Accueil » Chronique » Raha foana ny Fanjakana, ry Baroa no tompon’ny laka
Chronique

Raha foana ny Fanjakana, ry Baroa no tompon’ny laka

Nisy nitifitra ny fiara nentin’ny Ben’ny Tanàn’ Antananarivo. Misy hiteny hoe tafahoatra raha oharina amin’ny nitifiran’ny sasany ny Kolonely Ratsimandrava, tamin’ny febroary 1975. Ny tiako hisarihana ny saina dia hoe Mpitondra ambony eto amin’ny firenena, satria tsy tsinontsinona izany Lehiben’ny Renivohitr’ i Madagasikara izany, no misy mifofo ny ainy. Simba ny toe-tsaina eto Madagasikara. Nahilika ombieny ombieny, efa am-polo taona maro, ny fianarana sy ny fitaizana ary ny fahalalam-pomba. Ny vola aman-karena no nasandratra ho Andriamanitra kely ivavahana, ka izay fomba rehetra hanangonana vola no imatimatesana : halatra, risoriso, vono olona. Sehatra maro no anjakan’ny vola. Diplaoma hosoka, Fitsarana tsy ara-drariny, Fandriampahalemana sandaina harena.

Ny fanaovana politika indrindra indrindra dia tsikalakalam-bola sisa, ka na tsy manam-pahendrena aza, na tsy manana sombin-pahalalana akory aza, na tsy mandraharaha ny hoe tombontsoa iombonana aza, dia mety ho lany rehefa manan-katao hividianana ambongadiny ny vato. Manodidina ny politika, izay lasa fahefana fotsiny sisa, dia mitana toerana lehibe ny hery : saingy hery miray tsikombakomba amin’ny fanararaotana maro samihafa, sa hery mba tandroka aron’ny vozona itokian’ny vahoaka ? «Ny fanahy no olona», hoy ny Ntaolo. Very anefa ny fanahy, very fanahy ny fiaraha-monina ankehitriny.

Ny manam-pahefana manao tantely afa-drakotra ny fananam-pirenena, ny olona sasany mibata ho any an-tranony ny fananana iombonana. Iny 26 janoary 2009 iny, izay nitaomana sy nandrisihina ny olona handroba sy hanao izay danin’ny kibony, dia efa fambara izay fomban-jiolahimboto nanaraka rehetra nandritra ny Tetezamita. Hatramin’ny raharaha politika tamin’ny 2002 dia miparitaka baranahiny ny basy sy fitaovam-piadiana. Tsy ny mpitandro filaminana irery intsony no manana azy, tsy ny mpitandro filaminana rahateo no manana ny mahery vaika indrindra.

Ny mpitandro filaminana aza, impiry impiry no tratra fa mampanofa ny basy amin’ny mpangalatra rehefa tsy mandray anjara mivantana amin’ny fanafihana. Ny mpitandro filaminana, tsy misambotra ny olon-dratsy na miaro ny vahoaka, fa lasa «garde-du-corps» an’olombitsy mamahana azy, anefa volam-bahoaka no mbola raisiny isam-bolana. Rehefa ny mpitandro filaminana mihitsy no tsy azo atokisana intsony, satria voavidy vola hanongam-panjakana tahaka ny tamin’ny 2009, dia efa Fanjakan’ ny Ramatahora.

Tsy ny marina intsony no mandresy fa izay avo vava indrindra mandrahona, mampatahotra, mamono, no omena vahana. Rehefa tafiditra amin’ny efitrano Fitsarana, hono, ny politika, dia miala tao ny rariny sy ny hitsiny. Rehefa ny Ramatahora mifandray tendro amin’ny vola halatra no tompon’ny laka, efa foana izany ny Fanjakana, ka ry Baroa sy ny forongony no hanao ny lalàn-jiolahim-boto. Tandindomin-doza ny firenena malagasy.

Commenter

Ce formulaire recueille votre nom et adresse e-mail afin que nous puissions valider votre commentaire. Veuillez consulter notre politique de confidentalité afin de prendre connaissance sur la façon dont nous protégeons vos informations.
Je consens à ce que L'Express de Madagascar collecte mon nom et email..

Cliquez pour commenter