Accueil » Onjam-piainana » Ramaherison Johns – Efapolo taona nandinihana Baiboly
Onjam-piainana

Ramaherison Johns – Efapolo taona nandinihana Baiboly

Nanokana ny fiainan’izy ireo manontolo tamin’ny fitoriana ny filazantsara Ramaherison Johns mivady.

Tsy mpitandrina, tsy relijiozy, tsy evanjelistra, nefa nanokan-tena amin’ny fitoriana ny filazantsara. Efa efapolo taona izao no niasa amin’ny fampahafantarana ny Baiboly Ramaherison Johns mivady ka maro ireo kristianina no mahalala azy na dia tsy malaza sy tsy tia sehoseho aza izy ireo. Hanamarika amin’ ny fomba ofisialy izany jobily izany izy ireo ny faha-19 ka hatramin’ny faha-27-n’ny volana ho avy izao eny amin’ny Institution Sainte Famille sy eny Antsahamanitra.
Mpitarika ny fikambanana mpitantana sy mpiasa mandinika ny Baiboly (Groupe biblique des professionnels engagés na GBPE) izy mivady. Tamin’ny faha-28 aogositra 1976 no niorenan’ity fikambanana ity ary Fikambanan’ny mpiasa mandinika ny Baiboly (Groupe biblique des travailleurs – GBT) no anarana nentiny tamin’izany. Ny hahamaro ny mpitondra sy mpitantana ary mpiasa hiaina ny maha-kristianina no tanjon’ity fikambanana ity.
«Diso hevitra ny olona indraindray milaza fa antsoina hoe kristiana ireo mpanara-dia an’i Kristy. Ny fananana sy fitondrana an’i Jesoa ao anaty no izy ka lasa fahazavana sy fanasina ilay niova fo. Tsy be resaka izy fa ny fihetsika sy fitondrantena mendrika no entiny maneho izany eo amin’ny sehatry ny asa sy ny fiaraha-monina», hoy Ramaherison Johns manazava.

Vina sy iraka
Na dia hampahafantatra ny Baiboly amin’ireo mpiasa sy mpitantana aza no tanjon’ny fikambanana dia tsy nihambo ny hanangana fiangonana na antokom-pivavahana na hanao mpitandrina izy mivady. Aminy dia «tsy ny fombafombam-pivavahana no tokony hifotorana fa ny fibanjinana ireo vina sy iraka hamerina ny olona handeha amin’ny fahamarinana».
Miely patrana maneran-tany ity fikambanana ity ka efa misandrahaka any Frantsa sy Maorisy ary eto Mada­gasikara ny foibeny. Raha ny voalazan’ireo tompon’ andraikitry ny fikambanana dia maro ireo olona ambony sy manam-pahefana efa manatevin-daharana ny fikambanana. Isaky ny alatsinainy sy alarobia ary zoma no hivorian’ny fikambanana sy hampianarany ary handinihana miaraka ny Baiboly ka eny amin’ny FJKM Antanimena atsinanana,  FMTA Ambato­nakanga ary eny amin’ny FJKM Isotry Fitiavana no andraisany ireo mpikambana sy ireo rehetra liana amin’ny fandinihana ny Baiboly.

Farah Raharijaona

Commenter

Ce formulaire recueille votre nom et adresse e-mail afin que nous puissions valider votre commentaire. Veuillez consulter notre politique de confidentalité afin de prendre connaissance sur la façon dont nous protégeons vos informations.
Je consens à ce que L'Express de Madagascar collecte mon nom et email..

Cliquez pour commenter