Actualités Chronique

Ao, Raha ny hevitra

Nitsingerina ny 8 aogositra farany teo ny faha-efatrambinifolo taonan’ny gazety AO RAHA. Sady mbola tanora ihany izany no efa naharitra ihany koa. Mbola tanora raha miohatra amin’ny gazety maro any Angletera, ilay firenena nanome an’izao tontolo izao ny “Demokrasian’ny Antenimiera”. The Times (nivoaka 1785), The Guardian (teraka 1821), The Telegraph (niorina 1855). Tsy kisendrasendra no nifanojon’ny Demokrasia sy ny nahaterahan’ireo gazety telo mbola velona mandrak’ankehitriny ireo, izay sokajiana hoe “Press Quality”, mifanohitra amin’ny “tabloïd” maivan-doha. Gazety tsy milaza vaovao fe vaovao fotsiny, gazety manazava, mitaiza, mampianatra. Fianarana isan’andro mantsy ny Demokrasia, Fitaizana mandava-taona ihany koa. Finiavana an-jato taona maro. Ny Teny, ny Tantara, ny Fomba : toko telo notsiahiviko tamin’ny matoan-dahatsoratra tao amin’ny Ao Raha ny 8 aogositra 2006.

Miherina sahady ny taona voalohan’ny gazety Ao Raha. Fanamby manokan’ny vondron’orinasa “PREY”, izay ahitana ihany koa ny gazety “L’Express de Madagascar” sy ny “Hebdo de Madagascar”, amin’ny fanandratana ny teny gasy.

Saika nifanojo ny taona voalohan’ny Ao Raha sy ny faha110 taona naha zanatany an’i Madagasikara noho ilay “loi d’annexion” lanieran’ny Antenimiera frantsay ny 6 aogositra 1896. Naharitra 64 taona latsaka kely ny fanjanahan-tany, ary na niverina aza ny fiandrianam-pirenena tamin’ny 26 jona 1960, tsy voafafa omaly sy rahampitso ny tarazo sy farasisa ampolo-taona maro. Isan’ireny ny fisakelehina ny tenin-drazana raha lolohavina kosa ny an’ny hafa.

Tsy gazety fe gazety ihany, na fitiavana hanoratsoratra fotsiny, no nananganana ny gazety “Ao Raha” fa misy fotokevitra ijoroana : ny Teny, ny Tantara ary ny Fomba, hoy isika tany am-piandohana, herintaona lasa sahady izay, no ataontsika toko telo hiketrika ny hambom-pirenena. Na inona mantsy na inona fivadihan-javatra ara-politika sy tsongolom-batita aratoe-karena hifandimby eto, tokony afaka hiankina amin’ny andry atokisana sy hamahatra amin’ny kitro marim-pototra ny kolon-tsaina hahafantarana antsika ao anatin’ny tsihibelamban’ny fanantontoloana.

Amin’ny sehatra misy azy, dia ny fanaovan-gazety izany, dia noraisin’ny Ao Raha ho adidy ny fikajiana iray fara-faharatsiny amin’ireo toko telo voalaza etsy ambony, dia ny tenin-drazana izany.

Na inona lesoka, na akory madilana, raha mbola misy manoratra sy mamaky amin’ny tenin-drazana dia velona ny teny gasy. Ezaka iray hafa ary dingana manaraka ny fiezahantsika isan-tokantrano hitaiza ny taranaka fara aman-dimby amin’ny teny nolovaina tamin’ny razana nialoha lalana. Tsara anterina hatrany hatrany fa teny iray hafakely ny tenintsika, tsy nindramina tahaka ny an’ny firenena sasany voatery mampiasa ny tenin’ny mpanjanaka mba hifaneraseran’ny mpiray firenena. Teny mahaliana ny mpikaroka noho ny fihavanany akaiky, tsy mba tetezina akory, amin’ny teny any Azia atsimo atsinanana na dia elanelanin’ny Ranomasimbe Indiana aza.

Fitaovana hary fomba am-bavantsika ny teny gasy, sady tombontsoa no rehareha ka sanatriavina ny hanosi-bohotanana ilo mby an-doha. Ny fijoroantsika amin’ny tenin-drazana dia mety ho soa fianatra amin’ny lafiny hafa rehetra amin’ny fiainam-pirenena. Rehefa tanteraka izay ezaka izay, ilay famaharana amin’ny an’ny tena aloha, dia roso tsy amin’ahiahy isika hivelatra amin’ny vazan-tany efatra araka ilay tarigetra mahafinaritra loatra hoe “3.

Commenter

Ce formulaire recueille votre nom et adresse e-mail afin que nous puissions valider votre commentaire. Veuillez consulter notre politique de confidentalité afin de prendre connaissance sur la façon dont nous protégeons vos informations.
Je consens à ce que L'Express de Madagascar collecte mon nom et email..

Cliquez pour commenter