Chronique de Vanf

Sanatria izao hanao faribolana amin’ny loto

Nikarakara Vela-Kevitra manodidina ny Tontolo Iainana ny CEDS (Centre d’Études Diplomatiques et Stratégiques) ny sabotsy 8 jiona teo. Teny amin’ny Oniversiten’Antana­narivo no nanatontosana izany na dia nisokatra nalalaka ho an’ny daholobe aza satria andraikitry ny rehetra ny tontolo iainana.
Io sabotsy io, isan’ny resaka tao ny Fahadiovana eo anivon’ny Fiaraha-Monina. Aleo zaraina avy hatrany ny sombiny amin’ny Didy aman-Dalàna mifehy izany, nozarain’ny BMH (Bureau municipal d’hygiène : ahoana moa izao izany amin’ny teny gasy ?).
Voarara avokoa ireto manaraka ireto : fandoroana fako ; fanariana fotaka, fanariana fako mivaingana, fanariana fivalanandrano na diky anaty fanariam-pako ; fanipazana amin’ny lalam-bahoaka, amin’ny sisin-dalana, anaty lakandrano, amin’ny fantsona fanariana rano maloto, ny diky, fako avy any an-dakozia.
Voarara tanteraka ny manipy rano maloto avy eny am-baravarankely na amin’ny lalambahoaka. Voarara ihany koa ny manipy anaty lakandrano, farihy, ireo fako, potipoti-javatra isan-karazany, indrindra ny diky sy rano misy menaka.
Trano firifiry eto Antananarivo, trano hitam-poko, hitam-pirenena, manolotra arabe, no manipy ranon-dolana amin’ny arabe, arahin’ny poti-bary sakafon’ny voalavo sy ny lalitra ? «Hôtely gasy» firifiry no tsy manana trano fivoahana ka manditsaka na mangery etsy sy eroa manodidina eo ny olona misakafo ao aminy ? Fomba ahoana moa nanomezana alalana ireny «Hôtely gasy» ireny hanolotra sakafo anefa na ny rano aza tsy misy ao fa mbola antsakaina, ary ny rano avy any an-dakozia trotroina amin’ny daba dia araraka mivantana amin’ny lakandranom-panjakana ? Dia manana «lot trano» anefa, dia misintona jiro ihany koa, dia mitovy aminao manara-dalàna sy manara-penitra.
Fantatry ny olona ao amin’ny Fokontany ve fa tsy mety avokoa ireo voatanisa etsy ambony ireo, satria ny Fokontany no maso voalohany indrindra isam-paritra. Mahalasa saina mantsy sao tsy manana lava-piringy antranony akory ny mpiasa ao amin’ny Fokontany fa mbola mitaona ny malotony amin’ny daba ary manary izany mivantana amin’ny lakandrano. Sao tsy manana fantsona mandefa ny rano an-tokantrano mivantana any ambanin’ny tany ny tompon’andraikitra ao amin’ny Fokontany fa mbola isan’ireo mpanipy rano avy eny ambaravarankely. Sao tsy manana JIRAMA an-tranony ny olona ao amin’ny Fokontany ka tsy mahataitra azy raha taomina amin’ny daba avokoa, na rano hiditra indrindra fa rano hivoaka ?
Izao fako avy an-dakozian’ny sasany izao, izao diky mitosaka amin’ny arabe izao, izao rano masiso atsipy amin’ny arabe izao, izao hani-masaka amidy am-pototry ny WC izao, izao voankazo amidy amin’ny tany izao, izao hirahira mafy manelingelina ny manodidina izao, izao tranokely atao peta-toko etsy sy eroa izao : sao ireny aza no heverin’ny Fokontany fa amin’ny laoniny ka tsy misy mahataitra ?
Ny fiarahana monina eto efa tsy fiaraha-monina intsony. Fitaizana mifanao atsimo sy avaratra loatra. Ka ny sasany mba tsara taiza, ny sasany tsy voataiza mihitsy. Ny sasany efa zanak’Andrenivohitra, ny sasany mbola zafikelin’Ambanivohitra. Raha sosotra iretsy voalohany, noho ny Renivohitra tian-konenana anefa ny satan’ny Renivohitra tsy arahina, iretsy faharoa indray no gaga. Dia iretsy voalohany miaina tanteraka ny satan’ny Renivohitra indray no lazaina ho mihafafaha.
Tsy misy hanao «Faribolana» amin’ny maloto, voretra, maimbo, kosa aloha. Satria, misy LOTO tsy azo hifangaroana, Misy FITAIZANA ratsy tsy hihavanana.

Commenter

Ce formulaire recueille votre nom et adresse e-mail afin que nous puissions valider votre commentaire. Veuillez consulter notre politique de confidentalité afin de prendre connaissance sur la façon dont nous protégeons vos informations.
Je consens à ce que L'Express de Madagascar collecte mon nom et email..

Cliquez pour commenter