Lahatsoratra efa nivoaka tamin’ny 14 desambra 2010 ity. Teloambinifolo taona aty aoriana, mbola tsy misy nandrombinana. Ny hoe madilana tetenina angamba dia ny fampatsiahivana ireo didy hitsivolana sy lalàna (62-004 tamin’ny 24 jolay 1962, 73-010 tamin’ny 24 martsa 1973, 73-040 tamin’ny 4 aogositra 1973) ary didim-panjakana nifanesy (2002-1170 tamin’ny 7 oktobra 2002, 2004-299 tamin’ny 3 martsa 2004, 2007-151 tamin’ny 19 febroary 2007, 2009-890 tamin’ny 2 jolay 2009) samy namariparitra sy namepetra ny firafitra sy fomba fiasa ary andraikitry ny Fokontany sy Fokonolona : an-tanan-tohatra ambany indrindra amin’ny rafi-panjakana, hangalan’ny Ministeran’ny Ati-Tany sy ny Governemanta bahana manokana mihitsy ny fanovàna azy ombieny ombieny, mba hanara-tena mifandraika amin’izay sahaza ny mpitondra am-perin’asa. Io mantsy no tena katsahina, fa izay hoe «fampandrosoana» resaka ka atao. Antananarivo-Renivohitra ohatra, manana Fokontany 192. Fa ny Fanjakana foibe no tompon’ny omby volavita. Antananarivo-Renivohitra mpamerin-doha, ketsa tsy mahafehy tena, angady mondro. Mena ambanin’ny mena.
Vakin’ny kabary nataon-dRazafindravahy Edgard, mbola mpitantana ny Tanànan’Antananarivo hatramin’ny fotoana anoratana (2010) : » Mbola tsy afa-bela, eny e, mbola tsy afa-trosa mihitsy, amin’ny mponin’Antananarivo isika mpitondra isan’ambaratonga, satria dia mbola tsy mahefa, indrindra ara-bola, amin’ny maha Renivohitra azy Antananarivo. Tokony ho ketsa mahafehy tena ny Tanàn’Antananarivo, saingy ny didy aman-dalàna iainana hatramin’izay dia sanatria maha angady mondro tsy mahatapaka ahitra ny Renivohitr’i Madagasikara ».
Mena ambanin’ny Mena raha ny Mpitantana ny Tanàn’Antananarivo. Ny tena olana dia izay fahazarana nitranga hatramin’ny 2002 : raha tafapetraka tetsy Ambohitsorohitra, misy ny Lapan’ny Filoha, Marc Ravalomanana, dia tsy nahafoy ny fahefana nahazatra tetsy Mahamasina ka izay PDS rehetra notendrena dia natao Mena ambanin’ny Mena avokoa. Raha mba nisy iray lany tamin’ny fifidianana dia nitadiavana hevitra ho Ministra vao nalefa sesi-tany ho Masoivoho. Tonga indray ary ny 2009 : tafapetraka ihany koa tetsy Ambohitsorohitra Andry Rajoelina kanefa tsy nahafoy rahateo ny fahefana nahazatra fony Ben’ny Tanàna teny Mahamasina. Ny indro kely, tsy voatery hitovy toetra avokoa ny olona, ka eo ny manara-drian-drano ao kosa no manoha riana, indrindra raha mahatsapa manana ny rariny.
Renivohitr’i Madagasikara Antananarivo. Amin’ny maha-Renivohitra azy dia manana sata manokana izy. Saingy, ampy sa tsy lany ve izany sata izany, raha miohatra amin’ny Renivohitra hafa manerana izao tontolo izao ? Saingy, maninona koa moa no handinika sahady izay iainana any an-kafa raha toa ka mazava avy hatrany ny tanjona eto an-toerana : Renivohitra mahafehy tena, manana ny fidiram-bolany manokana tsy anaovana androrosy lava amin’ny Fanjakana foibe, mandidy sy manapaka ny fiainany andavanandro, henoin-teny ary hangalana hevitra mba tsy ilazana hoe ierana amin’izay tetik’asa rehetra mahakasika ny fari-bohiny, na mety hanohina ny tombon-tsoany, sa ndrao miantraika amin’ny fiainan’ny mponina ao aminy.
Antananarivo, ankehitriny ? Mpiandry omby volavita, ka tsy tompony fa mpamerin-doha. Salotsalovan’ny ambaratongam-panjakana ito, itsabatsabahan’ny ambaratongam-pahefana itsy, adikadinin’ny ambaratongam-panjakana iry. Antananarivo tian-ko honenana, ka satan’Antananarivo tsy ho arahina ?
Commenter
Ce formulaire recueille votre nom et adresse e-mail afin que nous puissions valider votre commentaire. Veuillez consulter notre politique de confidentalité afin de prendre connaissance sur la façon dont nous protégeons vos informations.
Je consens à ce que L'Express de Madagascar collecte mon nom et email..