Mbola olan'ny tanora ny fitadiavana asa amin'izao fotoana izao. Noho izany indrindra no hanaovan'ny sekoly ambony tsy miankina iray fandaharan'asa hampiroboroboana ny fahafahana mahazo asa sy fitsaboana ho an'ny mponina. « Io fandaharan'asa io no entina manampy ny tanora mba ahafahany misitraka asa na dia sarotra aza ny mitady izany ankehitriny. Manome torolalana ny tanora izahay miaraka amin'ny mpiara miombona antoka mba hanamora ny fitadiavany asa. Ireo tanora manana tetikasa sy manao asa tena ihany koa dia toroana hevitra mba hampahomby azy amin'ny tetikasa ataony », hoy Ramanahirana Gérard, talen'ny sekoly ambony tsy miankina ISPPS, omaly, tetsy Fort Duchesne. Nilaza ny tompon'andraikitra fa tsy misy asa omena ny tanora eo anivon'ny sekoly fa manome torohevitra sy torolalana ireo tanora manatona ny ivon-toeram-pampianarana izy ireo. « Efa misy tompona orinasa maromaro miara miombona antoka aminay, ka ireo tanora izay tena tsy mahita asa ka tonga eto dia hadihadiana amin'izay tarigetra sy tanjona iriany. Rehefa izany dia manoro ny toerana tokony alehany sy ny fomba ahatongavany amin'izany izahay », hoy hatrany ny tompon'andraikitra. Misy ny fampiofanana ao amin'io sekoly ambony io fa handoavam-bola fa ny tolo-kevitra sy fanoroana lalana dia maimaim-poana. Fanomezana Rasolomahery