Ritra ny rano


Midanika ny masoandro, maina ny tany, ritra ny rano. Izany hoe «Ikopa rano malaza, ampian'ny tatatra arivo saha» izany dia toa Faha-Gola, tamin’ny andron’ny Nta-Olo. «Faran’ny omby hena, faran’ny rano Ikopa, faran’ny teny ifanatrehana»: tsy Ikopa intsony no faran’ny rano, fa izy Ikopa mihitsy no rano farany. Ireto misy ohabolana ho sarim-pitenenana fotsiny tokoa sisa: Tokam-po tahaka ny siny, tsy manam-po afa-tsy ny rano; Rano tamim-bato, be ampizahana fa tsy misy andraofana; Zatra ankararana ka tsy vitan'ny antsiririka ; Tari-drano ankilahila, ny mania no betsaka; Farihy maty mamba ka itsobohan’ny adala rehetra; Amboa mitsaba-doharano, tsy hetaheta fa hasomparana... Aiza intsony izay rano. Rehefa tsy Andrano-notapahina, dia Amparihy-nototofana. Roa volana lasa, teny amin’ny manodidina an’Ambohijanaka: efa ritra ny fantsakana. Tamin’ny tapa-bolana, izay tetezana lalovana amin’ny lalan’i Majunga, ritra avokoa ny rano tokony sabakaina. Vao andro vitsy lasa, io Laniera fa tany karakaina mihepakepaka. Hanovo aiza Antananarivo ary hisotro inona ny vahoaka tsy hita isa mivangongo eto, atsy ho atsy? Ho ampy intsony ve io Mandroseza efa mihena am-pitoerana io? Tahaka izay ihany, isaky ny andro fahavaratra, namorona Mandroseza faharoa teny Amoronankona, Mantasoa hafa tao Laniera, Tsiazompaniry fiandry tetsy Betsimitatatra. Ny hamerimberenan-teny sao misy mihaino ihany. Lahatsoratra efa nitanisana an’ireo ny «Farihy-Dobo-Kamory tsy ritra Fararano» (17 aprily 2014) sy «Ranobe mangeniheny (16 febroary 2021). Raha nandavaka dobo isika fa tsy nanototra farihy, mety tsy ho voatery handavaka lalina hanafosafo ny fototr’io vatolampy miendrika trafo mitondra ny vohitr’AnalamangaAntananarivo io. «Farihy-Dobo-Kamory tsy ritra Fararano»: Fararano moa izao ny andro, ho ritra tsikelikely indray ny loharano sy farihy. Dia hiverina indray ny fanambarana ombieny ombieny: «Ialana tsiny ny fanelingelenana ateraky ny étiage». Vao teo anefa isika no nahazo tombontsoa tamin’ny ranonorana matevina, nahatondra-drano aza. Rano nojerem-potsiny anefa, rano very fahatany any an-dranomasina. Satria tsy mba nisy mpitondra Fanjakana nihevitra «Alaotra» (laut = ranomasina amin’ny teny indoneziana) na «Itasihanaka» (tasik = farihy amin’ny teny indoneziana) vaovao ambony atsinanan’Antananarivo na ambany andrefan’Analamanga na etsy Laniera. Taloha, vao valopolo taona lasa fotsiny, mbola azo nolakanina, nandehana lakana, miala teo Ambodin’Isotry ka hatrany Isahafa-Avaradrano. Tantara zary angano sisa izany satria ny teo aza, nifaninanana nototofana: nasiana «bypass», namaritana «rocade», novolena «lotissements», natao «67 hectares»... Ny «dobon’i Callixte Savaron» tetsy Imerimanjaka, izany, ny Laniera izany, i Betsimitatatra izany. Farihy vaovao ary ambony atsinanan’Antananarivo, amin’iny faritra Vakini-Varahina iny: Masindray-AlasoraImerimanjaka. Dia farihy tobin-drano hafa koa aty ambany andrefan’Antananarivo: indrisy, io Betsimitatatra totofana isan’andro io...Farihy be hilalaovana lakam-piara, hisangiana trondro-laoka, fitehirizan-dranonorona...Mety ho loharanon’angovo ihany koa na dia malefaka aza ny fidinan’ny lemaka manodidina an’Antananarivo, atsinanana miankandrefana, raha tanteraka eto ilay teknolojia hoe «STEP». Hevero vetivety anie izany farihy-dobo-kamory midadasika izany, hanangonana ranonorana. Vakini-Varahina, VakiniSisaony, Vakini-Mamba, Vakin’Ikopa. Rano hanaranam-po. Mantasoa faharoa. Mandroseza fanampiny. Tsiazompaniry sosona. Iny faritra heverina hananganana ny «AntanambaoTsaramasoandro» iny koa, ohatra, manolotra an’Ikopa sy Sisaony, tobin-drano tsy hita velively! Dia mbola ho totofana na dia efa hita aza fa asan’ny kamo ity «remblais» ity: ny rano alevina, ny tendrombohitra maha Imerina an’Imerina andrimbinana. Jereo fotsiny ny lavaka goavambe etsy ampototr’Ambohidava... «Ranobe mangeniheny»: Mampalahelo mahita ity rano, mbola hotsiriritina Asara, very fotsiny an-tatatra, mivarina ho ony dia afoy an-dranomasina. Io lokom-potaka io no naha Ikopa an’Ikopa: havan’ny teny indoneziana «Ku-kup» midika hoe «fotaka» na «lompotra», hita amin’ny anarana «Kuala Lumpur», ilay Ankoalan-dompotra any Malayzia. Ranom-potaka avy any Andrainarivo, mirotsaka matevina eny Besarety, mibosesika ho any Andravoahangy, tsy kely lalana hamonjy an’Andriantany dia hanamavo ny reniranon’Ikopa izay hivarina ao Betsibo-i-ka. Raha izao anefa no nanamboatra farihy anelanelan’Alasora sy Imerimanjaka, na teny Amoron’Ankona, na tetsy Laniera : Ranobe mangeniheny, Mantasoa ampototr’i Mahazoarivo sy Ambohipeno, Alaotra ambodin’Ambohidroa-Ambohijanahary, Itasy tazanina avy eny Amboatany. Farihy, tobin-drano. Farihy, ho lakanina hitsangatsanganana. Farihy, hanamando ny rivotra rehefa iny migaingaina iny ny Masoandro. Fa tsy azo antsakaina mantsy ny «bypass» sy ny «rocade» ary ny «autoroute». Farihy, dobo, kamory. Zahatra, hono, no nitondra an-dRanavalontsimitoviaminandriana, anabavin’Andriamasinavalona, nampitohy an’Alasora sy Anosimanjaka. Ary ny lakam-piara misy fanarina ? Mba ho hitan’ny taranaka tahaka izay nataon’ny Razamben-dry Andrianerinerina, Andriandravindravina, Andrianoranorana, Andriandranolava, Andriamoraony...
Plus récente Plus ancienne