho tompon-tany eto Madagasikara.
Miverina dinihina eo anivon’ny Antenimiera ankehitriny ny volavolan-dalàna fanavaozana ny fampiasam-bola. Anatin’izany no handinihina ny zon’ny orinasa, ipetraham-bola vahiny maro an’isa na ambany fanaraha-mason’ny vahiny, hividy tany ho tompony tanteraka. Ny fiarahamonim-pirenena moa dia efa naneho fa : na varotra tsotra na fifanekem-panofàna hatramin’ny 99 taona dia «maneho ny finiavana hivarotra ny tany na dia tsy lazainy mivantana aza izany sy tsy tononina anarana».
Nanatrika ny fotoam-panokafana ny fivorian’ny Antenimieram-pirenena ireo Masoivoho vahiny maromaro. Enimpolo amby zato taona aty aorian’ny nandorana ny «Charte Lambert», valoambiroapolo amby zato taona aty aorian’ny nidiran’ny Vazaha teto Antananarivo, hay mbola tsy vita ny resaka. Ka, asa, raha samy hahay hikiry amin’ny heviny.
Commenter
Ce formulaire recueille votre nom et adresse e-mail afin que nous puissions valider votre commentaire. Veuillez consulter notre politique de confidentalité afin de prendre connaissance sur la façon dont nous protégeons vos informations.
Je consens à ce que L'Express de Madagascar collecte mon nom et email..