Chronique

Mamalan-kira indray VANF – Ka Betsimitatatra no nototofana

Soa ihany fa alarobia, tsy fianarana tolakandro iny 8 janoary dibo-drano iny. Saingy, orana manondraka an’i Betsimitatatra, ka tsy hisy isan’andro ny fahagagana fa tsy maintsy hitranga andavanandro. Mahagaga isika mbola gaga. Betsimitatatra anie no nototofana e. Hetrina, heniheny, honahona.

Raha ny resaka vita teto, ankoatra ny lahatsoratra tamin’ny teny frantsay, izay dimiambiroapolo taona izay, manakiana ny fanotofana tanimbary efa nahavitana boky hatramin’ilay «Iny Betsimitatatra iny» (Mamalan-kira tamin’ny 26 aogositra 1997).

Tanimbary 34.000 hektara i Betsimitatatra tamin’ny 1985, telopolo* taona lasa izao. Tao anatin’izay telopolo taona izay, dia nitohy tsy am-piheverana loatra ny fanotofana izay niatomboka tamin’ny nametrahan’i Gallieni ny gare Soa-RANO (1909). Ny BPPA dia mbola nahita tanimbary 3.000 hektara, ampahafolony, tamin’ny 2002. Firy hektara sisa ny tanimbary etsy Betsimitatatra izao taona 2015 izao ? Tsy Betsimitatatra ihany, fa jereo manodidina an’Alasora sy Imerimanjaka. Miandry izay fidonany Laniera-Ambodifasina.

Miteny ho azy ny anaran-tany : Ampefiloha, satria nisy fefiloha nanaovana ny lakandrano ; Antohomadinika sy Andavamamba : fa moa ny toho sy ny mamba tsy hazan-drano? ; Anosipatrana, Anosizato, Anosibe : fa moa tsy rano no maha nosy ny nosy ? Ankorondrano, Andranomahery, Andranovory, Andranomena, Andranomanalina, Andranobevava, sy ny sisa hafa rehetra mampatsiahy fa rano avokoa ireny tamin’ny andron’ny Ntaolo.

Ny sarin’Antananarivo (zahao FTM, ANTA, Fonds Grandidier, Fikambanana Andohalo) dia mampiseho fa rano avokoa ny zone Forello Tanjombato, ny rocade bypass mandalo Androndra, mandingana ny Ikopa. Farihy nahafinaritra ny teny Dorodosy-Imerimanjaka nametrahana ny bypass Ambohimangakely-Iavoloha. Isao ny honahona eny Ankazomanga-Ankasina efa miandry «remblais» ka lasa tranobe sy tamboho mamefy tanàna tsy ampoizina. Miakara ao amin’ny rihana ambony La City etsy Ivandry-Alarobia dia jereo ny tanimbary mbola tavela ao, hany manelanelana sisa ny route des hydrocarbures sy ny vahilavan’Ambohimanarina-AndRaharo (Miverina amin’ny taniny ny rano, 16 janoary 2015).

Rano e, ka rano. Izao fanovana ny lalàna mifehy an’Antananarivo izao dia tokony nialohavana fandinihina ivelan’ny Antenimiera : mpahay Tantara, urbanistes, géographes. Raha ho tondra-dava ary ny faritra iva, satria izay no toe-tany eo Betsimitatatra, inona no atao : 1. tohizana ihany ny remblais dia minia mikimpy 2. atsahatra ny remblais ka heverina ny hananganana ireo « villes nouvelles » hametrahana ny mponina marobe voatery tsy maintsy afindra toerana. 3. averina amin’ny rano sy ny tanimbary i Betsimitatatra (Miverina amin’ny taniny ny rano, 11 martsa 2017).

Andranotapahina, ho an’ny ankabeazan’ny olona, dia ilay farihy eo am-pototry ny vohitr’Ambohidratrimo, isan’ny Tendrombohitra Roambinifolo. Manapaka azy eo afovoany mantsy ny Lalana RN4 Antananarivo-Mahajanga. Mitombo an’isa anefa ny Andranotapahina ka ahiana mihitsy ho ritra tanteraka ny faritra sasany, sady efa izay koa moa no tanjona tsy miloaka ahafahana mamaritra tany vaovao, sitrany ahay ho «lotissement» manditsa-kitrokely. Andranotapahina, na tanimbary-tapahina, ambadiky ny «Village de la Francophonie». Andranotapahina eny Laniera vakian’ny «Route de la Francophonie». Andranotapahina, Dorodosy efa ho ritra etsy Imerimanjaka, vakian’ny «By-Pass» sy ny tototototra maro tsy nahazoana alalana na nanomezana «dérogation» ombieny ombieny (Ranobe mangeniheny, 2424.mg, 29 aogositra 2019).

ILEMPONA : tany lemaka ngezabe, vakivakin’ny tatadrano maro, ka voaova ho tanimbary midadasika. Tahaka izany BETSIMITATATRA. Tahaka izany MORIANDRO (Am-bohitra ny velona, 31 aogositra 2019).

Raha ny sary rehetra hita iny 8 janoary 2020 iny dia toa nifindra tetsy Analakely ny ranon’Ikopa, naka toerana tetsy Besarety ny dobon’i Mandroseza, nihanaka manerana an’i Mahamasina sy Ampefiloha ny farihin’Anosy. Tsy rano nanapa-dranjo intsony fa nandifotra fiara ary nahazaka moto. Ranonorana toa nanoina antso ny rano namany saron-dranon-tany. Tsy ranonorana manindao namana fa manatevina azy.

Commenter

Ce formulaire recueille votre nom et adresse e-mail afin que nous puissions valider votre commentaire. Veuillez consulter notre politique de confidentalité afin de prendre connaissance sur la façon dont nous protégeons vos informations.
Je consens à ce que L'Express de Madagascar collecte mon nom et email..

Cliquez pour commenter