Aoka itsy !


Fangatahana, fiangaviana : mandritra izao «fampielezan-kevitra» izao, aoka re, aza alaim-panahy, fadio mihitsy, ny hiteniteny foana imasom-bahoaka hoe «Halatra raha tsy mandresy». Angoa mantsy satria manampoizina ny sain’ny olona sasany izany. Mbola misy amintsika mihinana amam-bolony fa tsy misavasava ny ravina. Izay vava latsaka rehetra io dia mety ho raisin’ny sasany ho tenin’Andria­manitra. Dia izy vontom-pinoana iny no tsy hanaiky intsony ny fivadihan’ny rasa. Ary hanjary hasiaka sy romotra raha diso fanantenana ilay tsy nanampo hafa-tsy fandresena. Ka hahavita hidina an-dalambe hoe «hiaro ny safidiny». Sambany, teo amin’ny Tantaran’ny Repoblika malagasy, misy mpitondra fara-tampony teo aloha efatra mifanandrina mbola te hitantana indray. Raha tany amin’ny firenena hafa, efa masaka demokrasia, mahalana ihany, mba tsy ilazana hoe tsy fahita mihitsy, izany toe-javatra izany. Fa aty amin’ny firenena tahaka ny antsika, mbola miketrika demokrasia, tsy atao hahagaga ny tranga toy izany. Any Amerika, ohatra, voafetra ho indroa ihany ny fe-potoana iasan’ny Filoha. Dia samy miezaka mba manaja izany avokoa satria tsy ny tany no fady fa ny vavam-bahoaka. Masaka demokrasia ny firenena iray rehefa maro lavitra kokoa noho ny bado sy ketrina ny olona mahay sy hendry. Masaka demokrasia ny firenena iray rehefa tsy voavidin’ny tsipitsipy sy ny vary iray lovia ny safidy. Masaka demokrasia ny firenena iray rehefa tsy fohy tadidy fatra-panadino ny hala-botry vao omaly ny vahoaka. Ankoatra izay, ary izany no eto Madagasikara, demokrasia mbola eo am-piketrehana ka itony fifidianana asesisesy itony dia sahala amin’ny voalobo-jaza teren-ko masaka fotsiny. Any amin’ny firenena efa masaka demokrasia, ala-olana ny fifidianana. Tena savorovoron-kilantoana tokoa. Izay lany eo dia laniera. Raharaha tangàrana. Aty amin’ny firenena mbola miketrika demokrasia, izany fifidianana izany dia antenain-kanirina kanjo ahiana hampivan­dravandra. Tsy mba toetra vonona hanaiky ny voka-pifidianana no fahita fa sain-dratsy efa miomana hanakorontana. Ny demokrasian’ny sasany mantsy dia izy sy ny azy ihany no tokony handresy. Ankoatra izay dia halatra. Ho an’ireny sasany ireny, satry foana ho averina indroa, intelo, impolo, ny fifidianana ka tsy afa-po raha tsy mifanandrify amin’ny sainy ny vokatra. Rehefa izany, atao inona moa fifidianana fa tsy ndao samy manendry tena avokoa. Izaho, izaho, izaho. Papangolahy anaty katsaka, sady babany no dadany avokoa. Ny vola samy manana fa ny isany no tsy mitovy, hoy ilay filaza izay. Tsy ny tapitrisa alahatra anefa no hivadika avy hatrany ho vato. Mamita-tena izay mihevitra izany. Mamoky ratsy ny manodidina azy. Ary manabohamaty ny firenena.
Plus récente Plus ancienne