Rabodonandrianampoina
Atsimon’Ambatondrafandrana
Avaratr’Ambohimitsimbina
Andrefan’Imandroseza
Atsinanan’Ambohijanahary
Izany ny fanati-kira nankalaza an-dRanavalona I, izay nanjaka 33 taona, raha niamboho ny 16 aogositra 1861. Ambatondrafandrana, vazimba. Ambohimitsimbina, vazimba. Ambohijanahary, vazimba…
Isaky ny miresaka an’Antananarivo, dia Andrianjaka hatrany no mby an-tsaina voalohany. Nitondra anarana hafa anefa taloha io trafo vatolampy toa nasondrotry ny heniheny manodidina azy io. Saika ho nosy raha tsy nisy ny tetezan-tany mandraikitra azy amin’i Faravohitra andaniny avaratra, ary Isotry (Ambodin’Isotry no diso anarana hoe Isotry ankehitriny), ankilany andrefana. Saika adinoko ny fifanohizan-takibany amin’Ambohijanahary na dia nohantsinana hisy hadilanana (very fanonona hoe Ankadi-lalana).
Ankoatra ny Rovan’Antananarivo sy ireo toerana hafa mamaritra iny Tanàna-Ambony iny (Imarivolanitra, Andohalo, Itsimihatsaka, Ankaditapaka, Ambohimitsimbina – sa Ambohimi-tsingina noho izy tendrony avo indrindra eny ambony eny ?) dia toerana roa ihany no misalotra anaran’olona : Amparihin-dRasahala (Rasahala dia isan’ireo vadin’Andrianampoinimerina), sy Ambatond-dRafandrana.
Andriamifidy, Ministra faha-Mpanjaka vao lasa mpitandrina tao Ambonin’Ampamarinana, dia nanatsidika hoe «Ambaton’i Behavanja» no lasa Ambatobevanja : saingy tsy misy mahatadidy izany Rabehavanja izany intsony mihitsy.
Ilay vaton-dRafandrana ve tsangambato (fahatsiarovana
zava-dehibe sa, araky ny famaritana omen’ny Rakibolana : «fahatsiarovana izay maty an’ady na izay tsy tonga ao am-pasan-drazana na very faty») sa vatolahy (fizakana ny tany sa, araky ny Rakibolana : «fampahatsiarovana») sa orimbato (fifanekena) ? Very anarana ho lasa io Trano Fitsarana naorina tamin’ny 1881 io ny vaton-dRafandrana.
Misy toerana hoe Ampandrana, efa aty avaratra mivoaka ny vavahadin’Antananarivo taloha. Tamin’ny Ntaolo ny hazo fandrana no nalàna atiny ka natao fitarihin-drano : dia lasa «fandrana» rahateo no fiantso ireny fantsona ireny. Raha ny volo kosa no itarihin-drano dia «volosy» no fiantso azy, hoy ny Firaketana. Nisy ala fandrana ve fahiny teo ambanin’i Faravohitra fahiny sa noho izay voalazan’ny lovantsofina hoe samy vazimba na Andravoahangy na Antaninandro na Ampandrana ?
Andrianizinizina, Andrianalinalina, Andrianerinerina, Andrianahitrahitra, Andriananjavonjavona, Andrianamponga, Andriandranolava, Andrianamboniravina, Andriampandrana : araka ny lovantsofina iray (fa maro ary mety mifandimpatra ny lovantsofina) dia toy ireo no tetiaran-dry Rafandrana, izay samy milevina eny Ampandrana, Atsimondrano ankehitriny. Fahiny dia io tanàna io, hoy ny lovantsofina, no nantsoina mialoha an’Imerimanjaka sy Alasora.
Isan’ireny lovantsofina samy hafa fitadidy ireny ireto manaraka ireto : «Rafandramanenitra, vadin-dRafaramahery, teo Ambohimasimbola, niteraka an-dRangitamanjaka sy Ratsiseranina» (Tantara Ny Andriana, 9). «Andriampandrana, Andriandohafandrana, Andriampandramanenitra, Rafandrampohy, Rafandrandava. Ary Rafandrandava niteraka an-dRangita sy Rafohy eroa Merimanjaka» (TA, 11).
Ny Tantara Ny Andriana (TA), takila 9-10, dia mitanisa Andriana 41 ho an’Imerina ary 5 ho an’Imamo, ka ny 31 «Andriana nanoa», ny 10 «Andriana resy».
Andrianamponga, vadin-dRamananiambonitany, teo Fanongoavana
Rafandrandava, vadin-dRamanamihoatrambonitany, ao Ampandrana
Ramasindohafandrana, vadin-dRamanalimananambonitany, ao Ampandrana
Rafandrampohy, vadin-dRasoalimananambonitany, ao Ampandrana
Ankoatra an’Andrianamponga («Ary ny andriana no nanjaka kosa, Andrianamponga», TA, 8) sy ry Rafandrana dia tsy misy nanana vady nisalotra anarana mifandraika amin’ny tany. Efa ela taty aoriana, vao nisy indray an-dRasolomanambonitany, vadin’Andriamasinavalona niterahany an’Andrianavalonimerina, izay nomena an’Ambohidrabiby (TA, 375). Dia izay vao Andriantsimitoviaminandriana, vadin-dRaompanananiambonitanimandimby sy Andriambelomasina, vadin dRasoherimanananitany.
Tsiahivina fa Andriamananitany, rain’Andrianamboninolona, no andriana farany «nanana-ni-tany». Notoindro-molotra ho «saonjo mihoatra akondro» moa izy ka dia nahilika hanjakan’Andriamanelo, rain’Andrianjaka.
Commenter
Ce formulaire recueille votre nom et adresse e-mail afin que nous puissions valider votre commentaire. Veuillez consulter notre politique de confidentalité afin de prendre connaissance sur la façon dont nous protégeons vos informations.
Je consens à ce que L'Express de Madagascar collecte mon nom et email..