Ny razantsika hendry


Lahatsoratra efa tamin’ny 21 novambra 2006 ity. Saingy mbola tsy malazo febroary 2021. “Soa lavo hahay hamindra, soa kenda hahay hitsako” hoy ny Razantsika hendry sy lalim-pandinihina . Saingy, mahagaga, fa isika ankehitriny, miondana ny fahaizan’izao tontolo izao, dia sanatria ka minia mankahitra, manao fanahy iniana mirorom-pahendrena, manome lamosina ny anatry ny Ntaolo. Tsy tsianjery fotsiny ny ohabalon-drazana fa tena mifono «science politique». Tantara efa lovan-tsofina ny Andriamanjaka tsy hay anarina tsy hita atoro ka aongan’ny Loholona. Andrianampoinimerina no nandova ny Fanjakana nesorina tamin’anadahin-dreniny ka hoy izy: « Tsy izaho no nioty manta, fa Ikaky no halam-bahoaka ». Matoa ny fitondran’Andrianampoinimerina mbola filamatra ho antsika roanjato taona aty aoriana dia noho ny fanajany ny fahendrendrazana hita soritra amin’ny ohabolana: « Manaova soa ampentany, fa misy hiankinana; manaova soa vato, fa misy hipetrahana »; « Maizina ny andro, azo tsilovina; lalina ny rano, azo lakanina; lalina ny hady, azo toharina; fa ny ratsy atao, tsy mba azon-kevitra »; « Fo tezitra, tsy ananan-drariny»; « Tsy nahin’ny sosoa no nitobaka, fa ny mpan­- doatra no vinitra »; « Tezitra alohan’ny rariny ka tsy misy asiana ny hitsiny ». Fiaraha-monin’ny kabary raha ny antsika, vao tonga ny soratra. Ka na ankehitriny aza, langolangoin’ny ohabolana sy hainteny ny kabary an-kianja vao mahazo akony amin’ny mpihaino. Ny vava rehetra natao omaly tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey, ny vava mbola ifanaovana androany amin’ny adilahy politika, tsy tambina ahitan’ny firenena loza atsy ho atsy: « Vava soa sakafo, teny ratsy adidy »; « Ny kibo no be eritreri-dratsy, ka ny vava no mahazo loza »; « Raha revom-potaka, rano no manala ; raha revon-tany, vava no manala ». Mpifankatia tsy nifamarafara omaly, fa maika fotsiny hanala andRatsiraka, ka tsy nivalona akory ny dimy taona dia izao miafara amin’ny ady izao (NDLR: faramparan’ny taona 2006). Lala-masaka omaly manjary tevan-kamono ny fomba fisainana teo amin’ny 13 mey, na taorian’ny 1991 na taorian’ny 2002. Korontan-dava ny rotaka, rava ny toe-karena, mandry tsy lavo loha ny vahoaka. Mandihy am-piringa toa vorondolo ny mpanongampanjakana: « Manome toky an-kamorana, ka manary an-kasarotana »; « Sakay sy voamperifery ka samy mitondra ny ngidiny ho azy »; « Toy ny tandindona: miaraka ihany fa tsy azo ho namana »; « Manao kitapo hamelana lolom-po sy hadivory hasiana ny fitaka »; « Manao fihavanamolotra, tezitra vao mifanatona ». « Taiza » ny Andriana fa tsy andriamanitra, ary fanompoana ny Fanjakana. Lolohavin’ny sasany sy lelafim-paladia anefa ny Filohampirenena nifanesy hatramin’izay ka tsy mahagaga raha « miantsam­- botsambotra toy ny vary kely an-daona ». « Natao sanga ka nanakona; natao tandroka ka nanoto ». « Akaiky mahatahotra, lavitra mahamanina ». Sady ombilahy no mbola masiaka ka atao arahaba mamba sisa: tsy mba fitia fa tahotra. Ny tena raharaha dia tsy manana mpanolo-tsaina hifandresendahatra ny Filoha voky « Eny Tompoko ». Sambatra tokoa Andrianam- poinimerina nanana an’i Hagamainty. Ny teny an-dapa tsy mba mahadiso ka tsy nisalasala Ihagamainty nanitsy ny mpanjaka mba tsy hanan-tsiny amin’ny fanorona vohana: « Ataovy anatra imaso ifanatrehana, fa raha takona tonga fosa »; « Ny volana imaso tsy mba kilema »; « Aza be henatra imaso, fa be fosa ivoho ». Fa tsy ampy ve ny mpifanandrina sy ny mpanohitra ary ny amboa mitsaba-doharano manao hasomparana fotsiny, no hananganana ady koa ny mpanao gazety? Sanatria ka tonga amin’ny hoe « ny hohavanina tsy misy, fa ny hiadiana betsaka ». Anterina amin’izay rehetra mitondra, na mikasa hitondra, satria iankinan’ain’ny firenena fa: « Ny vilany no vaky, ny mpandoatra no nimonjomonjo »; « Ny ditra mahafaty, ny kiry mahavery »; « Andriamatoa mihanta ny ditra, Faralahy mandatsa ny nenina ».
Plus récente Plus ancienne