Maro ireo manahy ny mety hiverenan'ny korontana toy ny tamin'ny taona 2009. Horohoro sy tahotra no nahazo ny mponin' Antananarivo, omaly, nandritra ny hetsika mangina nataon'ny mpanao gazety. Ankavitsiana tamin'ireo mpitantana tranombarotra sy mpamongady manodidina an'Ankorondrano sy Analakely no tsy nanidy ny tsenany, omaly. Iray amin'ireo nanakaton-tsena ny tranombarotra lehibe Magro etsy Behoririka. Nanodidina tamin'ny iray sasany tolakandro teo dia efa tsy nandray mpiantsena intsony ny mpivarotra tao. Ireo izay efa tao anatin'ny trano ihany no noraisina fa tsy nampiditra mpiantsena hafa intsony ity tranombarotra lehibe ity izay efa niharan'ny fandorona tamin'ny taona 2009, araka ny fitantaran'ny mpiantsena iray sendra nandalo tao. Ankoatra ny mpivarotra natahotra ny korontana dia maro ihany koa ireo olom-pirenena nisafidy ny hijanona tany an-tranony noho ny ahiahy amin'ny fiverenan'ny fikorontanana eto amin'ny firenena. Anisan'ny tena nampihorohoro ny fisian'ny mpitandro ny filaminana marobe niatrana, teny Ankorondrano ka hatreny Analakely, tahaka ireny hiatrika ady ireny. Rehefa nosakanan'ny mpitandro ny filaminana anefa ny hetsika dia nirava am-pilaminana ireo mpanao fihetsi- ketsehana. Tsy nisy araka izany ny korontana nahian'ny mpitandro ny filaminana na dia nisy aza ny fanipazana baomba mandatsa-dranomaso nataon'izy ireo. Fanomezana Rasolomahery