Accueil » Chronique » Ranon’orana lasa an-driaka satria very dobo
Chronique

Ranon’orana lasa an-driaka satria very dobo

Mirotsaka vaventy ny orana ao alatrano ao. Vonto izay ho vonto. Ny tany mihanjaka tsisy faka mihazona sy ravina manarona kosa dia kaohiny hanatevina ny rian’i Betsiboka, tsy mba mavom-potaka tonga namana tahaka an’Ikopa intsony, fa menan’ny nofon-tany ho very an-dranomasina. Izao ranon’orana manasa ny ravin’amontana ao ivelany ao izao moa dia jerem-potsiny hamonjy tatatra. Aiza ny dobo nataon’olombelona hanampy ny kamory sy hanatevina ny farihy vita-Nanahary ?

 

Dia mbola tsaroana hatrany ity nofinofy efa natsidika tamin’ny 17 aprily 2019 ity. Rahoviana ihany Ra-Fanjakana vao hihevitra «Alaotra» (laut = ranomasina amin’ny teny indoneziana) na «Itasihanaka» (tasik = farihy amin’ny teny indoneziana) vaovao ambony atsinanan’Antananarivo na ambany andrefan’Analamanga na etsy Laniera. Taloha, vao valopolo taona lasa fotsiny, mbola azo nolakanina, nandehana lakana, miala teo Ambodin’Isotry ka hatrany Isahafa-Avaradrano. Tantara zary angano sisa izany satria ny teo aza, nifaninanana nototofana : nasiana «bypass», namaritana «rocade», novolena «lotissements», natao «67 hectares»…

Ny «dobon’i Callixte Savaron» tetsy Imerimanjaka, izany, ny Laniera izany, i Betsimitatatra izany. Farihy vaovao ary ambony atsinanan’ Antananarivo, amin’iny faritra Vakini-Varahina iny: Masindray-Alasora-Imerimanjaka. Dia farihy tobin-drano hafa koa aty ambany andrefan’Antananarivo: indrisy, io Betsimitatatra totofana isan’andro io…Farihy be hilalaovana lakam-piara, hisangiana trondro-laoka, fitehirizan-dranonorona… Mety ho loharanon’angovo ihany koa na dia malefaka aza ny fidinan’ny lemaka manodidina an’Antananarivo, atsinanana miankandrefana, raha tanteraka eto ilay teknolojia hoe «STEP». Hevero vetivety anie izany farihy-dobo-kamory midadasika izany, hanangonana ranonorana.

Vakini-Varahina, Vakini-Sisaony, Vakini-Mamba, Vakin’Ikopa. Rano hanaranam-po. Mantasoa faharoa. Mandroseza fanampiny. Tsiazompaniry sosona. Iny faritra manolotra an’Ikopa sy Sisaony, tobin-drano tsy hita velively ! Tsy zakan’ny Ministera tokana izany nofy izany, fa tsy maintsy hifandrimbonana : Angovo, Rano, Tontolo iainana, Fanajariana ny Tany, Fikarohana siantifika. Ministeran’ny Revy tsy ritran’ny Fararano.

Commenter

Ce formulaire recueille votre nom et adresse e-mail afin que nous puissions valider votre commentaire. Veuillez consulter notre politique de confidentalité afin de prendre connaissance sur la façon dont nous protégeons vos informations.
Je consens à ce que L'Express de Madagascar collecte mon nom et email..

Cliquez pour commenter