Accueil » Chronique » Faria fa tsy Farihy
Chronique

Faria fa tsy Farihy

«Ny riaka no valam-paria», izany hoe hipaka hatrany an-drano­masina ilay Fanjakana tokana nokasain’Andrianam­poinimerina, izay niamboho tamin’ny 1810.

Ny votoatin’io Faribavan’Andrianampoinimerina io no kasain’i Profesora Ranjeva Raymond hazavaina sy velomina indray am-po sy am-panahin’ny Malagasy. Misy horonantsari­mihetsika, «Nampoina», hivoaka amin’ny tapan’ny faharoan’ny taona 2022 noho izany.

Hiezaka hanakaiky indrindra ny zava-nisy tamin’ny dimampolo sy roanjato taona lasa Ranjeva Raymond sy ireo Mpahay Tantara ary Arkeôlôgy miara-miasa aminy. Any Anjozorobe, ohatra, no hanatontosana ny horonantsary satria ny ala any tsy ahitana ireo kininina sy sapins nampidirina taty aoriana. Tsetsatsetra tsy aritra fa tao Anjozorobe no voatanan’ny lovantsofina ho nitodian’ireo Razambe niakatra avy any Maroantsetra, arivo-arivo taona lasa.

Hisy ady hevitra maro hanodidina ity horonantsary ity, na dia ny endrika heverina ho omena an’Andrianampoinimerina ihany aza, satria tsy nisy fakan-tsary tamin’ny androny, no tsy nisy nanao ny sariny. Barthélémy Hugon no hany nahita azy mivantana, tamin’ ny 3 mey 1808, ka sady namela soratra mikasika izany («Aperçu de mon dernier voyage d’AnCova de l’an 1808»).

Mazava ho azy, fa tsy Andrianampoinimerina velively ilay sary milanja lefona naparitaka nandritra ny Fanjanahantany ary manemitra ny boky maro, indrindra any an-tsekoly. Sary diso efa tokony ho fafàna. Tao amin’ny Akademia Malagasy, ny 21 jona 1956, dia efa nisy famoasan-kevitra nataon’i J.T. Hardyman momba io sary diso io: hoso-doko nataon-dRamanan­kirahina tamin’ny 1905 (95 taona taty aorian’ny nahafaty an’Andrianampoinimerina) izay naka tahaka sary navoaka tany Londres ny taona 1833.

«Ny riaka no valam-paria»: very soratra ihany koa io teny hoe «FARIA» io noho ny fitoviam-panononana amin’ny hoe «FARIHY». Tsy misy dikany anefa raha hoe «ny ranomasina no valam-parihy», satria raha izany dia ranobe mangeniheny hatrany amorontsiraka izany Madagasikara. Ny sarin’ny tanimbary sy ny fefiny, zava-dehibe indrindra nisahiranan’ny Ntaolo hatrizay, no noraisin’Andrianam­- poinimerina mba hipaka an-tsain’ny olona ny vina kasainy.

Ny Rakibolana nataon’i Richardson (taona 1885) dia mbola nahitana mazava ny hoe «valam-paria», VALA + FARIA, izay samy teny nolovaintsika tamin’ny Malay sy Indoneziana. Ny Diksionera nataon’i Abinal sy Malzac (taona 1888) dia efa nanafangaro ny «valam-paria» sy ny «valam-parihy».

Tamin’ny Mamalan-kira, 24 novambra 2016, «Abidia», dia mba niezaka nanazava aho: «ALAOTRA. Ranobe mangeniheny ao afovoany avaratry ny Nosy. Mahagaga ihany ny nanomezan’ny Ntaolo ny anarany. Ny teny «laut» mantsy dia teny indoneziana midika hoe ranomasina (air-masin amin’ny teny indoneziana midika hoe rano-masira). Ny ranobe iray faharoa lehibe aty afovoan-tany dia nantsoiny hoe «Itasihanaka», avy amin’ny teny indoneziana hafa hoe «tasik», izay midika ho «farihy» rahateo. Ny Foko Sihanaka izany dia ireo olona mponina manodidina ny «tasik laut». Ny teny hoe «Farihy» dia tokony tsy ho afangaro amin’ny hoe «Faria»: ity farany, avy amin’ny teny indoneziana hoe «parit», ary raikitra amin’ny faribavan’ Andrianampoinimerina hoe «ny riaka no valamparia».

Tsara, raha vokatry ny fanaparitahana ity horonantsary «Nampoina» ity, ny hanitsiana ihany koa io fandisoan-teny io.

Commenter

Ce formulaire recueille votre nom et adresse e-mail afin que nous puissions valider votre commentaire. Veuillez consulter notre politique de confidentalité afin de prendre connaissance sur la façon dont nous protégeons vos informations.
Je consens à ce que L'Express de Madagascar collecte mon nom et email..

Cliquez pour commenter