Ronono an-tavy raraka an-tany


Fizarana voatabia dimy taonina, maimaimpoana, ho an’ny mpandalo rehetra tsy ankanavaka. Nisy fotoana, nahavita izany ny mpamboly sasany tany Frantsa, ho fanoherana ny fidiran’ny voatabia avy any Espana. Fa, tamin’ny 24 jolay 2015 kosa, tany Frantsa ihany, nararak’ireo mpiompy omby manoloana ny Cora tao Vesoul (362 kilometatra Atsimo-Atsinanan’i Paris) ny ronono 15.000 litatra. Izany hadalana izany no nalain’ny mpamokatra tao Antsirabe sy Betafo tahaka, raha nariany tamin’ny arabe ny ronono lazainy tsy misy mpandray noho ny fanakotanana ny orinasa AAA. Fomba manafintohina. Na saika halahelo aza, tezitra avy hatrany. «Misy olona tsy misakafo»: moa tsy izany no fitenin’ny Raiamandreny amin’ny zanaka manimba sakafo? Ronono ve dia ho ariana fotsiny amin’ny tany sy an-tatatra, anefa an-tapitrisa ny zaza tsy ampy sakafo eto Madagasikara? Ny mpikaroka ao amin’ny CIRAD sy ny FIFAMANOR dia namoaka voka-pikarohana, tamin’ny mey 2020 teo. «Tsy mitete intsony ny ronono» no nomeny ho lohateny: miisa 60 000 ny mpamokatra ronono amin’iny Faritra Vakinankaratra iny, ary mahatratra 100 tapitrisa litatra isan-taona ny ronono tongany eo amin’ny tsenan’Antsirabe (10 isan-jato) sy Antananarivo (50 isan-jato). Sahirana tokoa izy ireo noho ity fihibohana ara-pahasalamana ity satria tsy nisy ny fitaterana hamoahana ny vokatra; nihena ny tinady an-tanan-dehibe satria nanakatontrano ny fivarotana sy toerana fisakafoana; simba ampitoerana ny yaourt sy fromage noho ny fahefa-mividy latsaka ka aleon’ny tokantrano aloha manokana ny vola amin’ny vary sy ny laoka. Ekena fa sahirana ny mpamokatra ronono, tahaka ny mpamboly sy mpiompy rehetra, tahaka ny ankamaroan’ ny tokantrano malagasy. Antony ve izany hanarahankefa fahatany ny fomban’ny «mpitolona» any Andafy? Voankazo aman-taoniny ariana eny amin’ny arabe, zezika sy rihitra afafy manoloana ny supermarché, biraom-panjakana atao fisoko... Nisy fotoana aza, nahanton’ireny sendika ireny teny ambony tetezana ny lambo sy ny kisoa... Hisintonana ny sain’ny rehetra, hono. Serasera hono izany. Fa tena «communication» ilaina mazava an-tsain’ny rehetra ny mangarahara manodidina ny hetra lazaina tsy voaloan’ny orinasa AAA. Avoaka antsipirihiny ara-teknika, 1+2+3, ka aoka tsy hifangaro politika mihitsy. Raha sanatria tokoa voaporofo ny tsy fanarahan-dalàna, tsy ny fanariana ronono an-dalambe no vaha-olana fa ny fiverenana amin’ny ara-dalàna. Tsara ho fantatra: Ny omby gasy (zebu, bos indicus) dia tsy mamokatra ronono firy: 270 hatramin’ny 360 litatra ao anatin’ny enim-bolana; ny omby rana, vokatry ny fampavadiana omby gasy tamin’ny omby vahiny isan-karazany efa hatramin’ny andron’i Jean Laborde (1840), mba manome ronono 5 ka 8 litatra isan’andro; ny «vache normande» dia nampidirin’i Martin de Fouchambault tamin’ny taona 1892 ary nampitomboin’ny orinasa Nestlé nanerana ny faritr’Antsirabe tany amin’ny taona 1970: ronono 5000 kg no azo aminy; ny «race frisonne pie noire» dia nafarana tao aorian’ny Ady Lehibe Faharoa (1945) ary mihoatra ny 6000 kg ny ronono vokariny; ny «pie rouge norvégienne» dia nampidirin’ny Misionera norveziana niasa tao amin’ny sekoly-fiompiana Tombontsoa: ahazoana ronono 5200 kg izy. Ny Fifamanor, izay niorina tamin’ny 1972, no nanapariaka azy manerana ny faritr’Antsirabe (cf. Cécile Virginie Razanadrasoa, «Amélioration génétique des bovins laitiers dans la région d’Antsirabe», École Supérieure des Sciences Agronomiques, Mémoire de fin d’études, 1984-1987). Tamin’izany taona 1984-1987 izany, mbola ny SMPL (société malgache de produits laitiers), Romanor (ronono malagasy norveziana), ELVak (entreprise laitière du Vakinankaratra), BCL (bureau central laitier) sy Tombontsoa ary Fifamanor (Fiompiana Fambolena Malagasy Norveziana) no nalaza tamin’ny famokarana, fanangonana ary fanodinana ny ronono. Ankoatra an’Antsirabe sy Antananarivo na Ambatomanga taty aoriana (rehefa nalefan’ny Missions évangéliques de Paris hiasa tao ilay Misionera Robert Martel tamin’ny 1978), dia anarantsy very sisa ny fambolena-fiompiana tany Sakay.
Plus récente Plus ancienne