Resy mihaja


Hitako ihany ilay sarin’ny fifampiarahaban’i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana, TAORIANA ny fanambarana ampahibemaso ny voka-pifidianana. Mifandray tanana tokoa izy mirahalahy, sady miresaka mifampitsiky, saingy takona tanteraka izany sary izany noho ny tsy fahatsapan’ny olona sasany ny maha zava-dehibe loatra io fifandraisan-tanana io ho an’ny filaminam-piaraha-monina. Adinon’ny Fitsarana Avo HCC ihany koa ny nametraka fandaminana alohan’ny tena firavana. Saingy, raha mba samy nahatsapa-tena, tsy ho nilaina akory izany fandaminana izany fa dia navela aloha ny mpifanandrina roa tonta hampiseho ampahibemaso ny toe-tsaina demokratika sy repoblikana. Maro mantsy ny vava tsy tandrina, ny teny tsy voahevitra, ny lela nitsaontsaona, tamin’ny mpomba ny andaniny sy ny ankilany. Ny sasany aza moa vonona hanao fihodinana fahatelo teo amin’ny Kianjan’ny 13 mey. Io sarin’ny fifandraisan-tanan’izy mirahalahy mivantana io, fa tsy ny orokorok’izay mpomba ny atsy na ny mpomba ny aroa, dia ampy hampilamina ireny adilahy nokasaina hovolena etsy tsy eroa ireny. «Tsimbazaza tsy sarotiny, Anosy koa tsy mandà, fa Ambohijanahary no be fialonana», hoy ny ohabolana. Anatin’ny fianarana ny toe-tsaina demokratika, mbola maro loatra mantsy ny sarotiny alohan’ny tompony. Soa fa nataon’izy mirahalahy adin’ankizy tsy ifandaparana ireny. Io sarin’ny fifandraisan-tanana teo amin’i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana io, narahin’ny lahatenin’ny andaniny, nisaotra ny mpifaninana taminy izay niarahaba azy tao aorian’ny lanonampitsarana, ary ny kabarin’ny ankilany, miarahaba sy mirary soa ny Filohan’ny Repoblika voafidy, no tena mandrindrina ny fefiloha izay nokasain’ny sasany ho vakiana. Teto Madagasikara, raha niseho natetika loatra ny nantenain-kanirina, mainka nampivandravandra, tamin’ity indray mitoraka ity kosa, ny nahian-kampivandravandra, nijoro hanirina, no nitranga. Arahaba soa, arahaba tsara. Ndrematoa olon-kendry ; Ndrenaivo mamy hoditra ; Faralahy tiam-bahoaka : izany, hono, no tsy very telo. Izay roa andro farany izay, toa voavorintsika Gasy ireo toetra telo sosona ireo. Hany ka, ilay Madagasikara, nampiahiahy izay mbola ho afitsony indray, no toa misongadina tampoka ho filamatra tsy nampoizina. Ilo mby an-doha izany, tokony tsy ho araraka an-tany intsony. Raha mbola tsy tafavory izany toetra telo sosona izany, azo entina ho firariantsoa, sy fitaizana, ho tandreman’ny Mpitondra sy ny Vahoaka : «ilaozan’ny haja ny toetra adala, lapa fodiany kosa ny sain’ny hendry». Fifidianana roa sosona izao no tontosan’ny Gasy soa amantsara: 2013, 2018. Amin’ny fifidianana hafa rehetra manaraka, tokony tsy hilingilingy handrehitra afo an-kianja intsony fa miandry am-pilaminana ny voka-pifidianana, satria ny kirin’ny Kianja 13 mey, tahaka ny tomanin-jazabodo an-tsena, ka tsy maintsy hamoronan-java tsy misy : devoly ho roahina amin’ny ministera, martiora ho atao sorona, ampamoaka poakaty. Izay no ela, fa mankasitraka ny kabarin-dRavalomanana mankatoa ny voka-pifidianana ary mitaona ireo mpomba azy hampitsahatra ny teny ratsy. Izay mandoto tokoa no meloka, fa tsy ny vetaina no diso. Zavatra halako manokana, fomba ratsin’ny Kianjan’ny 13 mey, dia ny mandrehoka amin’ny seza tian-kiandrianana. Ny Fanjakana nokasaina, saingy tsy azo, no voatsimbina manokana amin’ny kabary mihaja tahaka izao. Raha tena nifofotra, saingy tsy nahita, Ravalomanana, afa-pondro; fa raha nanao ala safay, izay, izy sy ny mpanolo-tsaina azy, no gadran’ny nenina. Raha «Ho an’ny Tanindrazana», misy andraikitra maro hafa mbola adidy. Ao ny Antenimiera, ny isan-Tanàna itsinjaram-pahefana, ny indostria sy orinasa sompitry ny asa. Kabary zato, teny arivo : ny tena sakaiza, Andriamatoa isany, tsara vava mifanatrika, ary tsy mifosa raha takona. Mahaleova mahalasana ianareo tsy takolaina.
Plus récente Plus ancienne