Chronique

Mamalan-kira indray VANF – Betsimitatatra Vakin’Andriantany

Anarana vaovao afaka hiantsoana an’i Betsimitatatra : ho fahatsiarovana ny tanimbary, embona ny farihy nangehiheny, alahelo ny vorompotsy sy laoka-fia nanam-ponenana tamin’ireny.

Vakin’Andriantany, tahaka ny hoe Vakinisisaony, Vakinisahasarotra, Vakinimananara, Vakinidiana. Renirano avokoa ireo : Sisaony, Sahasarotra, Mananara, Iadiana. Raha tsy Imerina no efa anaran’Imerina mety ho azo nantsoina hoe Vakin’Ikopa, faritra tetezin’Ikopa sy ireo rano rehetra mivarina mikambana aminy, nahatonga ilay ohabolana hoe «Mavomavo tonga namana tahaka ny ranon’Ikopa».

Mavon’ny fotaka entin-driaka avy any ambony rehetra any (Ikolonjy, Mantasoa, Andramasina, Ankaratra). Ireto avy ireo «namana» manati-drano amin’Ikopa ireo sy ny faritra hifangaroany rano : Varahina (Ambatobe-Alasora), Ivovoka (Ambohimanambola), Mamba (Ambohidratrimo), Sisaony (Ampangabe), Ampasimbe (Andranovory), Andromba (Bevomanga), Iombifotsy (andrefan’Imerintsiatosika). Ireny sakelidrano maro miharo amin’Ikopa ireny no nahatonga ilay ohabolana iray hafa : «Arivo tatatra, zato renirano, faran’ny rano Ikopa».

Io fotaka io dia nofon-tany manototra antsanga ny tanimbary ary dia miafara ho farihimpotaka midadasika rehefa tafavory ao akaikin’i Maevatanàna Ikopa sy Betsiboka, vao mivarina mamonjy ranomasina ka manentsina ihany koa ny seranan-tsambo ao Mahajanga.

Asa na izay izy mavom-potaka izay no niavian’ny anarana «I-kopa», havan’ny teny indoneziana «Ku-kup» midika hoe «fotaka» na «lompotra», hita amin’ny anarana «Kuala Lumpur», ilay Ankoalan-dompotra any Malayzia.

Zanak’Ikopa ny lakandrano Andriantany, misintaka aminy eo Tanjombato. Tamin’ny taona 1909-1914 no nanamboarana azy, mirefy 20 km ary saika mifanindran-dalana amin’ny lalamby izay tonga hatreny Alarobia taloha. Sady mampidi-drano ny tanimbary izy no manindao ny rano mihoatra entiny mianavaratra-andrefana tonga hatrany Andriantany, ilay vohitra anelanelan’Ambohidratrimo sy Anosimanjaka, andafy atsimon’Ikopa. Teo Andriantany no notsenaina lakana Andriamasinavalona rehefa nampandosirina an’Ambohidratrimo nitanan’ny zanany Andriantomponimerina azy an-keriny.

Rehefa maty io Andriantomponimerina io dia tsy nanaiky Antananarivo ny hampiakarana ny razana ho any an-dRenivohitra. Tezitra noho izany Marovatana ka notapenany ny rano : fempina Andriantany, himpin-drano kosa Betsimitatatra ka tsy nisy nambolena vary. Nanaiky tsy fidiny Antananarivo vao novahana indray Andriantany. Naiditra Fitomiandalana ilay maditran’i Marovatana saingy, araka ny hafatry ny rainy, dia tsy azo namboarina ny tranomanarany rehefa nirodana. Adino moa izany rehefa Repoblikan’i Gallieni ny tany.

Mamakivaky ny faritra iva fonenan’ny rano Andriantany. Mampidi-drano tsy mitatatra. Mahitsihitsy tsy mivily firy hatreo avaratra’ndrefan’Ampefiloha efa hidona amin’ny 67 hektara : hatreo dia milahatra aminy tanteraka ny lalamby Soanierana-Soarano. Eo atsinanan’ny 67 hektara no manomboka miholikolika : Manarintsoa, Ambodin’Isotry, Anatihazo, andamosin’ny taniben’ny gara Soarano, manolotra ny Malacam, Antohomadinika, Ankazomanga, Ankorondrano, Alarobia, dia mihodina atsinanan’Ambohimanarina mamonjy miankandrefana any Ikopa-Andriantany.

Fahiny tsy dia ela, talohan’ny ady lehibe faharoa, mbola azo nolakanina hono Ambodin’Isotry hatreny Anosy-Avaratra. Mbola tsy tara loatra raha vahilavaina ny rano ho lakandrano azo tetezina, hanampy ny arabe efa tsentsin’ny fiara. Nofiko hono, handeha lakampiara Tanjombato-Ankadimbahoaka hatrany Namehana-Antsofinondry.

Commenter

Ce formulaire recueille votre nom et adresse e-mail afin que nous puissions valider votre commentaire. Veuillez consulter notre politique de confidentalité afin de prendre connaissance sur la façon dont nous protégeons vos informations.
Je consens à ce que L'Express de Madagascar collecte mon nom et email..

Cliquez pour commenter