Foto-tsakafo, bibikely


Etsy Nanisana, tsy dia mifanalavitra, ny Foibe «famongorana» ny valala sy ny MPE, toerana nampiantrano, farany teo (4-7 mey 2023), ny Tsenaben’ny Fambolena sy Fiompiana (FIEPA). «Famongorana» izany ve tsy fandripahana hatramin’ny tamingany farany : sao mba hitadiavana dikanteny hafa ny hoe «lutte anti-acridienne», satria tsy sanatria hamafa tanteraka ny valala eto Madagasikara akory ny tanjona. Tsy dia nivoatra loatra ny fijerintsika ny fiarahana monina amin’ny «bibikely» raha io teny «famongorana» io no resahina vetivety. Tamin’ny febroary 1946 mantsy, dia izao no azo vakiana ao amin’ny «Firaketana» : «Ny ankabeazan’ny bibikely dia tsy mahasoa, ary misy maro mampidi-doza aza : mitsentsitra rà, mamindra aretina, manimba ny hanina, ny fambolena, ny fiompiana. Vitsy foana no mba mahasoa. Ny fandringanana ireo fahavalo dia ny fiompiana ny bibikely na biby lehibe hafa mpandevona azy, na ny fandoroana amin’ny afo na fanafody, fandrarahana poizina, etsetra». Fandringanana 1946 = Famongorana 2023. Ny «bibikely» no nahavery anarana an’Ingahy Jules Prosper Goudot, «entomologiste» nivahiny teto fony faha Ranavalona I (nanjaka 1828-1861) : mpanangona sy mpandinika ny «insectes» izy ka very anarana hoe «Mose Bibikely». Fa na ny Ntaolo aza dia efa fatra-pandinika ny bibikely. Raha ny valala fotsiny, anaran-karazana maro hita ao amin’ny «Rakibolana» : adrisa, aketa, kijeja, tsibody, tsikara, tsikondry, tsimbaivay, tsimbatavata, tsimbolavola, tsimpefe, tsindakana, tsingarangarana, tsingetana, tsinombina. Ny lolo ihany koa dia fantany tsara : fanday aloha, vao olimpanjehy, miofo ho samoina. Tahaka izany koa ny angidina : tsindretra vao foy, tsikona rehefa miofo voalohany. Tsy adinony ny voangory : sakivy, monany, rangahy. Isan’ny anarana iantsoana ny valala ihany koa ny hoe «Kila» : valala may eny an-tanety ka angonina hamahanana vorona na kisoa (Rakibolana). Iza no mbola tsy nisambotra valala, na nanangona ireo mandrakotra tafontrano na tokotany. Fony mbola kely, izahay efa nitono voangoribe tamin’ny fatapera madinika sahaza ny ankizy. Na ho an’ny biby fiompy, na ho an’ny olombelona mivantana, mpihinana bibikely ny Gasy taloha. Tamin’ny taona 1877, ilay Vazaha Nicolas Mayeur dia nanatrika ady nifanandrinan’ Antananarivo sy Alasora. Natsahatra ny ady rehefa nandalo ny andiam-balala satria hoy ny mpifanandrina hoe : «Raharahan’ny rehetra ny ady amin’ny valala ; ny ady an-trano adidin’izy nikotrika azy». Voatanisa ao amin’ny Tantara Ny Andriana (lovantsofina nangonin’i Mompera Callet teo anelanelan’ny taona 1864 sy 1883) ho namidy teny an-tsena tamin’ny andron’Andrianampoini­merina (nanjaka 1792-1810) ireto bibikely ireto, ka azo an-tsaina fa tahaka ireny tsena mbola fahita any Asia Atsimo-Atsinanana sy Shina ireny tamin’izany fotoana izany, roanjato taona lasa : - Tsindretra : tonga angidina rehefa avy miofo fanindroany - Ondrindrano (na tsikona) : anarana omena ny angidina eo amin’ny fiofoany faharoa rehefa avy miala amin’ny maha tsindretra azy, izay fiofoany voalohany raha vao mivoaka ny atody - Tsindrahaka : karazan-kadradraka mivelona any anaty rano ka atao hoe «tsimahatafitena» raha mbola kely - Tsikovoka : anaram-bibikely any anaty rano, tahatahaka ny voangory ka lavalava boribory ny tenany sady voarakotra hoditra mafy, fa ny tongony aoriana no entiny mivoy rano - Fangorinana : bibikely miofo ho tsikovoka - Kijeja : valala vao foy Hatramin’ny nanorenan’ny olombelona fonenana teto amin’ity Nosy ity, roa arivo taona mihoatra na latsaka, ary indrindra hatramin’ny nampidirana ireo mpiraoka ahitra (omby, ondry, osy) roanjatosiarivo taona tany ho any, dia simba ny ala ary ngazana ny tanety. Manerantany indray kosa, amin’ny taona 2050, ahiana ho tafakatra 9 arivo tapitrisa (9.000.000.000.000) ny isan’ny olombelona. Tsy maintsy hitombo manaraka izany ny filàna ara-tsakafo ho an’ny olombelona sy ho an’ny biby fiompy. Hisy tombom-besatra amin’ny tontolo iainana : tsy fahampian’ny tany fambolena, tsy fahampian-drano, tsy fahampian’ny angovo mamahantena, fahasimban’ny ala, fandripahana ranomasina... Isan’ny nahatonga ny FAO, efa hatramin’ny 2003, hanadihady inona sy ahoana ireo bibikely azo hanina (insectes comestibles). Mety lalana tsy maintsy hiverenana indray eto Madagasikara. Marobe anefa ny ahiahy sy fanontaniana. Maro ohatra ny karazam-boangory : voanantoka, voangaly, voanosy, voantay, kolakola... Fa raha hihinana isika, mety hanahirana ny saina ilay hoe «voantay». Tahaka izany koa hoe hihinana lalitra sy kadradraka, na dia tsy mivantana aza fa efa voatoto ho an’ny kisoa sy ny vorona na ny trondro... Ny lolo sy ny tantely ary ny fanenitra na ny fangaraka, bibikely mpamindra vovombony ka tsy maintsy arovana fatratra. Raha hihinana ny olitra sy sakoivy ihany koa : sao hahalany tamingana ny bibikely. Ny hala, ny vitsika, ny fanday : samy manana ny anjarany amin’ny tontolo iainana ihany koa. Raha hihinana bibikely izany ny olombelona, tsy maintsy mampitombo anaty fiompiana voatokana. Any Thailanda ankehitriny, misy roa alina ireo toeram-piompiana valala, izay mamokatra proteina 7500 taonina isan-taona. Raha hamokatra singa-proteina iray hono, ny angely kely masonkarena noho ny omby (avo enina heny), ny ondry (avo efatra heny), ny kisoa amam-borona (avo roa heny). Ny fiompiana bibikeky ihany koa tsy miteraka «gaz à effet de serre» na amoniaka. Tanety tena lava misy isainana maro ity resaka ity. Mbola ny fanontaniana omban’ahiahy no betsaka noho ny valiny maha afa-po. Ndeha faranana vetivety amin’ny fitsinjovana ny tontolo iainana, ny zava-boahary, ny zavamaniry, ny biby, ny bibikely. Misy lafin-tsara ny fady : ny soherina, ohatra, dia nahazo fadim-pitenenana hatramin’ny nandraisan-dRasoherina (nanjaka 1863-1868) azy ho anaram-panjakana. Zana-dandy no fiantso azy hatreo, saingy tsy ny fihinanana azy (indraindray) no hambana fa ny fandripahana ny tapia sy amberivatry manokana ary ny ala amin’ny ankapobeny.
Plus récente Plus ancienne