Fitaizana amin’ ny soa fianatra


Imoron-tevana hivarina mihitsy ny firenena. Maro ny antony voatanisa (krizy ara-toe-karena, fahantrana isan-tokantrano, «fanjakan’ny madinika», sns) fa ny tena fahalovana dia ny nanaovana tsinontsinona ny «Fitaizana Olom-pirenena» efa ho 45 taona izao. Samy resy lahatra fa ny famerenana izany Fitaizana izany ifotony, amin’ny zaza madinika isam-pianakaviana sy any an-tsekoly, no hany hivoahan’i Madagasikara amin’izao hady mandifotr’olona izao. Mizara Loha-hevitra maro izany «Fitaizana Olom-pirenena» izany. Tantara. Teny. Fomba. Madagasikara. Olona. Asa. Fambolena. Fiompiana. Sakafo. Varotra. Indostria. Tany. Tontolo. Biby. Zavaboary. Fiaraha-monina. Didy aman-dalàna. Boky maro sahaza ny isan-taonam-pampianarana vao mahenika izany. Ny androany, taridresaka tokana no arosoko ho ohatra. Ny «Fiandrianampirenena» : Madagasikara imason’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, Madagasikara imason’ny vahoaka Malagasy, «Madagasikara ho an’ny Malagasy, Malagasy kosa ho an’i Madagasikara» arak’ilay hiran’i Ludger Andrianjaka. Faharoa azo heverina manaraka : «Fiaraha-Monina» : ny fahafahanao tsy hanelingelina ny fahafahan’ny hafa, ny fahafahana miteraka andraikitra, ny fahafahana ananana adidy. Raha izaho tokoa no mampiana-janaka, tahaka izao ohatra no tiako ho saininy, heveriny, ho fakafakainy, hiainany, hampitainy.
  • Lohahevitra Ampianarina : FIANDRIANAMPIRENENA
  • Toko 1 : Firenena sy Olom-pirenena Ry Tanindrazanay Malala ô
  1. Ny Saina Fotsy-Mena-Maitso
  2. Madagasikara, Nosy midadasika
  3. Malagasy, Foko valoambinifolo
  4. Teny malagasy, fototra indonesiana iray
  5. Ny Repoblika sy ny Fanjakan’Andriana
  6. Ny Fanjakana tokana sy ny Fanjakana federaly Ny Latsa-bato sy ny Demokrasia
  7. Ny Hetra sy ny tambiny Ny Fahefana sy ny Vahoaka
  8. Ny Fananam-bahoaka
  9. Mpiasam-Panjakana
  10. Voambolana dinihina : Tanindrazana, Firenena, Tenin-dReny, Tenin-dRazana, Tenim-Pirenena
  • Toko 2 : Vanim-potoana Fiverenan’ny Fahaleovantena
  1. 26 jona 1960 : Fanambarana imasom-bahoaka ny Fahaleovantena
  2. 14 oktobra 1958 : Fanambarana ny Repoblika
  3. Aprily 1957 : Fifidianana isaky ny Antenimieram-paritany
  4. 1956-1957 : Rafitra tokana sa Rafitra federaly
  5. 23 jona 1956 : Loi-Cadre
  • Toko 3 : Vanim-potoana Fanoherana ny Fanjanahantany
3.1: Teto Madagasikara
  1. 29 marsa 1947 : Inona marina no nitranga ?
  2. 4 oktobra 1948 : Fanamelohana ho faty ireo Solombavambahoaka MDRM
  3. 1915-1916 : Raharaha Vy Vato Sakelika (Ravelojaona, Ny Avana, sns)
  4. 1896-1897 : Menalamba, Rabezavana, Rabozaka, Toera, sns.
  5. 15 oktobra 1896 : Fitifirana an-dRainandriamampandry sy Ratsimamanga
3.2 Sehatra Iraisam-pirenena
  1. 25 aprily 1955 : Mifarana ny Fivoriambe Asia-Afrika tany Bandoeng (Indonesia)
  2. 7 mey 1954 : Ady tao Dien Bien Phu, resin’ny Vietnamiana ny Frantsay
  3. 6 marsa 1946 : Neken’ny Frantsay ny Fahaleovantenan’ny Vietnam
  4. 1939-1945 : Lefy Great-Britaina sy Frantsa : akon’ny Ady Lehibe tamin’ny Fanjanahantany
  5. Ohatra dinihina manokana : Ethiopia
  6. Ohatra dinihina manokana : Japana
  • Toko 4 : Madagasikara talohan’ny Fanjanahantany
4.1 Ny tsangambato rehareha iombonana 4.2 Ny madilana mbola tsy marimaritra iraisana 4.3 Tantara Malagasy sy/sa Tantara isam-Poko ? 4.4 Voambolana dinihina : Karazana, Fokonolona, Foko 4.5 Daty dinihina : 23 oktobra 1817, 30 septambra 1895, 6 aogositra 1896
Plus récente Plus ancienne