Accueil » Chronique » Haintenin’ny Ntaolo
Chronique

Haintenin’ny Ntaolo

Raiko aza Ramasoandro
Reniko aza Ravolana
Vahoakako aza ny kintana
Basiko aza ny varatra
(H)ianao no vazo tiako
Tantara vita ho azy ny Haintenin’ny Ntaolo sy ireo anarana voatefi-mirindra, teny tokana mahalaza betsaka. Matetika moa dia ny dingan’ny fifankatiavana no ambetin-dresaka ka dia voahosotra anarana mahatsikaiky aloha ny lahy (Randriatongatsinafarana, Randriamatoamatetipihavi­toatompony) raha voadokadoka kosa ny vavy (Rasoahagohago, Rabarimasomanafatra).
Fony mbola mifampizaha, Randriambola sy Randriambarahina ny lahy, Ramielovola na Ramielovoahangy ny vavy. Tany mbola mifandefitra, volon-kotona Andriamatoa raha ravim-bero Ramatoa.
Fotoan-tsarotra iadiana amin’ny voninahitry ny tena mifangaro henatra ny hafa : «miantso, matahotra ho ren’ny olona ; mitsangana, matahotra ho hitan’ny olona» ; hangataka menatra, tsy hangataka manina». Hafatra tokana manao teny roa : «Hafahafao ny fiteny, salasalao ny filaza : aza lazaina tsy ho manina aho, Fandrao ataony dia manadino; Aza lazaina ho manina aho, Fandrao ataony miendrik’adala».
Voarohirohin-kenatra marina ny vava, voafatopato-baraka tokoa ny molotra. Saingy, raha hitandro henatra, tsy hanan-tiana : fandrotrarana amoron-dalana, tsy hamingana ho lavo, fa misakana mba hiresaka.
Inona moa tsy aingam-panahy rehefa manina : «Ny tandindon-dambany aza manitra, ka mainka ny lamba fitafiny». Fanajana firifiry no tsy atao : «Veloma tahaky ny andro aman’alina, Masina tahaky ny marain-tsy hariva».
Ela ny ela nandaharana ny lahy, sasatra ny mandà ny vavy, vao mandeha tsy voizina toa lakana.
Fony Ravehivavy tiana hitomoetra natao hoe «voan-kazo nirina, akondro notadiavina». Fa rehefa vady no tiana hisaorana, mahavaky vava azy akoho taman-trano : «Fony naka, nanao tsy omby lalana ; Nony nanary, manao tsinontsinona; Fony nangataka, nivelatra hoatry ny tafobe; Nony nisaotra, nihorona toa tapenaka».
Anarana tokana ihany dia efa mahafehy ny tantara : Rafaraelanandeferana ny vavy, rehefa Randriamatoa­havanaihavanolona ny lahy sy ny fitiavany toa tsimpontsimponina.
Mandalo mantsy ny andro, nifandimby hatrany ny volana, nivalona tokoa ny taona : Randriamatoamatetipihavitoatompony somary nakoraina taloha nanjary Andriamatoamaha­lampihavitoahena ankehitriny.
Mety Rasoamahalefitra, saingy hatramin’ny oviana, Ramatoasarotrafoitoinivary nangolaina hoe Rasoahanitriniala fahiny ? Rehefa ho voatonona ho Rasoafitohatsarantarehy, zana-Rafotsibevalohery ny vavy, efa ho avy ny filana kisa : Rakototaninavona Andriamatoa, Raharompitososona Ramatoa.
Hianao Rasoahagohago
Izaho Ramitandrohenatra
Hianao Ratsimahasoronafo
Izaho Ratsimahazokitay
Hianao Ratsimahatsakarano
Izaho Ratsimahatotovary
Fitia efa ho lany ary tambitamby efa madiva, mpivady tsy mifankatia e, ho mpianadahy mifanaja.

Commenter

Ce formulaire recueille votre nom et adresse e-mail afin que nous puissions valider votre commentaire. Veuillez consulter notre politique de confidentalité afin de prendre connaissance sur la façon dont nous protégeons vos informations.
Je consens à ce que L'Express de Madagascar collecte mon nom et email..

Cliquez pour commenter